Tantara tamin'ny 19 Jolay 2014
Mijoro Miaraka Amin'i Palestina Izao Tontolo Izao: Hetsika Amin'ny Kaontinanta Rehetra
Nipongapongatra tany amin'ny tanàna maro manerana izao tontolo izao ny hetsika ho fanohanana an'i Palestina sy hampitsaharana ny fanafihana mandeha ankehitriny. Indreto ny sary sasantsasany amin'izany.
Potehin'ny Polisy ao Bangladesh Ny Voankazo Manga Vokatra Fa Misy Formaldehyde
Raofin'ny polisy sy potehiny ny garaba feno manga satria ambony loatra ny tahan'ny formol, taharon'ny formaldehyde atsifitra amin'ny voankazo mba hahaela kokoa ilay voankazo tsy ho lò.
Shily, Toeram-ponenana Ho An'ny Vondrom-piarahamonina Palestiniana Goavana Indrindra Any Ivelan'ny Tontolo Arabo, Manainga An'i Israely Hampiato Ny Daroka Baomba Ao Gaza
Mifampiantso ireo vondrom-piarahamonina Palestiniana sy Jiosy mba hampiaka-peo manoloana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, raha ireo politisiana kosa miantso ny governemanta handeha lavidavitra kokoa amin'ny fanamelohany ny zera baomba ataon'i Israely.
Mitarika Ireo Mpianatra Baloutche Amin'ny Fitakiany Ny Fahaleovantena Amin'i Pakistana Ity Vehivavy Ity
Miatrika fanamby maro ireo vehivavy ao Baloutchistan, isan'izany ny fiarahamonina izay manome lanja mavesatra ny raim-pianakaviana ka anjakan'ny lehilahy, ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa ho an'ny fampianarana sy ny haivan'ny taham-pahaizana mamaky teny sy manoratra eo amin'ny vehivavy.
Fihetseham-Po Rosiana Voalohany Tamin'Ilay Voromby Nazera Tao Okraina Atsinanana

Nisy voromby nidaraboka tao Okraina. Noho ny tsy fananana afa-tsy lahatsary Youtube mangorovitsika sy fifanamelohana misavovona haingana dia haingana, dia tafiditra ao anatin'ny hotakotaka tanteraka ny mpiseran'i RuNet.
Tsy Hita An-tserasera Ny Fiarahamonina Afrika Atsimon'i Sahara Sasany. Te-hanova Izany Ny ‘Kumusha Takes Wiki’

Tetikasa fitaratra miasa miaraka amin'ny fiarahamonina ao an-toerana ao Afrika ny Kumusha Takes Wiki hampihena ny hantsana ara-baovao sy hanitsy ny fahadisoan-kevitra ananan'ny vahiny momba ny kaontinanta.
Ireo Fanehoankevitra 5 Faran'izay Tsy Miraharaha Indrindra Ny Fidarabohan'ny Sidina MH17 Tao Okraina

Ao anatin'ny fihetsehampo tafakatra avo dia avo, misy fanambaràna henjana azo isaina amin'ny rantsan-tànana, nalefan'ireo olo-malaza avy ao Maosko sy Donetsk, nahasarika ny sain'ireo Rosiana mpisera amin'ny aterineto