- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mifangaro Tsironà Fisamborana Ny Ramadany Ao Ejipta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
@Shahdan_shosh shares this photograph of 11 young men arrested for having Suhoor - a latenight meal to prepare them to fast the next day during the Muslim month of Ramadan (Source: Twitter) [1]

@Shahdan_shosh mizara ity saripika ity, ahitàna ireo tanora 11 voasambotra noho ny fiarahany nandray Suhoor – sakafo alohan'ny mangiran-dratsy hiomanana amin'ny fifadian-kanina ny andro ampitson'iny mandritra ny volana masin'ny Ramadany Silamo (Loharano: Twitter)

Toana iray taorian'ny nanonganana ny Filohan'i Ejipta, Mohamed Morsi, dia efa nahazo sahady kiana marobe [2] ny fitondràna vaovao noho ny fitontongan'ny zon'olombelona ka isan'izany ny fisambontsaborana fahatany 

Singanina manokana amin'izany ilay lalàna vaovao momba ny fivoriam-bahoaka ao Ejipta [3] niteraka hatezerana teny anivon'ny Ejiptiana, izay marobe tamin'izy ireo no nanandrana nankahatra ilay lalàna [4] na dia hahitàna fotsiny hoe hosamborina aza izy ireo, isan'ireny ireo mpikatroka mafàna fo malaza toa an-dry Alaa Abd El Fattah [5], voaheloka 15 taona an-tranomaizina tamin'ny volana lasa iny, noho ny fikarakaràny hetsi-panoherana iray tsy nahazoana alàlana.

Vao tany amin'ny andro voalohan'ny Ramadany, volana masina ho an'ny Silamo, dia efa nanaovan'ny polisy bemidina ny trano iray nahitàna vondronà tanora 11 niara-nifety nandray ny suhoor (sakafo iray famarànana ny alina, hanin'ireo Silamo alohan'ny hiatrehana ny fifadian-kanina ny ampitson'io), raha ny fahitàna azy dia ho fanitsahana ny lalàna, araka ny feo aelin'ny sasany. Nandefa ny tenifototra #معتقلي_السحور [ar] ireo mpisera amin'ny aterineto, izay midika hoe “voafonja nohon'ny Suhoor”.

Ahmad Abd Allah [6] nampakatra ho amin'ny Facebook-ny ity hafatra manaraka ity [7] [ar]:

١١ واحد بيتسحروا في بيت واحد منهم في دمنهور … الداخلية قبضت عليهم بتهمة التظاهر من غير تصريح … الحرية لمعتقلي السحور

Olona iraikambinifolo niara-nihinana suhoor tao amin'ny iray amin'ny tranon-dry zareo. Nosamborin'ny Ministeran'ny Atitany ry zareo noho ny fivorivoriana tsy ara-dalàna… avotsory ireo “voafonja nohon'ny sahoor”

Mohamed Hazem, mpampiasa Twitter avy ao Damnhour, nibitsika ho fanohanana ireo namany:

Tsy haiko na noho ny vonomoka ataon'ny mpiambina ny repoblika na ho an'ireo namako 11 voatàna no tokony hitomaniako .

Nibitsika tamin-keso izy taoriana kelin'izay :

Horaisin'ny Fampanoavana ve ny porofo toy ny fromazy sy ny oliva, sa ho havadiny ho [lasa] baomban-tsolika

Ary nibitsika saripika iray ahitàna azy 11 voasambotra ireo i Shahdan-shosh no sady nanamarika hoe:

Ny helok'izy ireo : ny fiaraha-nandray sahoor. Nosamborina niaraka tamin'ny “foul” (voamaina ) ry zareo, niampy “falafel” sy iaorta teny aminy.

Ilay mpikatroka mafàna fo, Wael Abbas, nibitsika ho an'ireo 265.000 mpanjohy azy hoe:

Mety hofoanako ny fety fankalazàko isan-taona ny Iftar-ko [sakafo famaranana ny fifadian-kanina], ho fanajàko ilay lalàna vaovao momba ny hetsi-panoherana 🙂

Nampiany hoe :

Izany eo ihany, fa efa antsasak'ireo nomeko fanasàna hiara-hihinana ny iftar tamin'ny taona lasa no efa any am-ponja, na any an-tsesitany na any am-pierena 🙂

Tamin'ny taona lasa, efa saika hametraka lalàna mitovitovy tamin'io ny fitondràn'i  Morsi, izay manakana ny fivorivoriana, lalàna tsy nety nahita masoandro noho ny kiakiaka nataon'ireo fikambanana iraisam-pirenena. Ilay bilaogy Ejiptiana, WikiThawra [18] [ar], izay ny Ivontoerana Ejiptiana ho an'ny Toekarena sy ny Zo Ara-tSosialy no mitantana azy, dia milaza fa 80 raha kely indrindra ny olona maty tany am-pigadràna nandritr'iny taona lasa iny ary maherin'ny 40.000 ny olona voatàna na voampanga teo anelanelan'ny Jolay 2013 (nanonganana ny governemantan'i Morsi) sy ny tapaky ny volana May 2014.