- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosamborina i Takrooz, Bilaogera Bahrainita Mpanaraby

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Nanambara fisamborana mpiserasera iray hafa indray izay voampanga ho “nitarika fankahalàna ny fitondrana” ny minisiteran'ny atitany ao Bahrain.

Bilaogera mpanaraby mpandefa lahatsoratra fohy, fantatra amin'ny solon'anarana hoe Takrooz no nosamborina tao amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Bahrain, raha niverina avy any Thaïlandy, hoy ny minisitera tamin'ny fanambarana tamin'ny 18 Jiona 2014, [1]izay tsy nanonona ny anarany.

Bahrainita marobe no niditra Twitter ny ampitso mba hiampanga ny fisamborana, ary nilaza fa tsy ilaina izany satria tsy misy dikany ary nampiseho mazava ny tena lokon'ny governemanta ihany koa amin'ny fanampenana izay feo manohitra antserasera. Marobe ireo mpiserasera efa nosamborin'ny fitondrana nanomboka tamin'ny fihetsiketseham-panoherana ny governemanta tao Bahrain tamin'ny 14 Febroary 2011. Anisan'izany i Mahmood Al-Yousif [2], Mohamed Almaskati [3] ary ilay mpanoratra ato amin'ny Global Voices Mohamed Hasan [4].

Sokajiana ho fahavalon'ny aterineto i Bahrain araka ny filazan'ny tatitra 2014 avy amin'ny “Reporters without Borders [5]ary mitana ny laharana faharoa amin'ny fanagadrana mpanoratra gazety isan'olona tamin'ny taona 2013 araka ny tatitra avy amin'ny Komity Mpiaro ny Mpanoratra gazety [6].

Feo mavitrika amin'ny fiampangana ny famoretana ataon'ny governemanta amin'ireo mpikatroka i Takrooz, izay manana mpanjohy eo amin'ny 18 000 sy sioka 100.000, ary anisan'ny kaonty tena kendren'ny [7]ezaka fanarahamaso ataon'ny governemanta ao Bahrain. Mitantara ny fihoaram-pefy ataon'ny polisy,  vaovao momba ny ady amin'ny kolikoly sy ireo olana andavanandron'ny Bahrainita saranga antonony ireo siokany.

Ny ampitso, namoaka sary misy ny fitantaran'ny gazety Arabo mpivoaka isan'andro mikasika ny fisamborana an'i Takrooz ilay mpisera @ M_Alshaikh:

Namoaka lahatsoratra momba ny fisamborana an'i Takrooz tao amin'ny pejy voalohany ny gazetin'ny governemanta.

Mpisolo vava Hanan Alaradi @hananalaradi nisioka nanontany ny nisamborana azy:

Ho avotsotra amin'ny alalan'ny fandoavana onitra tahaka ireo mpisera Twitter mpanohana ny governemanta @Mnarfezhom ve ilay tompon'ny kaonty @Takrooz

Efa nisambotra mpisera Twitter, Mnarfezhom, mpanohana ny governemanta i Barhain, izay navotsotra [14] tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra, eo am-piandrasana ny fitsarana azy. Kaonty efatra miavaka manevateva sy manala-baraka olona, manohintohinana ny voninahitra sy ny lazan'izy ireo, manaraby ny fianakaviana Bahrainita amin'ny fampiasana teny tsy mendrika ao amin'ny kaonty media sosialy Twitter sy Instagram amin'ny alalan'ny anarana Al Raqeeb, Ahfad Al Waleed, Ahfad Omar sy Mnarfezhom no niampangana an'i Mnarfezhom.

Maro tamin'ireo mpisera Twitter tezitra no nandefa sioka taorian'ny fisamborana an'i Takrooz ary nilaza fa tsy misy dikany ny fisamborana tahaka izao. @ Lair_Vulnerable nanamarika hoe:

#Bahrain, rehefa misambotra… mpikomy, mpisera twitter, mpaka sary sns .. manao azy ho sarihoatra (saimboly) ianao, manitsaka ianao fa hihamahery izy. Izaho no Takrooz manaraka.

Nilaza ny loharanom-baovao ofisialy fa efa niaiky ho nitantana ilay kaonty ilay mpiserasera nosamborina ary hoentina eo anatrehan'ny fitsarana izy noho ny fitarihana fankahalàna ny fitondrana.