Taorian'ilay loza mampalahelo nianjeran'ny sidina Malaysia Airlines MH17 tao atsinanan'i Okraina, nirohotra ny hafatra fampiononana hoan'ny fianakavian'ireo mpandeha 298 sy ny mpiasan'ny fiaramanidina tao anatiny.
Teny an-dalana hoany Kuala Lumpur avy ao Amsterdam ny zotra MH17 raha voatifitry ny balafomanga BUK. Nanondro ireo mpioko mpanohana Rosiana ho nitifitra am-pahadisoana ilay voromby ireo tatitra marobe, saingy nandà izany ireo lehiben'ny mpioko.
Ity no loza faharoa namely ny Malaysia Airlines tao anatin'ny volana vitsy monja. Nanjavona ny zotra MH370, izay nitondra mpandeha 237 sy mpiasan'ny fiaramanidina tamin'ny 8 Marsa raha tsy hita tampoka tao anatin'ny radara izy.
Tafintohina noho ireo loza roa ireo, nampiasa ny diezy #PrayForMH17 ireo mpiserasera Malayziana mba hiresaka momba ity loza ity.
Mpiasa mpandray sy mpikarakara mpandeha ao amin'ny Malaysia Airlines, nanipika momba ny aina nafoy tamin'ny zotra MH17 sy ny MH370, ary nizara sary tao amin'ny Twitter sy Instagram:
Within 4month i lost almost 30 frends … Sad but true we live in hostile world #mh17 #malaysia… http://t.co/n1aQ7ohPGp
— HJB ® (@HJB__) July 18, 2014
Tao anatin'ny efa-bolana, very namana teo amin'ny 30 teo aho … Mampalahelo nefa marina, miaina ao anaty tontolo mihetraketraka isika #mh17 #malaysia… http://t.co/n1aQ7ohPGp
Mpanao politika maro no nampiasa Twitter mba haneho ny hatairan'izy ireo sy nanazava mikasika izay dingana manaraka eritreretin'izy ireo
Praiminisitra Najib Razak nandefa ny teny fampiononany hoan'ireo niharam-boina sy ny fianakavian'izy ireo:
Doa saya semasa solat Jumaat tadi utk penumpang2 dan anak2 kapal #MH17 dan keluarga mereka. Ini tempoh yg amat sukar buat kita semua.
— Mohd Najib Tun Razak (@NajibRazak) July 18, 2014
Hoan'ireo mpandeha sy mpiasan'ny MH17 ary koa ny fianakavian'izy ireo ny vavaka ataoko androany. Fotoan-tsarotra tanteraka ho antsika rehetra izao.
Hishammuddin Hussein, minisitry ny fiarovana Malaiziana nisioka momba ireo laharam-pahamehan'ny governemanta Malaiziana:
#MH17 @1MinDef : Our immediate priority – 1) Was d plane brought down? If so 2) How ? 3) Who ? All our intel agensies have been activated .
— Hishammuddin Hussein (@HishammuddinH2O) July 18, 2014
#MH17 @1MinDef : Ny laharam-pahamehanay dia – 1) nianjera ve ny fiaramanidina? Raha izany tokoa 2) Tamin'ny fomba ahoana? 3) Iza? Alefa daholo Ireo sampam-pitsikilovanay rehetra.
Nanipika ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena Malaiziana, Khairy Jamaluddin fa tsy tokony omena ny Malaysia Airlines ny tsiny noho ny fisidinana tao anatin'ny faritra an'ady:
We must oppose narrative blaming route selection. FACT: many other planes were traversing same route. FACT: ICAO approved the route. #MH17
— Khairy Jamaluddin (@Khairykj) July 18, 2014
Tokony toherintsika ny hafatra fanomezan-tsiny ny lalana nosafidiana aleha. ZAVAMISY: marobe ireo voromby hafa mandalo izany lalana izany ihany koa. ZAVAMISY: nankatoavin'ny OACI izany lalana izany. #MH17
Nisioka teny fampiononana sy ny fahatairan'izy ireo ihany koa ireo olo-malaza Malaiziana marobe. Iray amin'izany ilay Malaiziana mpilalao badminton, Lee Chong Wei:
My heart aches to see the family members and loved ones of #MH17 going through such a tragic and devastating loss. pic.twitter.com/2TJyMIB9LL
— Dato’ Lee Chong Wei (@lee_c_wei) July 18, 2014
Marary ny foko mahita ireo fianakaviana sy ny naman'reo mpandeha tamin'ny #MH17 mandalo izao fahoriana mampalahelo sy mavesatra izao . pic.twitter.com/2TJyMIB9LL
Nilaza i Xandria Ooi , mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra sady mpanentana amin'ny radio fa tsy hitondra vahaolana ny fanomezan-tsiny:
Listening to the PC was painful. So much implication that MAS flying the route was a mistake. It's a TRAGEDY. Blame doesn't help.
— Xandria Ooi (@xandriaooi) July 18, 2014
Maharary ny mihaino ny solosaina (PC). Fanomezan-tsiny be loatra fa nisidina tamin'ny lalana diso ny MAS . LOZA MAHATSIRAVINA iny. Tsy mitondra mankaiza ny fanomezan-tsiny.
Pang Khee Teik, mpikarakara ny Seksualiti Merdeka (fetiben'ny zo ara-pananahana ao Malayzia), nandefa ity hafatra fampiononana ity:
In a senseless universe, senseless tragedies make sense. In a senseless universe, senseless loving is my only salvation. Hugs to all. #MH17
— Pang Khee Teik (@PangKheeTeik) July 18, 2014
Ao anatin'ny tontolo tsy misy antony, misy dikany ny loza mahatsiravina tsy misy antony. Ao anatin'ny tontolo tsy misy antony, ny fitiavana tsy misy antony no famonjena tokana ho ahy. Mamihina ny rehetra. # MH17
Miely ato amin'ny aterineto ny teti-dratsy momba ny fianjeran'ilay voromby, saingy hoan'ireo Malaiziana marobe, fotoana hisaonana ny fahaverezan'ireo aina tsy manan-tsiny sy hampiononana sy hampeherezana ireo fianakaviana sy ny naman'izy ireo izao.