Nandritra ny andro hatry ny nisian'ny fanafihana Israeliana farany indrindra an'i Gaza, nipongapongatra tany amin'ny tanàna maro manerana izao tontolo izao ny hetsika ho fanohanana an'i Palestina sy hampitsaharana ny fanafihana mandeha ankehitriny. Ho fankatoavana ny filàna fiaraha-mientana, dia nisy (kaonty) Tumblr iray natsangana hanangonana tahirinkevitra amin'ireo fihetsiketsehana ireny. Ilay kaonty, izay tsy ahitana fanononana anarana, dia mametraka fa ny tanjony dia ny hanangona “Sary, lahatsary, ary tati-baovao avy any amin'ny fihetsiketsehana maneho firaisankina amin'i Palestina mandritra ny fanafihana misy amin'izao fotoana izao sy ny fanasaziana itambarambe.” Ireto sary ireto dia ny vitsivitsy monja amin'ireo fihetsiketsehana nitranga tany amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao.

“Hetsi-panoherana ny Mondialy lasa fihetsiketsehana Gaza.” – 12 Jolay 2014.”

Kabul, Afghanistan – 13 Jolay 2014.

Hyderabad, India – 13 Jolay 2014.

Helsinki, Finland – 12 Jolay 2014.

Istanbul, Torkia – 12 Jolay 2014.

San Francisco, CA (Etazonia) – 12 Jolay 2014.

Seoul, Korea Atsimo- 12 Jolay 2014.

The Hague, Holandy – 12 Jolay 2014.

Japan – 12 Jolay 2014.

“Anio, manohana ny Palesitiana izay miaritra ny fananiham-bohitra ny vahoakan'i Afrika Atsimo. Niteny i Nelson Mandela indray mandeha “Fantatray tsara fa tsy feno ny fahafahanay raha tsy afaka ny Palestiniana.” Koa androany izahay nijoro ho feon'ireo tsy re feo.” – 13 Jolay 2014.

Indonezia – 12 Jolay 2014.

“Mpanao fihetsiketsehana ao Montreal mitazona ny saina palestiniana lava indrindra eto an-tany mandritra ny fihetsiketsehana firaisankina amin'i Gaza tamin'i Zoma 11 Jolay 2014.”

Maldives – 12 Jolay 2014.

Tunis, Tonizia – 13 Jolay 2014.

Valparaiso, Shily – 12 Jolay 2014.

Berlin, Alemaina – 12 Jolay 2014.

Canberra, Aostralia – 18 Jolay 2014.

“Tamin'ny 12 jolay nisy vondron'olona nanomana fihetsiketsehana mangina tao Krakow – ho firaisankina amin'i Gaza. Nataon'ny mpanao fihetsiketsehana vita pirinty ny anaran'ny ankizy maritiora ao Gaza mandritra ny Bemidina “Sisim-Piarovana”.”