Tantara tamin'ny 18 Jolay 2014
Mandrava Trano Fiangonana Sy Manaisotra Ireo Lakroà Sasany I Shina, Nefa Milaza Fa Tsy Mamely Ny Kristianisma
Nandrava tranobe fiangonana maherin'ny 10 ny manampahefana Shinoa ary nanaisotra lakroam-piangonana an-jatony tao amin'ny faritry Zhejiang
Nahitsin'ny TV -mpanjakana Rosiana Ny Tao Amin'ny Wikipedia Mba Hanamelohana An'i Okraina Mikasika Fidarabohan'ny Sidina MH17
Olona avy ao amin'ny VGTRK, orinasa fampielezampeo sy sary tantanan'ny fanjakana Rosiana, no nanitsy ny fampidirana iray natao tao amin'ny Wikipedia mikasika ilay Sidina MH17 Maleziana mba hanamelohana ny governemanta ao Kiev.
Toy Ny Nanombohany ihany No Nifaranan'ny Amboara Erantany Tao Brezila — Miaraka Amin'ny Entona Mandatsa-dranomaso, Grenady Mankarenina Ary Herisetran'ny Polisy
Voatahirin'ireo mpikatroka mafàna fo ao anaty lahatsary ireo polisy midaroka tsy nisy fampiomànana an'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ireo mpanao gazety.
Tsy Tian'ny Tranomboky Singaporeana Hovakian'ny Ankizy I Tango Sy Ny Rainy Roa Mifankatia
Noraràn'ny Holafitry ny Tranom-bokim-pirenena (NLB) sy nopotehiny ny kopian'ireo boky telo hoan'ny ankizy izay miresaka momba ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana sy ny fananganan-jaza taorian'izy nahazo fitarainana fa "tsy manohana ny fianakaviana" ireo boky.
Te-hahazo Vaovao Betsaka Avy Ao Israely sy Gaza Amin'izao Fotoana Izao? Mety Hanampy Anao Ireto Lahatsary Dimy Ireto
Manolotra adian-dahatsary fohy manazava mikasika ny ady eo amin'i Israely sy Gaza ny AJ+, fantsom-baovao antseraseran'ny Al Jazeera. Palestiniana 200 eo no eo no namoy ny ainy hatramin'izao.
Mitabataba Izao Tontolo Izao Hoe #FreeAlexSodiqov (Avotsory i AlexSodiqov) Nandritra Ny Fiaretan-tory Manerantany
Tsy mpitsikilo Britanika i Alexander Sodiqov, mpikambana ato amin'ny Global Voices. Hetsika iraisam-pirenena ny #FreeAlexSodiqov (Avotsory i Alex Sodiqov). Manaporofo izany ity hetsika ity - iray volana taoriana ny fisamborana azy.
Ny Maleziana Sy Ny Fidarabohan'ny MH17 : “Tsy ijerena Zom-pirenena, Iray Isika Ao Anaty Fahoriana”
Nidaraboka tany atsinanan'i Okraina ny zotra MH17 an'ny Malaysia Airlines niainga tao Amsterdam ho any Kuala Lumpur, tamin'ny Alakamisy hariva. Nitondra mpandeha 298 ilay fiaramanidina ankoatra ireo mpanamory sy ny mpanampy azy.
Ireo Amerikana Mainty Ve No Taitra Kokoa Amin'ny Resaka Fiaviana Raha Mitaha Amin'ireo Mainty Avy Any Karaiba?
Lazain'ilay bilaogera, Aidan Neal, fa ny Amerikana mainty no "tena iharan'ny tsy rariny amin'ny resaka fanavakavahana ka mahatonga azy ireo saika manana fitondrantena manafintohina ny ankamaroany," raha tsy lohahevitra mahazatra kosa izany ho an'ny fifanakalozan-dresaka any Karaiba.
Vaovao Mafàna: Manomboka Fanafihana An-tanety Ao Gaza i Israely
Nanomboka niditra ao Gaza ny tafika Israeliana, andro folo taorian'ny daroka baomba izay nahafatesana Palestiniana 200 mahery. Mitranga ity firotsahana an-tanety ity taorian'ny nandàvan'ny Hamas, izay mitondra ao Gaza, ny fampitsaharana poa-basy naroson'i Ejipta