Mifangaro Tsironà Fisamborana Ny Ramadany Ao Ejipta

@Shahdan_shosh shares this photograph of 11 young men arrested for having Suhoor - a latenight meal to prepare them to fast the next day during the Muslim month of Ramadan (Source: Twitter)

@Shahdan_shosh mizara ity saripika ity, ahitàna ireo tanora 11 voasambotra noho ny fiarahany nandray Suhoor – sakafo alohan'ny mangiran-dratsy hiomanana amin'ny fifadian-kanina ny andro ampitson'iny mandritra ny volana masin'ny Ramadany Silamo (Loharano: Twitter)

Toana iray taorian'ny nanonganana ny Filohan'i Ejipta, Mohamed Morsi, dia efa nahazo sahady kiana marobe ny fitondràna vaovao noho ny fitontongan'ny zon'olombelona ka isan'izany ny fisambontsaborana fahatany 

Singanina manokana amin'izany ilay lalàna vaovao momba ny fivoriam-bahoaka ao Ejipta niteraka hatezerana teny anivon'ny Ejiptiana, izay marobe tamin'izy ireo no nanandrana nankahatra ilay lalàna na dia hahitàna fotsiny hoe hosamborina aza izy ireo, isan'ireny ireo mpikatroka mafàna fo malaza toa an-dry Alaa Abd El Fattah, voaheloka 15 taona an-tranomaizina tamin'ny volana lasa iny, noho ny fikarakaràny hetsi-panoherana iray tsy nahazoana alàlana.

Vao tany amin'ny andro voalohan'ny Ramadany, volana masina ho an'ny Silamo, dia efa nanaovan'ny polisy bemidina ny trano iray nahitàna vondronà tanora 11 niara-nifety nandray ny suhoor (sakafo iray famarànana ny alina, hanin'ireo Silamo alohan'ny hiatrehana ny fifadian-kanina ny ampitson'io), raha ny fahitàna azy dia ho fanitsahana ny lalàna, araka ny feo aelin'ny sasany. Nandefa ny tenifototra #معتقلي_السحور [ar] ireo mpisera amin'ny aterineto, izay midika hoe “voafonja nohon'ny Suhoor”.

Ahmad Abd Allah nampakatra ho amin'ny Facebook-ny ity hafatra manaraka ity [ar]:

١١ واحد بيتسحروا في بيت واحد منهم في دمنهور … الداخلية قبضت عليهم بتهمة التظاهر من غير تصريح … الحرية لمعتقلي السحور

Olona iraikambinifolo niara-nihinana suhoor tao amin'ny iray amin'ny tranon-dry zareo. Nosamborin'ny Ministeran'ny Atitany ry zareo noho ny fivorivoriana tsy ara-dalàna… avotsory ireo “voafonja nohon'ny sahoor”

Mohamed Hazem, mpampiasa Twitter avy ao Damnhour, nibitsika ho fanohanana ireo namany:

Tsy haiko na noho ny vonomoka ataon'ny mpiambina ny repoblika na ho an'ireo namako 11 voatàna no tokony hitomaniako .

Nibitsika tamin-keso izy taoriana kelin'izay :

Horaisin'ny Fampanoavana ve ny porofo toy ny fromazy sy ny oliva, sa ho havadiny ho [lasa] baomban-tsolika

Ary nibitsika saripika iray ahitàna azy 11 voasambotra ireo i Shahdan-shosh no sady nanamarika hoe:

Ny helok'izy ireo : ny fiaraha-nandray sahoor. Nosamborina niaraka tamin'ny “foul” (voamaina ) ry zareo, niampy “falafel” sy iaorta teny aminy.

Ilay mpikatroka mafàna fo, Wael Abbas, nibitsika ho an'ireo 265.000 mpanjohy azy hoe:

Mety hofoanako ny fety fankalazàko isan-taona ny Iftar-ko [sakafo famaranana ny fifadian-kanina], ho fanajàko ilay lalàna vaovao momba ny hetsi-panoherana 🙂

Nampiany hoe :

Izany eo ihany, fa efa antsasak'ireo nomeko fanasàna hiara-hihinana ny iftar tamin'ny taona lasa no efa any am-ponja, na any an-tsesitany na any am-pierena 🙂

Tamin'ny taona lasa, efa saika hametraka lalàna mitovitovy tamin'io ny fitondràn'i  Morsi, izay manakana ny fivorivoriana, lalàna tsy nety nahita masoandro noho ny kiakiaka nataon'ireo fikambanana iraisam-pirenena. Ilay bilaogy Ejiptiana, WikiThawra [ar], izay ny Ivontoerana Ejiptiana ho an'ny Toekarena sy ny Zo Ara-tSosialy no mitantana azy, dia milaza fa 80 raha kely indrindra ny olona maty tany am-pigadràna nandritr'iny taona lasa iny ary maherin'ny 40.000 ny olona voatàna na voampanga teo anelanelan'ny Jolay 2013 (nanonganana ny governemantan'i Morsi) sy ny tapaky ny volana May 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.