Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

20 Jolay 2014

Tantara tamin'ny 20 Jolay 2014

Ny Fanovana Wikipedia 7000 Nataon'ny Governemanta Rosiana

Akon'ny RuNet

Nihoatra ny folo taona izao, dia tompon'andraikitra tamin'ny fanitsiana (fanovana) im-7000 ny lahatsoratra ao amin'ny habaka Wikipedia amin'ny teny rosiana ny adiresy IP an'ireo sampan-draharaham-panjakana rosiana isan-karazany.

Tsy Tian'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Anti-Gay ao Jamaika Ny Antsoina Hoe Mpankahala Pelaka

Niala an-daharana mba tsy hopetahana anarana "hômôfôby" ireo vondrona manohitra izay mety ho fanafoanana ny lalàna manohitra ny sodomia tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahan-tany. Nilaza kosa ireo bilaogera ao Karaiba fa rehefa hômôfôbia dia hômôfôbia.

Sary 4 Ahitana Ny Zavakanto Andalambe Nataon'ilay ‘Banksy Iraniana’ Manandra-Peo Amin'ny Fiainana Ankehitriny any Iran

Nalaza tao amin'ny media sosialy ny asan'ilay tsy fantatra anarana Black Hand . Maneho hevitra tsindraindray amin'ny tranga any Gaza sy ny lohahevitra manahirana any Iran, tahaka ny zon'ny vehivavy ny sarin'ilay artista.

Ady, Politika Ary Loza Mahatsiravina: Ny MH17 An'ny Malaysian Airlines Nianjera Tao Okraina

MH17 : Any Singapore, heverin'ny sasany fa tsy firaharahiana loatra ny hafatra nalefan'ny Singapore Airlines ka nahatonga ilay orinasa ho lasibatry ny tsikera ety anaty aterineto

Nomelohina Ho Manao Fampihorohoroana Tao Etiopia Ireo Bilaogeran'ny Zone 9

Nolavin'ireo bilaogera sy mpanoratra gazety sivy ireo fiampangana azy, amin'ny 8 Aogositra indray ny fotoam-pitsarana azy ireo manaraka.

Volana Vitsy Monja Taorian'ny Fanjavonan'ny Zotra MH370, Tafintohina Tamin'ny Fianjerana Voromby Iray Tao Okraina Indray Ny Malayziana

Mpiasa mpandray sy mpikarakara mpandeha ao amin'ny Malaysia Airlines, nanipika momba ny aina nafoy tamin'ny zotra MH17 sy ny MH370, ary nizara sary tao amin'ny Twitter sy Instagram: "Very namana teo amin'ny 30 teo aho tao anatin'ny efa-bolana."

Ho An'ireo Fianakaviana Shinoa Mbola Miandry Ny Valin'ny MH370, “Zavatra Efa Hita” Mahavaky Fo Ny Fianjeran'ny Fiaramanidin'ny Malaysia Airlines Tao Okraina

Mbola tsy afaka ao an-tsaina ny fahatsiarovana ho an'ireo izay tsy mahafantatra ny zavatra nitranga nanjo ireo havan-tiany tao anatin'ny sidina MH370 taorian'ny nanjavonany tsy ho hitan'ny "radar" intsony ora vitsy monja taorian'ny nialàny tao Kuala Lumpur ny 8 Marsta teo