Mavaivay ny Fankahalàna Jiosy Ao Tiorkia Taorian'ny Fanafihan'i Israely An'i Gaza (Manampy trotraka Mamelona Ny Afo Ny Governemanta

Turkey's prime minister has denounced Israel repeatedly. Screenshot from video uploaded by YouTube user Tamerscadence

Natetika niampanga an'i Israely ny praiministr'i Tiorkia. Dikasary avy amin'ny lahatsarin'i Tamerscadence, mpampiasa Youtube

Efa ela teo amin'ny androm-piainany no nisy fiombonana lehibe tamin'ireo Palestiniana tamin'ny vahoaka Tiorka. Kanefa, ny fanafihana misy ankehitriny ataon'i Israely ao Gaza dia trangan-javatra iray vao mainka mandrehitra mibaribary ny fankahalàna ny Jiosy. Ireto fomba fisehonà fihetsehampo mankahala Jiosy ireto, nitranga tao Tiorkia tamin'ity herinandro ity dia misy ifandraisany daholo — na mivantana na ankolaka — amin'ny antoko ny Rariny sy ny Fandrosona (AKP) tarihan'ny praminisitra Tiorka sady mpiteny mpanakiana an'i Israely, Recep Erdoğan.

1. Ny 17 Jolay,Bülent Yıldırım, mpitarika ny IHH (Human Relief Foundation), fikambanana iray mpanao asa soa izay nikarakara ilay fitaterana taminà andian-tsambo Gaza Freedom Flotilla ho ezaka fandravàna ny fahirano nataon'i Israely an'i GAza tamin'ny 2010, dia niteny tao aminà fantsom-pahitalavitra iray mpomba ny governemanta hoe:

Ny toetra diso hantan'i Israely no mety ho lakolosy hilaza ny farany ho an'ny vondrom-piarahamonin'ny  Jiosy monina aty Tiorkia. Raha tsy izany dia zavatra ratsy maro no hitranga….

Efa alimbe tamin'io andro io, nisy andian'olona mpanao hetsi-panoherana nitora-bato ny tranobe iray fonenan'ny kaonsilin'i Israely ao Istanbul ary nanova endrika ny tsangambato iray natao hahasarika maso, izay tsy misy ifandraisany mihitsy amin'i Israely. Nampiasa entona misy dipoavatra ny polisy, izay tsy fahita firy amin'ny fomba mahazatra amin'ny ankapobeny fanaon'ny governemanta iatrehany an'ireo hetsi-panoherana silamo. 

2. Şamil Tayyar, olo-maventin'ny AKP MP,  nanampy ity bitsika manaraka ity ho ao anatin'ny taharo fankahalàna Jiosy :

Antenaiko ny hahafongana ny taranakareo eo ambany fandidian'ny “Hitler” vaovao maromaro kokoa.

3. Ny 18 Jolay i Uğur Işılak, mpihira iray izay nampiasaina tamin'ny fampielezan-kevitry ny antoko AKP (Justice) eo amin'ny fitondran'i Recep Erdoğan dia nibitsika ity hafatra manaraka ity :

Maharesy lavitra ny an'ny Hitler ny halozànao [Israely]. Manomboka androany, ianareo no firenena farany tokony hiresaka manohitra an'i Hitler.

Amin'ny tànan'ny halozàna no ampahatsiahivàn'i Allah ny fiafaràn'ny olon-doza #TerroristIsrael.

Tokony hampiasa saina ny mbola maha-olombelona ny olona rehetra izay miantso an'io ho firenena iray.

4. Farany, ny 19 Jolay, lalaon-teny mifanapaka tao amin'ny gazety iray mpanàla azy, mpitahiry ny ara-pinoana, mpomba an'i Erdoğan, Yeni Akit, no toa sahala amin'ny nanao ny antso isan'ny nalàza indrindra tamin'ny fankahalàna Jiosy ho fampitsaharana ny daroka baomba any Gaza.

Manafintohina .. gazety tiorka mamoaka lalaon-teny mifanapaka, ka ny tenifototra dia ny hoe “Karohanay ianareo” pic.twitter.com/rCfwvxtZxV

Tany ampiafaran'izay andro izay, rehefa niseho vahoaka tao amin'ny Ranomasina Mainty tao Ordu i Erdoğan dia nanely ny fomba fijerin'i Şamil Tayyar momba ny fitoviana eo amin'i Hiter sy ny governemanta ao Israely — tamin'ny filazàna fa “voasongon”ity farany ny habibiana vitan'ny “voalohany” — saingy nilaza kosa ny tsy fankasitrahany ireo fanafihana natao ny Jiosy monina ao Tiorkia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.