Nandritra ny andro hatry ny nisian'ny fanafihana Israeliana farany indrindra an'i Gaza, nipongapongatra tany amin'ny tanàna maro manerana izao tontolo izao ny hetsika ho fanohanana an'i Palestina sy hampitsaharana ny fanafihana mandeha ankehitriny. Ho fankatoavana ny filàna fiaraha-mientana, dia nisy (kaonty) Tumblr iray natsangana [1] hanangonana tahirinkevitra amin'ireo fihetsiketsehana ireny. Ilay kaonty, izay tsy ahitana fanononana anarana, dia mametraka fa ny tanjony dia ny hanangona “Sary, lahatsary, ary tati-baovao avy any amin'ny fihetsiketsehana maneho firaisankina amin'i Palestina mandritra ny fanafihana misy amin'izao fotoana izao sy ny fanasaziana itambarambe.” Ireto sary ireto dia ny vitsivitsy monja amin'ireo fihetsiketsehana nitranga tany amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao.
Mijoro Miaraka Amin'i Palestina Izao Tontolo Izao: Hetsika Amin'ny Kaontinanta Rehetra
· Mpanoratra Jillian C. York Nandika Andriamifidisoa Zo
Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Saripika, Zon'olombelona