Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Inona No Tsy Itiavan'ny Filohan'i Filipina An'ilay Mpilalao Horonantsarimihetsika Malaza Nora Aunor Ho Mpanakanton'ny Firenena

This meme urging Nora's fans to junk the president became popular in the Internet. Photo from the Facebook page of Pixel Offensive

Nanjary nalaza tao amin'ny aterineto ity “meme” mandrisika ireo mpankafy an'i Nora mba hitsipaka ny filohan'i Filipina (Noynoy) ity. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebookn'i Pixel Offensive

Niteraka tabataba teo amin'ireo Filipinina ny fitsipahan’ ny filoha Benigno Simeon “Noynoy” Aquino ny fanendrena  ilay kalazan'ny horonantsarimihetsika Nora Aunor hisalotra ny Mpanakanton'ny Firenena.

Tsaroana amin'ny mahampiantsehatra mpitari-dalana azy eo amin'ny sehatry ny fialam-boly ao Filipina tamin'ilay horonantsarimihetsika ‘Himala’ (Fahagagana)  izay nahazo ny Loka  safidin'ny mpijery amin'ny filma Azia-Pasifika amin'ny fotoana rehetra tamin'ny 2008 nokarakarain'ny CNN Azia-Pasifika i Aunor, ilay «mpanakanto kalaza (superstar)». Horonantsarimihetsika malaza hafa ihany koa ny «Bona», izay nahazo tsikera marobe manerantany noho izy maneho ny zava-misy ao amin'ny fiarahamonina Filipina.

Loha-laharana amin'ny lisitr'ireo kandidà voafantina ho Mpanakanton'ny Firenena noraketin'ny Foibe Ara-kolontsaina ao Filipina sy ny Komitim-pirenena hoan'ny Kolontsaina sy ny Kanto ity mpanakanto menavazana ity,  saingy tsy nankatoavin'ny filoha izany taorian'ny fakàn-kevitra nalefa tao amin'ny lapam-panjakana.

Ny antony tokana nambaran'ny mpitondra tenin'ny filoha, Sonny Coloma nahatonga ny fanilihana dia noho ny lalàna manome fahafahana ny filoha hisafidy Mpanakanton'ny Firenena tena izy, fahazoan-dalana izay tsy mila fanazavana fanampiny.

Vao maika nanampy trotraka tamin'ny adihevtra ny tsy nanomezana fanazavana matotra tamin'ny fanesoran’ny filoha Aquino an'i Nora Aunor ao anatin'ny lisitra misy ireo Mpanakanto Vaovaon'ny Firenena.

Nilaza ilay mpanao gazety Ellen Torsedillas fa tokony hanome fanazavana hoan'ny vahoaka  mikasika ny tsy fahombiazan'i Nora Aunor ny filoha:

Coloma should be reminded that Aquino is not a King who reigns without accountability to the people. The press secretary should also be reminded that Aquino won on the platform of transparency. He has time and again told the people, “Kayo ang Boss ko.” [The People are my Boss]. He now feels superior over his “Boss” that he does not have to explain his action?

Tokony hampahatsiahivina i Coloma fa tsy Mpanjaka mitondra tsy manana adidy hanao tatitra manoloana ny vahoaka i Aquino. Tokony hampahatsiahivina ihany koa ny sekretera mitafa amin-gazety fa ny sehatry ny mangarahara no nampandresy an'i Aquino. Nilaza mandrakariva tamin'ny vahoaka izy hoe, “Kayo ang Boss ko.« [Ny Vahoaka no Mpampiasa ahy]. Mahatsiaro tena ambony noho ny “Mpampiasa” azy izy ankehitriny fa tsy mila manazava mikasika ny fanapaha-keviny?

Legendary Filipina actress Nora Aunor. Screenshot from Abs-Cbn's promotional video for film Himala (Miracle)

Ilay mpilalao horonantsari-mihetsika malaza Filipinina Nora Aunor. Pikantsary avy amin'ny lahatsary fanentanan'ny Abs-Cbn momba ilay horonantsarimihetsika Himala (Fahaganana)

Nanoratra bilaogy ilay mpanao lalàna teo aloha Teddy Casiño fa porofon'ny tsy fanomezan'ny filoha lanja ny haikanto sy ny mpanakanto ny zava-miseho:

I wouldn’t give a damn if this were all jut a matter of personal taste or preference. But you see, the national artist award is not about the President’s own artistic or political biases. The thing is, Aunor was recommended by three bodies tasked precisely to select the artist most deserving of the award. Surely the President unilaterally and arbitrarily ignoring the work of all these people, including millions of Aunor’s fans, is something that deserves at least an explanation.

Tsy miraharaha aho raha toa ka resaka fahatsapana na fitiavana manokana ilay izy. Saingy hitanao, tsy fironana politika na mpanakanto manokan'ny filoha ny loka hoan'ny mpanakanton'ny firenena. Ny zava-misy dia natolotr'ireo Komity telo natokana hifantina ireo mpanakanato mendrika indrindra hoan'i Aunor ilay loka. Marina tokoa, mendrika fanazavana farafahakeliny ny fanapahan-kevitra samirery sy fahatany noraisan'ny filoha izay tsy miraharaha ny asa fifantenana nataon'ireo olona ireo, anisan'izany ireo mpankafy an'i Aunor an-tapitrisany. 

Himala_FilmPoster

Afisin'ny horonantsary Himala (Fahagagana) avy amin'ny Wikipedia

Nanipika i Marya Salamat fa maro amin'ireo horonantsarimihetsika malaza an'i Nora Aunor no miresaka momba ny olana ara-tsosialy izay mifanohitra amin'ny politikan'ny fitondrana ankehitriny :

The Aquino administration has been aggressive in continuing with labor export and Nora once essayed the blockbuster role of tragic migrant worker “Flor Contemplacion”, who tragically was executed in Singapore for allegedly killing a fellow migrant worker; Aquino pushed for increased presence of US troops and armaments by signing the grossly disadvantageous US-PH Enhanced Defense Cooperation Agreement while Nora has once essayed the role of a sister craving justice for a brother killed by US troops after purportedly being mistaken for a wild pig.

Mahery vaika amin'ny fanohizana ny fanondranana mpiasa alefa any ivelany ny fitondran'i Aquino ary niezaka nilalao tamim-pahombiazana ho eo amin'ny toeran'ny mpiasa mpitsoa-ponenana mampahonena “Flor Contemplacion” i Nora, izay indrisy fa novonoina tao Singapour noho izy voalaza fa namono mpiasa mpitsoa-ponenana namana  iray; Nanosika ho amin'ny fampitomboana isa tsy ankiato ireo tafika Amerikana sy fitaovam-piadiana i Aquino tamin'ny alalan'ny fanasoniavana Fifanekem-piarahamiasa mahafaty antoka iray lavaka eo amin'ny sehatry ny Fiarovana eo amin'ny Amerikana-Filipina raha niezaka nilalao ny toeran'ny anabavy mangetaheta rariny amin'ny anadahiny novonoin'ireo tafika Amerikana i Nora rehefa noheverina fa lambo.

Araka ny filazan'ny profesoran'ny Fampianarana Ara-kolotsaina, Joel David, mendrika ho Mpanakanton'ny Firenena i Nora Aunor tsy amin'ny fahaizany milalao horonantsarimihetsika ihany, fa amin'ny maha-mpamokatra horonantsary sy mpanakanto mpandraki-peo azy. “Mety misy ny mpijery matotra tamin'ny sehatra iasany (tahaka ahy) ary manamafy fa tsy misy hafa (afa-mifaninana) aminy akaiky, na dia maro aza ireo maniry hahatratra ny zava-bitany”, hoy izy nanoratra.

Misy ankehitriny ny volavolan-kevitra hanovana ny lalàna manome fahefana ny filoha hanendry ireo Mpanakanton'ny Firenena. Maro ireo milaza fa tsy tokony homena ireo mpanao politika tsy dia mahafantatra firy momba ny haikanto izany fanapahan-kevitra izany. Mandritra izany, manohy manery ny amin'ny fankatoavana ilay ankafiziny ho Mpanakanton'ny Firenena ireo mpankafy an'i Aunor.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.