Eto Ny “Sokajim-Pampitandremana” Hilaza Aminao Ny Famoretan'ny Polisin'i Hong Kong Amin'ireo Mpanohana Ny Demaokrasia

Polisy manampahefana mijery ireo sora-baventy fampitandremana ary toa “tsy mahatakatra akory ny dikan'izy ireo”, hoy i Kacey Wong, mpanakanto nanatontosa ny asa-kanton'ny fihetsiketsehana. Sary avy amin'i Kitwa Ho, nahazoan-dalana.
Zatra ny taham-pankasitrahana ambony eo amin'ireo mponina ao an-tanàna noho ny fahakelezan'ny heloka bevava ny polisy ao Hong Kong. Na izany aza, tao anatin'ny herintaona sy tapany mahery, nijotso avy amin'ny 71 isanjato mankany amin'ny 54,5 isan-jato izany fankasitrahana izany, fijotsoana noho ny fahitana fa nanjary fitaovana politika hoan'i Hong Kong sy ny governemanta Shinoa ireo polisy mba hanasazy ireo fihetsiketsehana milamina sy hitsabaka amin'ny fanangonam-baovao eo amin'ny toerana isian'ny tranga.
Te-hitabataba amin'ny fanararaotam-pahefana i Kacey Wong, mpanakanato ao an-toerana sady profesora lefitra ao amin'ny Sekoly fianarana ravaka ao amin'ny Oniversite politeknikan'i Hong Kong, ka namorona ny “Sokajim-Pampitandremana Hongkongey” izy, fampisehoam-pihetsiketseha-panoherana tokana izay notontosaina tao amin'ny hetsiky ny mpanohana ny demaokrasia ao an-tanàna tamin'ny 1 Jolay.
Ny ” Sokajim-pampitandremana” dia fitambarana olona marobe mitafy tahaka ny polisy ary milanja sora-baventy izay aingam-panahy avy amin'ny sora-baventy fampiasan'ny polisin'i Hong Kong rehefa mifampiraharaha amin'ny hetsi-panoherana. Ireo Marika dia ahitana hoe “Love the Party (Tiavo ny Antoko)” izay manondro ny Antoko Komonista Shinoa; “Fake Commie (Komonista Sandoka)”; “Party-State (Fanjakana-Antoko)” manondro ny fitondrana Antoko tokana ao Shina; “Reddening” (Fandokoana manontolo ho mena) manondro ny fanakendana ataon'ny komonista; “Land Grabbing (Fakana Tany an-Keriny)” manondro ny fakana tany hanaovana ny tetikasam-pampandrosoana ao amin'ny Sisintany Vaovao ao Avaratra-Atsinanana ary ny “Corruption (Kolikoly)”.
Ity ambany ity ny lahatsary narakitra tamin'ny fihetsiketsehana:
Olona maro ao Hong Kong, zanatany britanika taloha no matahotra ny fahazoan'i Shina vahana ao an-tanàna. Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 1 Jolay, nitaky fifidianana demaokratika marina amin'ny fifidianana izay ho mpitondra ny tanàna manaraka amin'ny taona 2017 ireo mpanao fihetsiketsehana. Nampanantena fifidianana mivantana i Beijing, saingy nampitsahatra tampoka ny fanomezan-dalana ny Hongkongey hifidy kandidà.
Raha tsy mahavita mametraka fanitsiana tsy misy ireo kandidà efa nankatoavina mialoha ny governemantan'ny tanàna, dia mikasa hibodo ny afovoan-tanànan'i Hong Kong am-pilaminana ny vondrona “Occupy Central” farafahatarany amin'ity taona ity. Nandritra ny sit-in taorian'ny fihetsiketsehana 1 Jolay izay nantsoin'ny vondrona ho fanazarantany amin'ny fibodoana, dia olona maherin'ny 500 no nosamborina.
Nanazava ny hevitra ambadiky ny “Sokajim-pampitandremana” nandritra ny antsafa niarahana tamin'ny Global Voices i Wong. Misy ny “ahiahy ankapobeny amin'ny fampiharana amin'ny ampahany ny lalàna” (mizana tsindrian'ila) ataon'ny polisy, hoy izy. Mandeha “fanahy iniana” aorian'ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia izy ireo, tahaka ilay mpitondra kamiaon'ny fihetsiketsehana izay nosamborina niaraka tamin'ireo mpandeha efatra nandritra ny hetsika tamin'ny 1 Jolay. Nilaza ny polisy fa nanitsakitsaka didim-panjakana mandràra ny famelomana moteran'ny fiara mandeha miadana izy.
Saingy tsy ampiharana fepetra henjana tahaka izany kosa ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana an'i Beijing, na dia mahery setra aza izy ireo, hoy i Wong. Tamina tranga maro, rehefa manafika ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia ireo mpanao fihetsiketsehana manohana an'i Beijing, dia fiampangana noho ny hetraketraka madinika sy onitra an'arivony dolara HongKongey no vesarina amin'izy ireo. Hoan'ireo mpanao fihetsiketsehana mpomba ny demaokrasia kosa, ampangaina ho nihetraketra tamin'ny polisy, nanao fanimban-javatra, sy fihetsiketsehana tsy ara-dalàna izay mety midika volana vitsivitsy am-ponja izy ireo.
Ireny fepetra ireny dia vokatry ny fitadiavan'ny polisy hahazo sitraka amin'ny governemantan'i Hong Kong sy Beijing, hoy izy. “Izy ireo no mifehyvoalohany ny polisy manampahefana” :
Such top-down pressures of selective enforcement will not only affect the morale of junior officers but also lead to the eventual collapse of the system. Recent cases show that the city’s anti-corruption agency and police complaint council are no longer functioning to keep powers in check. In short, the kind of power abuse and authoritarian repression we see in the Mainland is actually not far from our very own reality.
Tsy amin'ny fomba fiheveran'ireo manampahefana fehezina ihany no miantraika izany fanaovana mizana tsindiran'ila izany fa mety mitarika amin'ny firodanan'ny rafitra. Mampiseho ireo tranga faramparany fa tsy mandaitra intsony hitazonana ny fahefana mikorosofahana ireo sampan-draharaha miady amin'ny kolikoly sy ny vaomieram-pitarainana ao amin'ny polisin'ny tanàna. Raha fehezina, tsy lavitra intsony amin'ny zavamisy eto amintsika ny karazana fihoaram-pefy sy ny fanenjehana amin'ny fomba jadona fahitantsika any amin'ny Tanibe.
Nalaza tao amin'ny media sosialy ny sarin'ny “Warning Squad” (Sokajim-pampitandremana) fotoana fohy taorian'ny fihetsiketsehana. “Fihetsiketseham-panoherana iny amin'ny endriny kanto sy fampisehoana. Fampisehoana manakorontana sy mihantsy (polisy) indrindra hitako eto Hong Kong,” hoy ny mpaneho hevira iray, Maureen Nienaber nanoratra tao amin'ny Facebook.
Nihevitra i Wong fa ny fanehoan-kevitry ny olona dia taratry ny disadisa miakatra eo amin'ny olona sy ny polisy : “.Fitondrana mpanao kolikoly, sy fitondrana mpanao kolikoly tsy refesi-mandidy tanteraka. Raha tsy mandray an-tanana araka ny tokony ho izy izao toe-draharaha sarotra izao ny governemanta, dia mety hirodana tanteraka ny rafitra.”
Na dia eo aza ny famoretana, maro ireo vonona hiady hoan'ny demaokrasia tena izy izay nampanantenaina ny vahoaka ao Hong Kong sy efa nandrasana fatratra nandritra ny taona maro. Araka ny nolazain'i Wong hoe:
What is the point of groaning and moaning without doing anything? Why not combine art and politics and take it to the streets: for righteousness, justice, and freedom. Sometimes it is not because you see the possibility of change that you decide to be persistent, but it is because of your persistence, there is change.
Inona no antony himenomenonana sy hitarainana raha tsy manao na inona na inona? Maninona no tsy mampiaraka ny kanto sy ny politika ary mitondra izany eny an-dalambe: ho amin'ny fahamarinana, ny rariny ary ny fahafahana. Indraindray, tsy hoe satria mahita ny mety hisian'ny fanovana ianao vao manapa-kevitra ny hikiry, fa noho ny fikirizanao no isian'ny fanovana.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...