- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miverina Tsy Misy Ireo “Birds”: Mahazo Governemanta Vaovao I Antigoa & Barboda

Sokajy: Karaiba, Antigoa sy Barboda, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
The island of Antigua; photo by Daniel Wendell, used under a CC license.

Ny nosin'i Antigoa. Sary an'i Daniel Wendell, nampiasaina teo ambany alàlana avy amin'ny CC.

Nahazo seza 14 noho telo ny Antokon'ny Mpiasa any Antigoa and Barboda [1](ABLP) tamin'ny fifidianana faobe nataon'ny firenena tamin'ny Alakamisy, ka nandreseny ny antoko eo amin'ny fitondràna, ny Antoko Miara-Mivoatra  [2]izay nitetika ny haka fe-potoana fitantanana in-telo mifanesy. Nanao fianianana ho Piraiminisitr'i Antigoa sy Barboda i Gaston Browne [3], mpitarika ny ABLP, omaly. Ity no fotoana voalohany hananganan'ny antoko ny governemanta ka tsy tarihinà mpikambana avy ao amin'ilay fianakaviana [4] miteraka adihevitra, Bird [4].

 

Naneho ny fankasitrahany ny fandresena i Lycie Jollygirlsailor Riley tao amin'ny Facebook [5]  :

Tsy Zoma Mainty ny aty Antigoa sy Barboda fa Zoma Mena!!!!  Okay vizak'ireo sakana rehetra ankehitriny ary hisy fiantraikany amin'ny saina milamina izay vonona ny hamerina ny fanganana ny fankalazana ‪#‎ABLP‬ [6]

Vantany vao nivoaka ireo vokatra, dia nitohy ny adihevitra momba ny fifidianana tao anaty aterineto, indrindra tao amin'ny Twitter:

Nandresy ny Antoko Miara-Mivoatra tamin'ny 15-2 ny Antokon'ny Mpiasa any Antigoa. I  Baldwin Spencer sy i Wilmouth Daniel ihany no nahazo ny sezany.

Faly noho ny valim-pifidianana ireo mpampiasa sasany…

Arahabaina ny Antokon'ny Mpiasa any Antigoa amin'ny fakany indray ny FAHEFANA eo amin'ny nosiko! #Change [8] #Future [9]

Arahabaina ny Praiminisitsika vaovao, Hon Gaston Browne

…raha toa ka mbola nilaina noresena lahatra ny hafa fa lafy tsaran'ny fampandrosoana ny firenena ny fandresen'ny ABLP:

Mitomany anao aho ry Antigoa… Manantena aho fa hanaporofo amiko ny mifanohitra amin'izany i Gaston sy ny Antokon'ny Mpiasa…

Nanao fampielezan-kevitra mikasika ireo olana fototra [13]mahazo ny firenena ny ABLP: ny toekarena, ny fiakaran'ny heloka bevava, ireo fotodrafitrasa ho an'ny fahasalamam-bahoaka, ary ny fampianarana- ary tsy andrin'ireo mpampiasa aterineto ny ahitana ny antoko hanatanteraka ireo fampananatenany : 

Ry Antokon'ny Mpiasa any Antigoa, midika ve izany fa hihena ny hetra ary hahazo asa marobe isika?

Eto no ahitana ireo fahana Twitter ho an'ny fifidianana any Antigoa sy Barboda [15].

Avy amin'i Daniel Wendell ny sary nampiasaina tanatin'ity lahatsoratra ity, ary nampiasaina teo ambany fahazoan-dàlana Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic Creative Commons [16]. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i Daniel Wendell ao amin'ny flickr [17].