- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Mbola Nanao Mondialy Velively Ny Fireneny, Fa Efa Olomangan'ny FIFA Ilay Ravshan Irmatov Avy ao Uzbekistan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Brezila, Ozbekistan, Rosia, Fanatanjahantena, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
R

Ravshan Irmatov, mpitsaran'ny konfederasionan'ny football aziatika in'efatra misesy (2008, 2009, 2010, 2011). Sary tao amin'ny Wikipedia.

Johan Cruyff, Ravshan Irmatov, Diego Maradona, Pele. Telo amin'ireo efatra ireo ihany no mitanà ny Tompon-daka Manerantany amin'ny baolina fandaka, ary iray monja amin'izy ireo no mbola tsy niseho mihitsy tamin'ny lalao famaranana Mondialy.

Hoan'ireo mpankafy tantara re kisendrasendra, Johan Cruyff no tokana amin'ireo olomangan'ny mondialy efatra mbola tsy nitazona ny amboara erantany na zava-bita tsara indrindra. Ilay olomanga Breziliana no efa nahazo ny amboara erantany betsaka indrindra mihoatra amin'ny hafa, na dia vao nanome azy ny meday fahatelo mahatompondaka azy aza fitantanana ao amin'ny FIFA amin'izao fotoana — noho ny fisehoany indroa tamin'ny fifaninanana tamin'ny 1962 — tamin'ny 2007. Ilay laharana faha-10 an'i Arzantina no niseho imbetsaka indrindra amin'ny mahakapiteny azy — 16 — noho ny mpilalao hafa teo amin'ny tantaran'ny mondialy, na dia nanakatra tamin'ny tanany ny baolina hiditra anaty harato [1] aza izy indray mandeha tamin'ny 1986 ary teo ambanin'ny herin'ny [2] fanafody mampatanjaka tamin'ny nisehoany indroa tamin'ny 1994.

Twitter image uploaded by @kainbek July 3

Irmatovs junior sy senior. Sary tao amin'ny Twitter nampakarin'i @kainbek [3] 

Angamba ny mendrika indrindra hitazona ny tompondaka amin'izy telo, noho izany, dia ilay avy ao Uzbekistan, Ravshan Irmatov, izay mitazona ny fitsarana lalao mondialy betsaka indrindra amin'izao fotoana, rehefa nahasongona [4] ireo telo mirahalahy nitazona izany teo aloha dia i Joël Quiniou (Frantsa), Benito Archundia (Meksika) ary Jorge Larrionda (Orogoay) tamin'ny 5 Jolay taorian'ny fitsarana mondialy fahasivy nandalovany teo amin'ny asany.

Ho fakana toky kokoa, tsy malaza amin'ny maha-firenena mpilalao football azy velively i Uzbekistan, tsy mbola niseho mihitsy tamin'ny mondialy izy na dia efa indroa saiky tafakatra aza. Tsy mba fantatra amin'ny fanaovana fair-play sy ny fitsarana tsy mitongilana ihany koa io firenena io. Raha tsongaina [5] ny tatitry ny Human Rights Watch (mpanara-maso ny zon'olombelona) momba io firenena io tamin'ity taona ity:

Uzbekistan’s human rights record remained abysmal across a wide spectrum of violations. The country is virtually closed to independent scrutiny. Freedom of expression is severely limited. Authorities continue to crack down on rights activists, harass activists living in exile, and persecute those who practice their religion outside strict state controls. Forced labor of adults and children continues.

Mbola mitoetra an-davaka lalina ny zon'olombelona voarakitra ao Uzbekistan noho ireo fanitsakitsahana maro. Mikatona amin'ny fifidianana mahaleotena ny firenena. Voafetra dia voafetra ny fahalalaham-pitenenana. Mbola manenjika ny mpikatroky ny zon'olombelona ny manampahefana, manelingelina mandrahona ny mpikatroky ny zon'olombelona any an-tsesintany, ary maneritery ireo mampihatra ny fivavahany ivelan'ny fifehezan'ny fanjakana. Mitohy ny asa an-terivozona ataon'ny olondehibe sy ny ankizy  

Saingy avy amin'ny tombondahiny hafa ho an'ny fitondrana ao Tashkent i Irmatov — ara-bakinteny — ny rainy, izay hita amin'ny sary etsy ambony tao an-drenivohitra Uzbek tamin'ny 1982, mpitsara to-teny teo amin'ny ekipa nandritra ny vanim-potoana sovietika. Hatramin'ny naha-mpitsaran'ny ligy Uzbek tamin'ny 2000 an'i Irmatov junior, dia  nankatoavina [6] in'efatra misesy ho mpitsara tsara indrindra tao Azia izy, tamin'ny 2008, 2009, 2010 ary 2011. 

Tsy misy famaranana ho an'i Irmatov

Rehefa nitsara lalao efatra tao Brezila tamin'ity taona ity, ka anatin'izany ilay fahasivy majika, ilay ampahaefa-dalana nampanaikitra hoho [7] teo amin'i Holandy sy Costa Rica, dia mety tsara tamin'i Irmatov ny nitsara ny famaranana tamin'ny 13 jolay teo amin'i Arzantina sy i Alemaina. Ny zavamisy, raha nameno ireo tambajotra any Azia Afovoany ny Irmatov-mania [fankamamiana an'i Irmatov] — nofonosin'ilay diezy #Irmatovbest [8] — , dia nameno tahaka izany ihany koa ny tsaho milaza fa efa azony ny [famaranana]. Mivaky toy izao ny sioka iray nisy nampita in-58 :

Irmatov voatendry ho mpitsaran'ny lalao famaranana amin'ny mondialy Alemaina-Arzantina!! #IrmatovBest #GERvsARG

Niteraka rehareham-pirenena teo amin'ny Uzbeks tao amin'ny Twitter izany “fandresena” mangarahara izany:

Mitehafa!!! vitantsika! Isika no tsara indrindra! Uzbeks izahay!!! Tiako i Uzbekistan!!! Te-hirehareha amin'ny maha-Uzbek!

Indrisy anefa ho an'ny mpitia baolina ao Uzbekistan sy, amin'ny toeran-kafa ao Azia afovoany, fa tsy izany no nitranga. Na dia tsy nisy nokianina aza ny nataon'i Irmatov ary tokony tombony ho azy ny tsy maha-avy any Amerika atsimo sy tsy avy ao Eoropa azy, dia ilay Nicola Rizzoli avy any Italia no nofantenin'ny [14] FIFA hitsara ny famaranana tamin'ny mondialy. Niteraka fahavinirana ho an'ny mpankasitraka ilay Uzbek hametraka [15] ny fitantanana ho “mpivaro-tena voavidy” tao amin'ny Twitter izany tranga izany. Saingy, raha mitodi-doha hody avy any Brezila aza i Irmatov, dia manana zavatra lehibe noho ny volamenan'ny Amboara Erantany: ny fitiavany [16] ny tanindrazany. Ankoatra izany, amin'izao fah-40 taonany izao dia mety mbola ho voafantina ny famaranana amin'ny fifaninanana amin'ny 2018 izy, izay hotontosaina any Rosia, ahitana mpiray tanindrazana aminy hatramin'ny 2,5 tapitrisa mandray vola [17] any amin'ny mahampiasa mifindra monina. Ka ho fotoanan'ny Amboara Erantany Miavaka Manokana izany.