Nahitsin'ny TV -mpanjakana Rosiana Ny Tao Amin'ny Wikipedia Mba Hanamelohana An'i Okraina Mikasika Fidarabohan'ny Sidina MH17

The war in Ukraine moves to Wikipedia. Images mixed by author.

Mikisaka any anaty Wikipedia ny ady ao Okraina. Sary nafangaron'ny mpanoratra.

Andro iray taorian'ny fianjerana nampihoron-koditra nanjo fiaramanidina iray tany atsinanan'i Okraina, namoizana ain'olona efa ho 300 latsaka, mafotaka ny fanehoan-kevitra mikasika ny hoe iza no meloka tamin'ny fitifirana ilay fiaramanidina. Samy mifanilika andraikitra daholo ireo mpitarika ao Okraina, Rosia ary hatramin'ireo mpitaky fisintahana ao Donetsk. Tao Kiev, ny filoha Poroshenko dia nanameloka ireo mpihoko any atsinanana sady nanakiana an'i Rosia ho manozongozona ny any an-tsisintany. Ao Maosko, nilaza i Vladimir Putin fa tsy tompon'antoka na kely akory aza amin'izay miseho any Okraina i Kiev. Ireo mpitarika tsy mbola ara-dalana ny Donetsk indray mandà ny fisian'ny andraikiny tamin'ny famelezana ny MH17 an'ny Malaysiana Airlines, amin'ny filazàna hoe tsy maintsy ho ny Tafika An'habakabaka Okrainiana no namely ilay fiaramanidina.

Tsy atao mahagaga, ankehitriny mivoaka sy tonga any anaty Wikipedia ny lalaon'ny fifanilihana, toerana itoloman'ireo mpanitsy votoaty mba handraketany ireo adihevitra izay tena mampiseho tsara ny zoro isankarazany ijereny ilay tantara. Vao maraina tamin'ity maraina ity, ny fampidirana ho an'ny Wikipedia amin'ny fiteny Rosiana momba ny lozam-piaramanidina manao sidina ara-barotra dia nampiantrano karazam-pifandonana toy izany rehefa nisy olona manana adiresy IP avy any Kiev nanitsy ny filazàna momba ny MH17 hitenenana fa ny “mpampihorohoro” avy amin'ireo nitonon-tena ho Repoblika Entim-bahoakan'ny Donetsh no nanjera ilay fiaramanidina taminà bala afomanga BUK, azon'ireo mpampihorohoro avy tamin'i Federasiona Rosiana.” Tsy ampy ora iray taorian'izay, nosoloin'olona iray manana adiresy IP avy any Maosko tamin'ity fehezanteny ity ilay soratra, “Ny tafika Okrainiana no nitifitra ilay fiaramanidina.”

Noho ny “bot” Twitter iray izay manantsinkafona ireo fanitsiana tsy mitonona anarana atao ao ami'ny Wikipedia avy amin'ireo adiresy IP ampiasain'ny governemanta Rosiana, fantatray fa avy aminà solosaina iray ao amin'ny VGTRK no niavian'ny fanitsian-dahatsoratra iray momba ny MH17, VGTRK ilay Orinasam-panjakana misahana fampielezampeo sy fahitalavitra maharakotra an'i Rosia manontolo.

Nhitsin'ny VGTRK ny lahatsoratra iray tao amin'ny Wikipedia momba ilay lozam-pitateram-piaramanidina manao asa ara-barotra.

VGTRK dia toy ny trano fonenan'i Dmitri Kiselyov, izay fantatra , na tsy ofisialy aza, fa lehiben'ny fampielezan-kevitr'i Kremlin. Nalaza i Kiselyov noho ireo kiana mivaivay avy aminy ho an'ny governemanta ao Kiev sy Washington. Nandritry ny krizy tao Krimea, nibontsibontsina indray tao amin'ny fahitalavitra i Kiselyov niteny ny hoe mbola i Rosia aloha izao no “hany manana fahafahana mamadika an'i Etazonia ho vovoka misy taratra mahafaty.” Tamin'ny Jona, mpanao gazety roa tao amin'ny VGTRK no maty tany akaikin'i Luhansk taorian'ny nahavoan'ny baomba azy ireo rehefa nanara-dia ireo mpihoko. Nadiya Savchenko, ilay vehivavy mpanamory angibimby azon'ireo mpitaky fisintahana ho babo tao Okraina ary nafindra tany Voronezh tany ampiandohan'ity volana ity, dia any aminà toeram-pihazonana Rosiana no tànana, voampanga ho nandray anjara taminà fanafihana nahafaty ireo mpanangom-baovaon'ny VGTRK.

Ilay kaonty Twitter nahatsikaritra ny fihetsiky ny VGTRK ety anaty aterineto, @RuGovEdits, dia namolavola “bot” iray hafa, @CongressEdits, izay mihaza ireo fanitsiana atao ao amin'ny Wikipedia ataon'ireo adiresy IP avy ao amin'ny Kaongresy Amerikana. Ny rindrambaiko ho an'ny CongressEdits, noforonin'i Ed Summers, dia rindrankajy misokatra malalaka ary azo amboarina mora foana hifanaraka amin'izay ilàna azy mba hanara-maso ireo fanitsiana tsy mitonona anarana avy amin'ny IP rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.