Ho An'ireo Fianakaviana Shinoa Mbola Miandry Ny Valin'ny MH370, “Zavatra Efa Hita” Mahavaky Fo Ny Fianjeran'ny Fiaramanidin'ny Malaysia Airlines Tao Okraina

Okrainiana manatitra voninkazo, labozia ary kilalao eo am-bavahadin'ny masoivohon'i Pays-Bas ao Kiev, ny 17 Jona 2014. Zotram-piaramanaidina MH17 Amsterdam – Kuala Lumpur an'ny Malaysian Airlines MH17 nisy nanjera ny maraimben'io andro io. Sary an'i Oleksandr Ratushniak. Fizakàmanana Demotix
Nanohina fianakaviana Shinoa maro nanan-kavana tao anatin'ilay sidina MH370 an'ny Malaysia Airlines, nanjavona tamin'ny Martsa, raha niala tao Malezia ho any Shina, ny fianjeran'ilay fiaramanidin'ny Malaysia Airlines tao Okraina.
Bala afomanga no namely nampianjera ny sidina MH17 tany akaikin'i Torz ny Alakamisy teo, faritra iray fehezin'ireo mpitaky fisintahana sy mpiara-dia amin'i Rosia, araka ny nambaran'ny masoivohom-baovao Reuters. Samy miampanga ny mpifanandrina aminy ho tompon'andraikitra tamin'iny fianjerana iny ny governemanta Okrainiana sy ny mpihoko. Nisidina avy ao Amsterdam ho any Kuala Lumpur renivohitra Maleziana ilay Boeing 777.
Ho setrin'ilay loza, tamin'ny Zoma dia nilaza ny mpitondra tenin'ny Ministera Shinoa misahana ny Raharaham-Bahiny hoe : “Mahatsiaro tohina izahay taorian'ny nandrenesana ny fianjeràn'ny sidina MH17 an'ny Malaysian Airlines tao atsinanan'i Okraina. Manolotra ny fiaraha-miory sy ny fiombonana alahelo amin'ireo fianakavian'ny niharam-doza izahay. Antenainay fa tsy ho ela dia ho fantatra ny antony niteraka izany.”
Taty aoriana dia nanamafy ilay minisitra fa nisy terataniny monina ao Hong Kong maty tamin'iny loza iny.
Mbola tsy afaka ao an-tsaina ny fahatsiarovana ho an'ireo izay tsy mahafantatra ny zavatra nitranga nanjo ireo havan-tiany tao anatin'ny sidina MH370 taorian'ny nanjavonany tsy ho hitan'ny “radar” intsony ora vitsy monja taorian'ny nialàny tao Kuala Lumpur ny 8 Marsta teo. Tsy mbola hita aloha hatreto ilay fiaramanidina izay nitondra mpandeha 239 tao anatiny. Fanjavonana izay niteraka fiaraha-mientana iraisam-pirenena sy ezaka vonjy voina goavana indrindra teo amin'ny tantaran'ny sidina eny an'habakabaka.
Tsy nisy na iray aza ninoana ho velona tamin'ireo fianjerana fiaramanidina roa ireo. Nisy Shinoa 154 tao anatin'ny MH370. Ary saiky teratany avy any Pays-Bas daholo ny ankamaroan'ny tao anatin'ny MH17.
Tamin'ny fanehoankevitra momba ilay loza mahatsiravina faharoa nanjo ny fiaramanidin'ny Malaysian Airlines tato anatin'ny volana vitsy monja, ny Kaomitin'ny Fianakavian'ny tao anatin'ny MH370, kaomity natsangana tety anaty aterineto nataon'ny fianakavian'ireo Shinoa nanan-kavana tao anatiny, fotoana fohy taorian'ny loza, dia nandefa ny toy izao tao amin'ny Sina Weibo, karazana Twitter ao Shina:
Nanohina anay ihany koa ny fivoaran-draharaha mikasika ny MH17, izahay fianakavian'ny tao amin'ny MH370. Ny sasany latsa-dranomaso tsy mitsahatra eo am-panarahana tsy tapaka ny tatitra, ary mampiasa ny Wechat izahay mba hifanakalozan-dresaka mikasika ilay loza no sady mivavaka hatrany. Manantena anareo fianakavian'ny tao amin'ny MH17 mba hahery mandrakariva izahay. Nahatonga anay hanontany tena ireny lozam-piaramanidina matetitetika ireny hoe aiza ny fahazoana antoka ho an'ny sidina an'habakabaka? Tokony hiahiahy foana ve isika ary toy ny handeha hisosa amin'ireny kilalao “montagnes russes” ireny isak'izay hitaingina fiaramanidina?
Tamin'ny Zoma, nandefa hafatra fanampiny tamin'ny fiteny Anglisy ny Kaomitn'ny Fianakaviana: “Ho anay, mbola misitery ny hoe lasa aiza ireo havan-tianay. Mitohy isan'andro ny fijaliana sy tahotray.”
Nanolotra ny fiaraha-mioriny taty anaty media sosialy ireo Shinoa mpampiasa tranonkala sady maneho hevitra mikasika ilay loza mahatsiravina.
Nanampatra ny hatezerany tamin'ny Malaysia Airlines i “LovelySmile Yue” :
#马航客机被击落#MH370还没有给中国人一个交代,又来了MH17。马航,你是要告诉全世界,所有空难都被你包了吗?无奈,逝者安息吧!
Fiaramanidina Maleziana voatifitra nianjera. Mbola mila manome valiny ho an'ny Shinoa ny MH370, dia izao sahady ny fianjeran'ny MH17. Malaysian Airlines, miezaka miteny amin'izao tontolo izao ve ianareo fa ianareo no tompon'ny fianjerana fiaramanidina eto amin'izao tontolo izao? Tsy misy azonay atao, handry am-piadanana anie ireo namoy ny ainy!.
Ny hafa, toa an'ilay mpitondra teny fahiny tao amin'ny Ministeran'ny Fanabeazana, Wang Xuming, dia nomba ilay kaompania, izay ianjadian'ny kiana sy ny olana ara-bola tsy mitsaha-mitombo ankehitriny :
马航一客机在乌克兰坠毁,在我们对遇难者表示哀悼和对他们的亲属表示慰问和同情的同时,让我们又想起了那架同样是马航的失联飞机。同一个国家、同一个航空公司短短的时间内发生了同样的空难,命运啊命运,这是怎样的命运!所以,同情马来西亚,同情马航,同情所有因命运而不幸的人们。
Fiaramanidina iray hafa mpitatira olona no nianjera tao Okrana. Eo am-panolorana ny fiaraha-miorintsika amin'ny havan'ireo mpandeha tao anatiny, ilay loza dia mampahatsahy antsika ilay fiaramanidina Maleziana iray nanjavona ihany koa. Fianjerana fiaramanidina nanjo zotram-pitaterana anà firenena iray ihany tao anatin'ny fotoana fohy. Lahatra, karazana lahatra toy inona loatra ity! Noho izany, miombona amin'ny Malezia sy ny Malaysian Airlines aho ary ireo izay, indrisy, namoy ny ainy.
“Nianzihan Magical” avy ao Beijing nanoratra hoe:
坠落瞬间的惊恐和挣扎,是我们这些坐在电视机前的看客难以体会的。人如蝼蚁,那一刻终于才不分什么头等公务经济舱,共同面对命运的残忍。逝者一路走好
Ny horohoro sy ny tolona rehefa mitsotsorika mamonjy ny tany [ny fiaramanidina] no azontsika omena dikany rehefa isika ilay mipetraka manoloana ny fahitalavitra iny. Toy ny vitsika ny olombelona, ary io no fotoana tsy ahitàna fahasamihafàna eo amin'ny hoe kilasy voalohany sy ny kilasy antonony (moramora kokoa), tsy maintsy miara-miatrika loza iray iraisany ny mpandeha rehetra. Handry am-piadanana anie ireo rehetra namoy ny ainy.
Meiyutang, mpiasa ao amin'ny gazety nasionalista Global Times, nandefa fisaintsainana momba ny ho fiantraikan'ilay fianjeràna amin'ny fanohanan'i Rosia an'i Shina:
几个朋友分析认为,乌东部武装击落飞机的可能性较大,但蓄意可能性较小,误伤可能性较大。若是如此,即便误伤,也必遭严惩;而俄罗斯从此会被更加孤立,中国与俄罗斯开展外交,在国内舆论得到的支持度,也恐怕会大大降低…
Araka ny fandalinana sasany avy amin'ireo namako, mety ho ireo hery [mpihoko] any atsinanana no nitifitra nanjera ilay fiaramanidina, saingy toa sahala amin'ny fihetsika niharo tsy fitandremana ihany ilay izy fa tsy tena niniana natao. Na dia hetsika tsy fitandremana aza iny, ho faizina [ireo izay tomponandraikitra] ; hitoka-monina bebe kokoa i Rosia amin'ny hoavy ary ny kabary imasom-bahoaka ataon'i Shina dia hiala lavitra amin'ny fanohanana an'i Rosia rehefa manatenteraka ny diplaomasiany ny firenena.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...