Nisedra tadion-tsikera tao ho ao ny New York Times noho ny nitantarany ny fandarohana baomba ataon'i Israely sy nahafatesan'ankizy Gazaita nilalao baolina teo amin'ny tora-pasika.
Ilay gazety amerikana manko dia nanova ny lohateniny “Tanora lahy 4 nilalao teo amin'ny tora-pasik'i Gaza voatifitra” ho “Zatovolahy voasariky ny tora-pasik'i Gaza ka tafiditra tao anivon'ny gidragidran'Afovoany Atsinanana” izay heverin'ny sasany ho mandiso vaovao. Ny lohateny, araka ny tazana tao amin'ny NewsDiffs [1], dia niova tanelanelan'ny tamin'ny 8:35 alina sy tamin'ny 9:13 alina tamin'ny andron'ny 16 Jolay.
Ho setrin'izany, niangavy ny mpanjohy azy [2] haka tahaka am-panesoana ilay fanovana lohateny ny habaka pan-African ‘Africa Is A Country [3]‘ amin'ny fampiasana ny diezy #NYThistory [4] [Ny tantara araka ny NYT] :
Indreto ny ohatra sasantsasany hita tamin'ny diezy fanentanana:
“Joan of Arc drawn to stake, and into center of large fire” #NYTHistory [4]
— Africa is a Country (@AfricasaCountry) July 17, 2014 [5]
Jeanne d'Arc voasinton'ny tsatokazo ka tafiditra anivon'ny afo lehibe
“Rosa Parks drawn to public transport and into center of American racial tensions.” #NYTHistory [4] @AfricasaCountry [6]
— Niamh Ni Mhaoileoin (@nnimhaoileoin) July 17, 2014 [7]
Rosa Parks voasinton'ny fiara fitateram-bahoaka sy tafiditra anivon'ny fifanenjanana ara-poko Amerikana
East German govt builds a Wall in Berlin, raising questions about the applicable building code. #NYTHistory [4]
— Christiane Wilke (@jaanewilke) July 17, 2014 [8]
Fitondrana Alemana Tatsinanana nanangana ny Rindrin'i Berlin ka nanontany amin'ny lalànam-panangana-trano ampiharina.
“Native people drawn to pale bearded guys off boats, into center of unprecedented attempts at annihilation” #NYTHistory [4] CC @AfricasaCountry [6]
— Anaïs Bédé (@anaisbd) July 17, 2014 [9]
Teratany voasinton'ny olona hatsatra be volombava ka tafiditra anivon'ny fikasana hamotika hatramin'ny fakany tsy mbola nisy toy izany
“Chickens Drawn to Farms, and Into Center of Nutritional Practice” #NYTHistory [4]
— Trond Gausdal (@trondgausdal) July 17, 2014 [10]
Akoho voasariky ny Tranobe fiompiana, ka tafiditra ao amin'ny Foibe Fampiharana Ny Fanomezan-Tsakafo
“Cambodians drawn onto the fields of Kampuchea and into center of Pol's Pot.” #NYTHistory [4]
— Imran Garda (@ImranGarda) July 17, 2014 [11]
Kambojiana voasariky ny sahan'i Kambodza ka tafiditra afovoan'i Pol Pot
Tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, niditra tamin'ny andro faha-13 ny “Bemidina Sisim-Piarovana” nataon'i Israely ary namoizan'aina [12] Palestiniana mihoatra ny 280 ka tafiditra amin'izany ny zaza amam-behivavy, ary iray ny Israeliana.