- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampahalalam-baovao An'olo-tsotra: Ahoana No Hampafantarana Amin'ny Olona Ny Lahatsarinao

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

woman-246235

Tamin'ny volana Marsa 2014, namokatra tari-dalana amin'ny teny Anglisy ny tambajotra Video4Change. Hifantoka amin'ny fizarana ireo fitaovana (ao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto) isika amin'ity indray mitoraka ity.

    
Ny fampivelarana ireo tari-dalana ireo, ka anisan'izany ireo efa navoakan'ny tambajotra Video4Change tao anatin'ny roa taona, dia ao anatin'ny andraikitra ho fanohanana ny asan'ireo mpikatroka mpamoaka lahatsary, sy tetikady fampiasana ny lahatsary amin'ny fisoloambava sy fanentanana. Mbola hamokatra tari-dalana maro izahay rahatrizay.

Navoaka voalohany [4] tao amin'ny habaky ny Video4Change ho ny “Fitaovana Telo Vaovao avy amin'ny Tambajotra Video4Change” miaraka amin'ny zon'ny mpamorona Creative Commons (CC BY-NC-SA 4.0) ity lahatsoratra ity. Ao anatin'ny sehatra azon'ny daholobe ampiasaina ny sary eo ambony.