Miverina Tsy Misy Ireo “Birds”: Mahazo Governemanta Vaovao I Antigoa & Barboda
Nahazo seza 14 noho telo ny Antokon'ny Mpiasa any Antigoa and Barboda (ABLP) tamin'ny fifidianana faobe nataon'ny firenena tamin'ny Alakamisy, ka nandreseny ny antoko eo amin'ny fitondràna, ny Antoko Miara-Mivoatra izay nitetika ny haka fe-potoana fitantanana in-telo mifanesy. Nanao fianianana ho Piraiminisitr'i Antigoa sy Barboda i Gaston Browne, mpitarika ny ABLP, omaly. Ity no fotoana voalohany hananganan'ny antoko ny governemanta ka tsy tarihinà mpikambana avy ao amin'ilay fianakaviana miteraka adihevitra, Bird.
Naneho ny fankasitrahany ny fandresena i Lycie Jollygirlsailor Riley tao amin'ny Facebook :
Tsy Zoma Mainty ny aty Antigoa sy Barboda fa Zoma Mena!!!! Okay vizak'ireo sakana rehetra ankehitriny ary hisy fiantraikany amin'ny saina milamina izay vonona ny hamerina ny fanganana ny fankalazana #ABLP
Vantany vao nivoaka ireo vokatra, dia nitohy ny adihevitra momba ny fifidianana tao anaty aterineto, indrindra tao amin'ny Twitter:
Antigua Labour Party has won, defeating the United Progressive Party 15-2. Only Baldwin Spencer and Wilmouth Daniel won their seats.
— hamletmark (@hamletmark) June 13, 2014
Nandresy ny Antoko Miara-Mivoatra tamin'ny 15-2 ny Antokon'ny Mpiasa any Antigoa. I Baldwin Spencer sy i Wilmouth Daniel ihany no nahazo ny sezany.
Faly noho ny valim-pifidianana ireo mpampiasa sasany…
Congratulations to the Antigua Labour Party for taking back POWER of my island! #Change #Future
— Jaime Newell (@JaimeNewellPT) June 13, 2014
Arahabaina ny Antokon'ny Mpiasa any Antigoa amin'ny fakany indray ny FAHEFANA eo amin'ny nosiko! #Change #Future
Congratz to our new Prime Minister Hon Gaston Browne
— ♥Tanya Dorsette♡ (@Cancer91Diva) June 13, 2014
Arahabaina ny Praiminisitsika vaovao, Hon Gaston Browne
…raha toa ka mbola nilaina noresena lahatra ny hafa fa lafy tsaran'ny fampandrosoana ny firenena ny fandresen'ny ABLP:
I weep for Antigua… I hope Gaston and Labour prove me wrong…
— Triz (@Optimus_Primus_) June 13, 2014
Mitomany anao aho ry Antigoa… Manantena aho fa hanaporofo amiko ny mifanohitra amin'izany i Gaston sy ny Antokon'ny Mpiasa…
Nanao fampielezan-kevitra mikasika ireo olana fototra mahazo ny firenena ny ABLP: ny toekarena, ny fiakaran'ny heloka bevava, ireo fotodrafitrasa ho an'ny fahasalamam-bahoaka, ary ny fampianarana- ary tsy andrin'ireo mpampiasa aterineto ny ahitana ny antoko hanatanteraka ireo fampananatenany :
Dear Antigua Labour party, does this mean we will actually get the taxes lowered and more jobs?
— Dr. Evil (@Sithvere) June 13, 2014
Ry Antokon'ny Mpiasa any Antigoa, midika ve izany fa hihena ny hetra ary hahazo asa marobe isika?
Eto no ahitana ireo fahana Twitter ho an'ny fifidianana any Antigoa sy Barboda.