- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fahatafintohinana Sy Hatezeran'ny Vahoaka Aostraliana Tamin'ny Sazy Nomen'ny Fitsarana Ejipsiana Ny Mpanao Gazetin'ny Al Jazeera

Sokajy: Oseania, Aostralia, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
Protest in support of Australian Al Jazeera Journalist Peter Greste [1]

Mpanao hetsi-panoherana mitondra sorabaventy mivaky hoe ‘Avotsory i Peter’ sy ‘Avotsory i Aj Staff’ tao amin'ny famoriam-bahoaka tao Martin Place, ao Sydney ho fanohanana ireo mpanao gazety telo ao amin'ny Al Jazeera voatazona ao Ejipta. Sary nalain'i Richard Milnes, Fizakàmanana @Demotix (2/27 2014)

Fotoana vitsy monja taorian'ny nivoahan'ny didim-pitsarana famonjàna ireo mpanao gazety telo avy amin'ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy ao Ejipta dia naneho ny fihetseham-pony ny vahoaka Aostraliana:  fahatafintohinana sy hatezerana. Nitari-dàlana tamin'ny fangatahana ny hamotsorana an'i Peter Greste sy ireo namany miara-miasa aminy, Mohamed Fahmy sy Baher Mohamed, ireo mpanao gazety sy ny namany miasa ao amin'ny haino aman-jery. Voampanga ho ‘nanely tatitra tsy marim-pototra’ izay ‘manala baraka’ an'i Ejipta izy ireo.

Misy vaovao nanafintohina izay milaza fa ilay mpanao gazety teratany Aostraliana Peter Greste dia nogadraina mandritra ny 7 taona ao Ejipta http://t.co/4w9qcoKTqJ [2] via @smh [3]

Migadra mandritra ny 7 taona ao Ejipta ilay teratany Aostraliana, Peter Greste, mpanao gazetin'ny Al Jazeera. Dona be ho azy, ho an'ireo havan-tiany ary ho an'ireo mpanao gazety namany izany.#news [5]

Nankarary ny fon'i Peter Greste, sy ireo namany voampanga niaraka taminy, ary ny mpiara-miasa aminy sy ny fianakaviany izany. Sarintsarim-pitsaràna tsy misy antony. Tsy heloka akory ny manao asanà mpanao gazety.

Naneho ny fitaintainany momba io namany io koa i Mark Colvin, ilay mpanentana henin-kaja miasa ao amin'ny fampielezam-peo ABC:

Sarotra amiko ny tsy haneho ny fihetseham-poko momba io tantaran'i  @petergreste [8] io. Namako izy, ary nanana tombony aho nifandray akaiky tamin'ny Ray aman-dReniny Lois & Juris.

Tao anatin'ny minitra vitsivitsy monja dia nivoaka ho isan'ireo fironana enina malaza indrindra tao amin'ny Twitter tao Aostralia io didim-pitsaràna io.

Talohan'ny nivoahan'ny vaovao, nandefa bitsika an'ity pejy avy ao amin'ny New York Times i Tom Forbes, mpanao gazety anankiray hafa avy ao amin'ny ABC :

 

hafatra iray mafonja ao amin'ny faran'ny gazety New York Times androany. @PeterGreste [8] #FreeAJStaff [10] pic.twitter.com/s70z4VAgsF [11]

Namaly avy hatrany ny fanirian'ny vahoaka hanao hetsika ny sampana Amnesty ao Aostralia:

VAOVAO MISONGADINA: Nomen'i Ejipta ho sazin'i Peter #Greste ny fampidirana azy an-tranomaizina mandritra ny 7 taona. Manafintohina & tsy azo ekena izany. Mihetseha > http://t.co/1m0mn5haFa [14]

Nahita hevitra mikasika ny zavatra tokony hatao ihany koa i Simon Chapman, akademisiana any Sydney:

Misy famatsiam-bola azo atolotra ve hanampiana an'i #PeterGreste [16] & ireo namany amin'ny zavatra rehetra mety ilain'izy ireo any am-pigadrana'?

Ny famerenana mizara ireo bitsika no fandaharan'asa androany miaraka amin'ny antsoantson'i Sally Sara izay olo-malaza anankiray ihany koa:

Andao amin'izay ary …. Mandany 5 minitra fotsiny ny manoratra mailaka ho an'ny Masoivohon'i Ejipta ho fanohanana ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety sy  #PeterGreste [16]. Adiresy mailaka: Embassy.canberra@mfa.gov.eg

Niresaka tamin'ny fianakaviany sy ireo Aostraliana maro i Alister Greste, zanaky ny mpiray tampo amin'i Peter:

Amin'ny maha-fianakaviany dia malaelo mafy izahay saingy goavana ny faharisihanay/fanapahan-kevitray. Hitohy hatrany ny tolona ataonay ary tsy hitsahatra mihitsy izahay. #AJTrial [19] #freedom [20] #FAMILY [21] #fighting [22] (#AJFonja #fahalalahana #FIANAKAVIANA #tolona)