- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toy Ny Nanombohany ihany No Nifaranan'ny Amboara Erantany Tao Brezila — Miaraka Amin'ny Entona Mandatsa-dranomaso, Grenady Mankarenina Ary Herisetran'ny Polisy

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Foto de Mauricio Campos dos Santos, usada com permissão [1]

Mpanao fihetsiketsehana manandrana ny mamakivaky an'i. Sary an'i Mauricio Campos dos Santos, nahazoana alàlana

Tsy nahomby ho fanakiviana ireo Breziliana tsy hanao hetsi-panoherana tao Rio nandritry ny fifaninanana ireo fisamborana ‘ho fampitandremana’ natao an'ireo mpikatroka mafàna fo [2]tamin'ny hariva nialoha ny lalaon'ny Amboara Erantany teo amin'i Alemaina sy Arzantina. 

Olona an-jatony maro manohitra ny fandaniana nihoam-pampana nentina nanao ilay hetsika no voavory tamin'ny famoriam-bahoaka iray. Araka ny efa nandrasan'ireo mpikatroka mafàna fo, notsenaina tamin'ny entona mandatsa-dranomaso, grenady mankarenin-tsofina ary polisy mitondra kibay ilay hetsi-panoherana.

Tsy nahavita nandeha nankao amin'ny kianja Maracana ireo mpanao hetsi-panoherana, kianja nanaovana ny lalao famaranana, noho ny fefy nataon'ny polisy [3]nibahana ilay faritra. Tamin-kery no nanosehana ireo andrana rehetra hamakiana ny sàkana [4]. Na ny polisy mitaingin-tsoavaly, polisy mitondra sabatra [5] aza, dia nampiasaina hanohitra ireo mpanao hetsi-panoherana.

Niteny ireo mpikatroka mafàna fo sy mpanao gazety fa nodarohana sy nodakan'ireo polisin'ny tafika [6] ry zareo. Ilay Kanadiana mpamokatra sarimihetsika, Jason O'Hara, dia nodakanà manamboninahitry ny polisy nandalo teo ary nangalarina ny kamerà GoPro nipetaka tamin'ny aroloha nanaovany, hoy ny tatitry [7]ny gazety A nova democracia (Ny Demaokrasia Vaovao). Voarakitr’ [8] ilay gazety ny famoretana, ary azo jerena ao amin'ny Youtube ilay lahatsary.

Mpikatroka mafàna fo iray hafa no nodakàn [9]‘i Rogério Costa de Oliveira, manamboninahitra iray ao amin'ny polisin'ny tafika, izay efa nampangain'ireo hetsika sosialy ho nanao herisetra tamim-behivavy nandritry ny fihetsiketsehana tany aloha, ary voarakitr'i Tandy Firmino anaty lahatsary ao amin'ny Youtube ihany koa izay fotoana izay :

Araka ny filazan'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Rio de Janeiro, 15 raha kely indrindra ireo mpanao gazety niharan'ny herisetra [10] nataon'ny polisin'ny tafika nandritra ireo hetsi-panoherana. 

Ny fiaraha-mientana Midia Ninja dia nanao lisitra [11] misy ireo hafa naratra:

O jornalista Felipe Peçanha, Mídia Ninja, foi cercado por 8 policiais, teve sua lente quebrada e sofreu agressões enquanto transmitia os cuidados médicos ao Jason O'hara.

A documentarista Aloyana Lemos, MIC, foi detida enquanto registrava as agressões à manifestantes no ato até então pacífico na praça Saens Peña, Tijuca. Aloyana está sendo encaminhada para a 21º DP.

O fotógrafo Bernardo Guerreiro, Mídia Ninja, teve sua lente quebrada e foi agredido com spray de pimenta no olho de curta distância.

Ny mpanao gazety, Felipe Peçanha, Midia Ninja, dia nohodidininà polisy niisa valo, vaky ny fitaratry ny kamerà-ny ary niharan'ny herisetra izy raha iny nandrakitra an-tsary ny zava-nanjo an'i Jason O'Hara iny tamin'ity farany nokarakarain'ireo mpitsabo.

Aloyana Lemos mpamokatra sarimihetsika, MIC, nosamborina raha teo ampandraketana an-tsary ny herisetra natao an'ireo mpanao hetsi-panoherana izay teo ampanaovana hetsika am-pilaminana tamin'izay fotoana izay, tao amin'ny kianjan'i Saens Peña, Tijuca. Nalefa any amin'ny departemanta faha-21 -n'ny polisy i Aloyana.

Bernardo Guerreiro mpaka sary, Midia Ninja, vaky  ny fitaratry ny kamerà-ny ary niharan'ny herisetra tamin'ny fitifirana dipoavatra tany amin'ny masony taminà elanelana faran'izay akaiky.

Manifestantes tentam caminhar em direção ao Maracanã. Foto do Coletivo Mariachi, uso livre. [12]

Mpanao hetsi-panoherana manandrana mamonjy an'i Maracana. Sary an'ny Fikambanana Mariachi

 

Tamin'ny toe-draharaha sasany, nosakan'ny polisy tsy hiala ny faritra ireo mpanao hetsi-panoherana sy mpanangom-baovao. Namintina [13]ny zava-nitranga i Tamara Cardoso, mpanao gazety :

estou sendo mantida refém pela polícia.

Identificada como jornalista, dentro de um carro identificado como um carro de reportagem, não posso sair da praça Saens Pena.

Ta bom ou precisa mais?

Tànan'ny polisy ho takalon'aina aho.

Fantatra amin'ny maha-mpanao gazety, tao anaty fiara iray fitondra manangona vaovao, tsy azoko natao ny niala ny kianja Saens Pena.

Ampy ve izay sa mbola mila bebe kokoa ianareo?

Foto de Camila Nóbrega - Canal Ibase [14]

Sary an'i Camila Nóbrega – Canal Ibase

Ny Rede de Comunidades e Movimentos Contra a Violência (Tambajotran'ireo Vondrom-piarahamonina sy Hetsika Manohitra Herisetra) dia nandefa [14] sary iray avy amin'i Camila Nobrega, mpanao gazety avy amin'ny ONG “Ibase” ahitàna ireo mpanao hetsi-panoherana mampiasa ny vatan'izy ireo hanoratana ny antso vonjy hoe “SOS”:

“SOS”. É a mensagem que pessoas encurraladas pela polícia nas imediações do Maracanã acabam de escrever no chão da rua Desembargador Isidro, na Tijuca: um pedido de socorro. Após reprimir de forma truculenta a manifestação que ocorria no entorno da Praça Saens Pena, a Polícia Militar fez um cerco em todas as ruas do local, impedindo a circulação. Cerca de mil pessoas estão “presas” nas ruas da Tijuca, cercadas de policiais.

“SOS”. io no hafatra nodradrain'ireo olona tratry ny fandriky ny polisy tao akaikin'i Maracana, araben'i Desembargador Isidro ao [amin'ny manodidina an'i] Tijuca: antso vonjy. Taorian'ny nandravàny an-kerisetra ny hetsi-panoherana izay nitranga tao akaikin'ny kianja Saens Pena, nataon'ny polisin'ny tafika fahirano ny lalankely rehetra tany, hisorohana ny hisian'ny hetsika. An'arivony teo ho eo ireo olona “nihitsoka” tany anatin'ireny làlana ireny tao Tijuca, voahodidin'ny polisy.

Ilay injeniera, Maurício dos Santos, dia nampakatra andian-tsary [15] mampiseho ireo toerana nitrangan'ny tantara ary naneho hevitra tao amin'ny Facebook:

PM fecha metrô, joga bombas, destrói faixas e cartazes, espanca pessoas e transforma a Praça Saens Peña em praça de guerra. Nessa praça jaz a democracia.

Nakaton'ny polisin'ny tafika ny fitaterana an-dalamby ambanin'ny tany, alefany ny baomba, simbainy ny sorabaventy sy ny saribe, darohany ny olona ary navadiny ho faritra misy ady ny kianja Saens Peña. Mitsiràra ao amin'ity kianja ity ny demaokrasia.

Raha kely indrindra dia olona fito no voasambotra, hatramin'ny zaza tsy ampy taona, hoy ny tatitry [16]ny Fikambanana Mariachi ao amin'ny Facebook. Nandefa lahatsary tao amin'ny Facebook ny mpikatroka mafàna fo Paula Kossatz [17] sy  Anna Baptista Marim, [18] ahitàna ireo fotoana namelezan'ny polisy ireo mpanao hetsi-panoherana izay toa tsy nisy fampiomànana akory. 

 

Nanoritsoritra ny zavatra noraketiny an-tsary [18] i Baptista Marim :

PM ataca passageiros no metrô.
Minutos antes deu apanhar:
Durante muitas bombas, prisões e porradarias de PMs com cacetete na praça Saens Pena, eu e meu marido fomos os últimos a conseguir entrar na estação cheia de gás.
Ficamos filmando a caça da polícia que tentava identificar quem era manifestante e quem não era.
Nosso grande crime, merecedor de muita porrada, foi ter ficado filmando a ação da PM. Por isso que é dificil encontar vídeos denunciando a covardia da policia.

Manafika ireo mpandeha any anaty fitaterana an-dalamby ambanin'ny tany ny polisin'ny tafika.
Minitra vitsy talohan'izay no voadaroka aho:
Tanaty fandefasana baomba maro, nisy ny fisamborana sy fidarohana nataon'ny polisy tamin'ny kibay tao an-kianja Saens Pena, izaho sy ny vadiko no farany tafiditra tao anatin'ilay toby fandraisana fiaran-dalamby ambanin'ny tany efa hipoka olona.
Noraketinay an-tsary ny ezaky ny polisy hikaroka hoe iza no mpanao fhetsiketsehana na tsy izy.
Ny heloka be vitanay, izay tsy mendrika velively ny hanaova herisetra toy ireny, dia ny nandraketanay an-tsary ny hetsiky ny polisy. Izany no antony mahasarotra be ny hahitàna lahatsary miampanga ny habibiana vitan'ny polisy.

Raha toa ny Alemàna nankalaza ny fandreseny nanoloana an'i Arzantina tao amin'ny kianjan'i Maracana, ny polisy sy  ny mpanao hetsi-panoherana kosa nifandona taty ivelan'ny kianja, tsy nisy vàlaka tamin'izay niseho tamin'ny fiadiana izay ho tompon-dakan'ny federasiona natao tamin'ny taona lasa. André Dahmer, mpanao sariitatra, mpanoratra ilay tantara an-tsary mahatsikaiky Malvados (Masiaka) no nanome endrika [20] ny zavatra nanjo ireo olona izay manao hetsi-panoherana ao Brezila amin'izao androntsika izao : “Nitady izay hamoahana ny alaheloko ny ekipan'i Arzantina aho, saingy na iza na iza manao fihetsiketsehana dia samborina.”