- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao Fitakiana Amin'ny Alalan'ny Fampiasana Media Sosialy Ireo Mpiasan'ny NXP Ao Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sendikà
The protesting workers break through the locked gates and march to the NXP plant. Photo Credits: KR Guda [1]

Fihetsiketsehan'ny mpiasan'ny NXP  mamaky vavahady mihidy ary mizotra mankany amin'ny orinasa NXP. Sary: KR Guda

Maro ireo Filipino mpiasa Ampijalian'ny karama ambany, fampanaovana fifanekena asa vonjimaika, fepetra tsy mendrika amin'ny asa, ary zara raha mampiasa ireo fitaovana izay vokarin'izy ireo ihany izay mamorona ny karatra SIM ampiasaina amin'ny finday raitra (smartphones), tablety sy fitaovana teknolojika hafa .

Na dia izany aza, dia mampiasa ireo fitaovana ireo ankehitriny ny Filipino mpiasa izay mahatonga ny antso am-pinday, ny hafatra an-tsoratra, ny tambajotra sosialy ary ny fanaontsika antserasera andavanandro ho azo tanterahina. Mampiasa ireo fitaovana hitolomana amin'ny fanenjahana ny sendikà sy ny fanararaotana amin'ny sehatry ny asa.

Iray amin'ny tolona mifanindra-dalana amin'ny fihetsiketsehana eny an-kianja [1] ny hetsika #bringbacknxp24, tolona antserasera mavitrika, ataon'ireo mpiasa avy ao amin'ny orinasa mpampita ampahana herinaratra (Semiconducteur)  NXP ao Cabuyao. Laguna, faritany miorina ao atsimon'i Manila, renivohi-pirenena.

Iray amin'ireo mpamokatra elektronika 20 lehibe indrindra manerantany ny NXP ary mamatsy karatra SIM sy fitaovana sasany hoan'ireo orinasan'ny teknolojia avo lenta tahaka ny Apple sy Asus. Mampiasa mpiasa raikitra maherin'ny 1600 sy mpiasa vonjimaika 1 700 ny NXP ao Filipina.

Nitaky fisondrotan-karama 8 isan-jato ireo mpiasa saingy fisondrotana 3,5 isan-jato ihany no azon'ny orinasa omena nandritra ny fifampiraharahana tamin'ny fifanekena iombonana vaovao. Nikarakara hetsika itambarana ireo mpiasa tamin'ny 9, 17, 19 Aprily sy tamin'ny 1 Mey – izay andro tsy fiasana ofisialy – saingy nosokajian'ny orinasa ho “fitokonana tsy ara-dalàna” izany hetsika izany ary nilaza izany ho antony nandroahana mpitarika sendikaly 24 tamin'ny 5 Mey 2014.

Your Texts, Posts, Tweets. Their Blood, Sweat, Tears. [2]

Meme amin'ny aterineto mandrisika fanohanana ireo mpiasan'ny NXP. Avy amin'ny pejy Facebookn'ny hetsika.

Nikarakara fanangonan-tsonia antserasera tao amin'ny Change.org [3] ireo mpiasan'ny NXP ary nahangona sonia maherin'ny 500 tamin'izany. Nanasongadina ny fitakian'ireo mpiasa mba hahazo karama ambony ny fanangonan-tsonia :

The fight of the NXP workers is a fight of all workers, of everyone. All of us need a wage increase that’s significant, not just morsels of alms. All of us deserve employment that’s regular, not just contractual. Many have already been dismissed from their jobs just because they asserted what’s due to them.

Tolona hoan'ny mpiasa rehetra, ny tolon'ireo mpiasan'i NXP. Mila fisondrota-karama mivaingana avokoa isika rehetra, fa tsy sombim-piantrana. Mendrika hanana asa raikitra, fa tsy asa vonjimaika isika rehetra. Efa maro ireo voaraoka tamin'ny asany noho ny fitakian'izy ireo izay tokony ho azy ireo.

Nanazava ny Chronicles of Carlos [4], mpikatroka sendikaly fa nampiseho ny maha-zava-dehibe ny media sosialy amin'ny fanehoana ny olana momba ny asa eo amin'ny olona marobe ny #bringbacknxp24:

In around three weeks’ time, the Facebook page [5] has drawn over 1,000 likes and boasts of active daily engagement among its base and outer circles – something unusual for a relatively unpopular campaign and for a labor issue in the Philippines at that. The inspiring thing about the campaign is that NXP workers themselves are the ones sharing updates inside the company. Just recently, a worker uploaded a photo [5] of the latest company memo that tries to sow confusion among the workforce. In another instance, a worker uploaded a photo [6] of the company’s anti-union message contained in a paper strip.

Nandritra ny telo herinandro, nahasarika “tiako (j'aime)” maherin'ny 1000 ilay pejy Facebook [5] ary mirehareha amin'ny fandraisana andraikitra mavitrika ao amin'ny fototra sy ireo sehatra ivelany – zavatra tsy mahazatra amin'ny hetsika tsy dia malaza sy resaka asa ao Filipina. Ny manainga fanahy amin'ity fanentanana ity dia ireo mpiasan'ny NXP ihany no nizara ireo vaovao farany avy ao anatin'ny orinasa. Vao haingana teo ohatra dia nisy mpiasa iray nampakatra sary [5]  fanamarihana farany avy amin'ny orinasa izay miezaka mampiely safotofoto eo amin'ireo mpiasa mavitrika. Tamina tranga hafa, mpiasa iray kosa nampakatra sary  [6]misy hafatra mamely ny sendikà nataon'ny orinasa tanaty horonan-taratasy.

Image from Facebook page of 'Bring Back NXP 24' [7]

Sary tao amin'ny pejy Facebookn'ny ‘Bring Back NXP 24′ (Avereno ireo mpiasan'ny NXP 24)

Miantso ireo mpiserasera ihany koa ny media sosialy mba handefa sary nalain'ny tena (selfies) miaraka amin'ny sora-baventy firaisankina hoan'ireo mpiasan'ny NXP ao amin'ny Facebook sy Twitter amin'ny fampiasana diezy #bringbacknxp24. Nandefa ny sarin'izy ireo ihany koa ireo mpiasa, mandrisika ny fanohanan'ny olona ny tolon'izy ireo.

Photo from 'Bring Back NXP 24' Facebook page. [8]

Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny ‘Bring Back NXP 24′.

Nahazo fanohanana avy amin'ireo fikambanana isan-karazany ao Eoropa, Aostralia, Shina, Hong Kong, Taiwan ary Etazonia ny hetsika hamerenana ireo mpiasan'ny NXP. Nalefa tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny hetsika ireo sary misy hafatra firaisankina avy amin'ireo firenena ireo:

Belgian workers support campaign. [9]

Mpiasa Belza maneho ny fanohanany ny hetsika.

Staff of Asia Monitor Resource Center for #bringbackNXP24. [10]

Mpiasan'ny foiben'ny Asia Monitor Resource mihazona sorabaventy manohana ny #bringbackNXP24.

Tonga tany amin'ny foiben'ny Departemantan'ny mpiasa sy ny asa ao amin'ny firenena ity raharaha mpiasan'ny NXP ity. Mandeha ny fifampiresahana amin'izao fotoana izao ary mbola miantso hatrany ny fanohanan'ny olona ireo mpiasa.