Noterena handao an'i Bahrain tsy misy hatak'andro [2] ny manampahefan'ny governemantan'i Etazonia nanao fitsidihana tao Barhain taorian'ny fihaonany tamin'ireo lehiben'ny mpanohitra Shiita malaza vitsivitsy tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity.
Araka ny filazan'ny sampam-pahalalam-baovaom-panjakana BNA ao Bahrain, “nitsabaka ankarihary” tamin'ny raharaha anatin'ny firenena i Tom Malinowski, Sekreteram-panjakana Lefitra Amerikana misahana ny Demaokrasia, Zon'Olombelona ary ny Asa.
Namana stratejikan'i Etazonia ity nosy kely manankarena solitany ity ary nanome toby miaramila hoan'ny tafika an-dranomasin'i Etazonia ao Afovoany-Atsinanana.
Niatrika tsikera noho izy tompon-dakan'ny tsy fanajana ny zon'olombelona [4] hatramin'ny nisian'ny famoretana nataon'ny miaramila tamin'ireo fihetsiketsehana notarihin'ny Miozolomana Shiita manohitra ny governemanta tamin'ny taona 2011 i Bahrain, izay tantanin'ny fianakaviana Sonita al-Khalifa. Mbola nitohy milamina, ireo fihetsiketsehana madinika miaraka amin'ny ankamaroan'ireo Miozolomana Shiita mitaraina noho ny fanavakavahana ara-politika sy ara-toekarena [5]ary mitaky fahefana bebe kokoa avy amin'ny governemanta tahirin'ny Sonita.
Nanazava tamina sioka izay nisy namerina nandefa in-255 hatramin'izao i Malinowski tenany:
Seems #Bahrain [7] government decision not about me but about undermining dialogue. Those committed to reconciliation should not be deterred.
— Tom Malinowski (@Malinowski) July 8, 2014 [8]
Toa tsy miresaka momba ahy ny fanapahan-kevitry ny governemanta #Bahrain [7]fa momba ny fampikatsoana ny fifampiresahana. Tsy tokony sakanana izay mahakasika ny fihavanam-pirenena.
Mpikatroka zon'olombelona Ahmed Ali, monina ao Cardiff, Angletera nilaza hoe:
#Bahrain [7] pro-regime media claims US Assistant Sec @Malinowski [3] at the airport leaving #Bahrain [7]. pic.twitter.com/mbOUmf1PF8 [9]
— Ahmed Ali احمد علي (@ahmedali_) July 8, 2014 [10]
Nilaza ny fampahalalam-baovao manohana ny fitondrana #Bahrain [7] fa ao amin'ny seranam-piaramanidina handao an'i #Bahrain [7] ny Sekretera Lefitra Amerikana @Malinowski [3].
Efa lasan'i Nabeel Alhamer, mpanontsaina ara-pampahalalam-baovaon'ny Mpanjaka Bahrainita ity gazetin'ny mpanohana ny governemanta ity, izay efa nisioka teo aloha hoe [ar]:
البحرين تعتبر مساعد وزير الخارجية الامريكي لشئون الديمقراطية وحقوق الانسان شخصا غير مرحب به وعليه مغادرة البحرين لتدخله في الشئون الداخلية
— NABEEL ALHAMER (@nalhamer) July 7, 2014 [11]
Mihevitra i Bahrain fa olona mpanelingelina ary tokony handao an'i Bahrain noho ny fitsabahana ny raharaha anatiny ny Sekretera Lefitra Amerikana misahana ny Demaokrasia, Zon'Olombelona sy ny Asa.
Niteraka tabataba teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fandroahana. Tamina andianà sioka, nanamarika ny tale mpanatanteraka avy ao amin'ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona, Kenneth Roth hoe:
In expelling top US rights envoy @Malinowski [3], #Bahrain [7] shows he had it right when he described its “prison island.” http://t.co/qKWxBm9fxy [12]
— Kenneth Roth (@KenRoth) July 8, 2014 [13]
Amin'ny fandroahana ny iraka manokan'ny Amerikana misahana ny zon'olombelona @Malinowsk [3], mampiseho i #Bahrain [7]fa manana rariny izy raha namariparitra ny “nosin'ny fonjany”. http://t.co/qKWxBm9fxy [12]
#Bahrain [7] expels US rights chief @Malinowski [3] for meeting w/ wrong people-presumably indep activists, not govt parrots. http://t.co/qTKJlR2KzD [14]
— Kenneth Roth (@KenRoth) July 7, 2014 [15]
Noroahin'i #Bahrain [7] ny lehiben'ny Zon'olombelona Amerikana @Malinowski [3] noho ny fihaonana diso tamin'ireo olona izay voalaza fa mpikatroka tsy miankina, fa tsy ny bolokin'ny governemanta
Hoy izy nanampy:
One #Bahrain [7] goal of expelling US rights envoy @Malinowski [3]: preventing him from meeting rights leader @NabeelRajab [16]. http://t.co/O4HV62RX3s [17]
— Kenneth Roth (@KenRoth) July 8, 2014 [18]
Iray amin'ny tanjon'i #Bahrain [7] amin'ny fandroahana ny iraka Amerikana misahana ny zon'olombelona @Malinowski [3]: fanakanana azy tsy hihaona amin'ny lehibe mpiaro ny zon'olombelona @NabeelRajab [16].
Mpikatroka mpitarika ny zon'olombelona Nabeel Rajab, vao avy navoaka ny fonja rehefa nigadra 3 taona an-tranomaizina noho ny sioka nalefany, nilaza ity manaraka ity hoan'ireo mpanaraka azy 231K:
سيبقى الصديق مالينوسكي شخص محترم وان ما حصل له في #البحرين [19] هو مؤشر على نزاهته وشرفه وان طرده اليوم سيزيد من احترام الناس والحركة الحقوقية له
— Nabeel Rajab (@NABEELRAJAB) July 7, 2014 [20]
Olona mendri-kaja ny namako Malinowski ary ny zava-mihatra aminy ao Bahrain dia fanehoana ny fahatsorany. Hampitombo ny fanajan'ny olona azy sy ny hetsika zon'olombelona ho azy ny fandroahana azy androany.
Nanazava ny namana avy ao amin'ny Ivon-toerana Ambony momba ny Diplaomasiam-bahoaka sy ny Serasera Ankapobeny George Washington ao Etazonia sady mpilaza vaovao ao amin'ny BBC sy ny Daily Beast, Philip Crowley fa:
What is most remarkable about #Bahrain [7] expelling Asst Sec Tom Malinowski is its clarity. No one can pretend Bahrain is open to reforms.
— Philip J. Crowley (@PJCrowley) July 8, 2014 [21]
Ny tena mampiavaka tanteraka an'i #Bahrain [7] nandroaka ny Sekretera Lefitra Tom Malinowski dia ny fangaraharahany. Tsy misy olona afaka hilaza fa misokatra amin'ny fanovana i Bahrain.
Etsy andaniny, naneho ny fanohanany ny fandroahana kosa ireo mpiserasera mpanohana ny fitondrana . Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, Khalid Almalood nilaza tamin'ireo mpanaraka azy 2700 ao amin'ny Twitter hoe:
مساعد وزير خارجية أمريكا المطرود كان مدير منظمة هيومان رايتس ووتش التي كان نبيل رجب ضمنها والتي كانت تكتب تقارير سيئة عن #البحرين [19] للعلم فقط
— MP Khalid Almalood (@kh_almalood) July 8, 2014 [22]
Ny Sekretera Lefitra Amerikana misahana ny Demaokrasia, ny Zon'olombelona sy ny asa izay noroahin'i Bahrain dia talen'ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona, ary anisan'ny mpikambana amin'izany koa i Nabeel Rajab, ilay nanoratra vaovao ratsy momba an'i Bahrain
Vondrona Tanora Riffa nisioka tamin'ireo mpanaraka azy miisa 25.5K:
نشكر وزارة خارجيتنا لقرارها الشجاع بطرد مساعد وزير خارجية أمريكا للشؤون الديمقراطية وننتظر شجاعة أكبر وذلك بطرد السفير الأمريكي من البحرين
— قروب شباب الرفاع (@shababalrifaa) July 7, 2014 [23]
Misaotra ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny noho ny fanapahan-keviny feno herimpo nandroaka ny Sekretera Lefitra Amerikana misahana ny Demaokrasia, ny Zon'olombelona sy ny asa izahay ary mbola miandry herim-po hatrany amin'izany mba handroaka ny Masoivoho amerikana (Etazonia) hiala ao Bahrain ihany koa izahay
Ary tsy nifarana hatreo izany. Mpitarika vondrona mpanohitra Al Wefaq Ali Alaswad, izay manana mpanaraka 64.1k ao amin'ny Twitter nisioka hoe:
After @StateDept [24] rejection of removal of @Malinowski [3] now #Bahrain [7] moving on to target @ALWEFAQ [25], summoning @KhalilAlmarzooq [26] & @WefaqGS [27]
— Ali Alaswad (@am_aswad) July 8, 2014 [28]
Taorian'ny fitsipahan'ny @StateDept [24] ny fanesorana an'i @Malinowski [3], mivadika mikendry an'ny @ALWEFAQ [25] indray ankehitriny i #Bahrain [7], mampiantso an'i @KhalilAlmarzooq [26] & @WefaqGS [27]