Voromby nitondra mpandeha 295 no nidaraboka tao Atsinanan'i Okraina. Miampanga ireo mpisintaka mitam-piadiana manana balafomanga fitifirana an'habakabaka avy ety an-tanety rosiana ny governemanta Okrainina. Nandà ho tsy tompon'andraikitra tamin'izany ireo mpioko ao Okraina. Noho ny tsy fananana afa-tsy lahatsary Youtube manjavozavo sy fifanamelohana misavovona haingana dia haingana, dia tafiditra ao anatin'ny hotakotaka tanteraka ny Rosiana mpiserasera.
Теперь всем пиздец.
— Kashin⚓Kashin⚓Kashin (@KSHN) July 17, 2014
Potika daholo ny zava-drehetra
Это полнейший пи-ц
— Alya Kirillova (@lubopitner) July 17, 2014
Fahadalàna tanteraka ity.
Malaza ho volana mihoso-drà eo amin'ny tantaran'ny Rosiana ny volana Aogositra. Ahitana fianjerana fiaramanidina, ady, fanafihana fampihorohoroana, loza voajanahary sy ny sisa ireo lasibatra taloha tamin'ny Ozon'ny Aogositra. Leo an'izany hevitra izany ny Rosiana sasany.
Только, пожалуйста, не надо про “август в этом году рано начался”
— Zlata (@prervana) July 17, 2014
Azafady, aza atomboka amin'ny “tonga aloha be tamin'ity taona ity ny volana Aogositra”
Maro ireo mpiserasera no nizotra ho azy nankany amin'ny fehin-kevitra fa ny mpisintaka no nidaroka ilay voromby, mety noho ny tsinahy, noho ny fampiasana fitaovam-piadiana avy any Moskoa.
В СНБО Украины заявляют,что имеют информацию о технике, которая находится в распоряжении боевиков и может сбивать самолеты на большой высоте
— Тихон Дзядко (@tikhondzyadko) July 17, 2014
Manambara ny vaomieram-piarovana nasionalin'i Okraina fa manana fampahafantarana momba ny fitaovana ara-miaramila azon'ny mpikatroka [ao atsinanana] ampiasaina, izay mahavia manjera voromby amin'izao fahalavirana ambony dia ambony izao.
Mazava loatra fa tsy ny rehetra no vonona hitazona ny mpioko ho tompon'andraikitra. Faingana dia faingana nanaraka an'i Dzyadko ilay fanta-daza Pro-Kremlin antsoina hoe Konstantin Rykov, izay niampanga an'i Dzyadko ho haingana loatra amin'ny fitsarana.
Дзядко уже провел расследование и нашел виновных pic.twitter.com/2EodbjiRTX
— Константин Рыков (@rykov) July 17, 2014
Efa nahavita famotorana sahady i Dzyadko ary nahita hoe iza no meloka. [toy izao ny fivakiin'ny siokan'i Dzyadko, “Ary dia nataon'ny ‘mpitolona’ tokoa izy ity tamin'ny alalan'ny fiadiana avy any Rosia.”]
Ny hafa nanontany hoe fa maninona aloha ny sidina sivily no miampita ambonin'ny faritra an'habakabaka fehezin'ny mpioko ao Okraina.
Зона АТО закрыта для полетов гражданских судов, что делал там Боинг? pic.twitter.com/t8YQUA26NV
— Новороссия (@NovorossiaNews) July 17, 2014
Mikatona ho an'ny sidina sivily ny faritra hamelezana ny mpampihorohoro. Ka inona no ataon'iny Boeing iny any?
Mazava loatra fa rehefa misy ny fisalasalana, dia misy hatrany ireo mahita rariny amin'ny fiampangana an'i Etazonia. Indrindra moa rehefa maro ny Rosiana no mahatsiaro tranga iray efa mihoatra ny 30 taona izao—Korean Air Lines Flight 007, izay notifirin'ny voromby sovietika mpiady tao andrefan'ny nosy Sakhalin tamin'ny 1983, izay niteraka fifanenjanana teo amin'i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika.
Американцы никакие солдаты. Но они мастера провокаций. Война на востоке проиграна, поэтому им пришлось сбить малазийский самолет.
— Дмитрий Aгрaновский (@Agranovskiy) July 17, 2014
Tsy miaramila ny Amerikana, fa kinga amin'ny fanaovana fihantsiana. Tsy azo ny ady aty Atsinanana, ka nanapa-kevitra ry zareo ny hitifitra fiaramanidina Malayziana.
Ужасная трагедия с малазийским боингом. И, почему-то, мне все это сильно напоминает американскую провокацию с южнокорейским самолетом в 80-х
— Тигран Кеосаян (@KeosayanTigran) July 17, 2014
Tena voina mampihoron-koditra ity tantaran'ny Boeing Malayziana ity. Ary noho ny antony sasantsasany dia mampahatsiahy ahy ny fihantsiana nataon'ny Amerikana tamin'ny voromby Koreana Tatsimo tamin'ny 1980s izy ity.
Efa mivoatra haingana dia haingana ny antsipiriham-baovao momba ny fanafihana sy ny fanisana ny maty, fa tsy misy mahafaninana ny halakin'ny teorian'ny tsikombakomba mameno ny Twitter. Fa ao amin'ny tontolo misara-bazana sy mora tezitra ao amin'ny adihevitra an-tserasera momba ny mpioko ao Okraina, dia angamba tsy hanam-bintana ny hivoaka velively ny marina.