- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampianarana Antserasera 7 Vaovao Hamenoanao Ny Fotoam-Pahavaratra

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Fenoy amin'ny alalan'ny fandratoana fahalalàna vaovao miaraka amin'ny fampianarana antserasera ny fandaharam-potoana mandritra ity fahavaratra ity:

Ahitana fanoratam-baovao, fanoratan-kevitra, fanoratana lahatsoratra, fanadihadiana amin'ny asa fanaovan-gazety sy fitaterana momba ny politika ireo lohahevitra. Atolotry ny Oniversiten'i Strathclyde, Glasgow [3] amin'ny alalan'ny FutureLearn [4]. Maimai-poana ny  fampianarana ary manomboka amin'ny 29 Septambra.

Miompana amin'ny karazana tahiry voamarika (metadata), fitaovana ahafahan'ny vanim-potoanan'ny fampafantarana miasa notontosain'olombelona sy notontosain'ny solosaina, ary ireo fomba ampiasaina ny tahiry voamarika avy amin'ny fijery Siansan'ny vaovao (Fampafantarana), sehatra mandalina ny fomba ananganana sy itantanana ny fampafantarana ity MOOC Coursera [6] maimai-poana ity. Manomboka amin'ny 14 Jolay. 

Hanolotra fandaharana atolotr'i David Barstow [8] ny Oniversitem-baovao [9], izay hanazava ny fomba fanoratany tantara, tantara maro olona mpandray anjara na amin'ireo tantara heverina ho tsy mety ho tonga amin'ny fitantarana aza. Hiresaka momba ny fomba fanoratana tantara sy tantara maro mpandray anjara. Manomboka amin'ny 10ora sasany maraina amin'ny 1 Aogositra ny fampianarana. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary 99 dolara amerikana ny sarany.

Atolotry ny  Oniversiten'i Guadalajara [10] ao Meksika, hanolotra fampianarana maharitra dimy herinandro amin'ny volana Septambra. Azo hianarana ao amin'ny aterineto manomboka ny 1 Septambra hatramin'ny 5 Oktobra ny fampianarana. Ny saran'ny fisoratana anarana dia MXN 1200 hoan'ireo mpandray anjara ao Meksika ary 120 dolara Amerikana kosa hoan'ireo mpandray anjara ivelan'ny firenena. Amin'ny 17 Aogositra ny fe-potoana fisoratana anarana farany .

Atolotry ny Foibe Knight [12], hitondrana ny mpianatra ho haingana amin'ny zavatra rehetra mikasika ny fiantraikan'ny finday amin'ny asa fanaovan-gazety, anisan'izany ny fampiasana tsara indrindra amin'ny fitateram-baovao amin'ny finday, ny famoronana, fampivelarana ny vokatra, fikarohana mpihaino, vaovao malaza sy ny hoavin'ny finday sy ny teknolojian'ny finday. Hanomboka amin'ny 30 Jiona hatramin'ny 3 Aogositra ny fampianarana maimai-poana.

Hanomboka amin'ny 21 Jolay amin'ny 12:30 atoandro ity fampianarana maimai-poana ity, tsy maintsy mpikambana ao amin'ny Linkedin [14] (maimai-poana ny fisoratana anarana) ireo mpandray anjara.

Mampihatra fomba fianarana mifototra amin'ny traikefa ity fampianara ity mba hitondrana fanovana fahaiza-mamorona. Atolotry ny  Coursera [16], ity MOOC maimaim-poana ity dia hanomboka amin'ny 14 Jolay hatramin'ny 1 Septambra.

Isaorana ny habaka ijnet [17] izay nahafahana namoaka ny sasany tamin'ireo fampianarana ireo .