Tantara tamin'ny 16 Jolay 2014
“Atsimon'ny Atsimo”: Mozika Malalaka – Fivoriana!
Efa manomboka ireo tetikasa nahazo vatsy 2014 avy amin'ny Rising Voices. Hohenointsika amin'ny alalan'ny lahatsoratra bilaogy isam-bolana ny fandroson'ireo. Ny tetikasa "Atsimon'ny Atsimo" ao Mérida, Meksika no hanomboka izany, izay hiara-hiasa amin'ireo mpitendry mozika ao an-toerana sy hizara ireo mozika ao amin'ny aterineto, anisan'izany ireo hira amin'ny teny indizeny.
Mitohy ny Fifampitifirana Ao Amin'ny Sisintany Kyrgyz sy Tajik
Herinandro vaovao mbola nanjakan'ny herisetra hatrany tao amin'ny sisintany Kyrgyz sy Tajik. Araka ny filazan'ny manampahefana Kyrgyz, efa milamina ny toe-draharaha ao amin'ny sisintanin'ny Kyrgyz-Tajik, izay nahafatesana olom-pirenena Tajik iray tamin'ny 10 Jolay.
Kiobàna Mifofotra Manohana Ny Zon'ireo LGBT
Ny "Andiany faharoa amin'ny Fifanorohana am-pitorevahana ho an'ny Fahasamihafàna sy ny Fitoviana, na "besada" amin'ny fiteny Espaniôla, nahasarika olona maro manohitra ny Lalàna Vaovao Momba ny Asa ao Kiobà, izay manilikilika ny famantarana ny lahy sy vavy ary ny mitondra ny VIH ho toy ny antom-panavakavahana eo amin'ny tontolon'ny asa.
Oscar López Rivera: Porto-Rikàna Nandany 33 Taona Tany Am-ponja Tao Etazonia, Miteny Hoe Tafahoatra Izay
Nisarika ny sain'ireo famoaham-baovao isan-karazany ary avy amin'ireo olona ao amin'ny Firenena Mikambana manohana ny famotsoana azy ny raharaha Oscar Lòpez Rivera tato anatin'ny herinandro vitsivitsy
Maneho Hevitra Amin'ny Fanavaozana Ady Amin'i Gaza ny Israeliana
"Miteny daholo fa heloka an'ady ny mitifitra amin'ny sivily, fa tsy misy mahita sivily ny andaniny sy ny ankilany," hoy ny siokan'ilay Israeliana ankavia fironana Noam.