- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mety Ho Vita Bangladesh Ny Fanaminao Amin'ny Mondialy

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fampandrosoana, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna
About 4 million Bangladeshis are working in the Ready-Made Garments (RMG) sector, which is the principal source of foreign exchange earnings. 80% of the workforce in this sector are women. Image by Shafiqul Alam. Copyright Demotix (22/6/2014) [1]

Bangladeshita eo amin'ny 4 tapitrisa eo no miasa ao amin'ny Ready-Made Garments (RMG) izay anisan'ny fidiram-bola voalohany eo amin'ny fifanakalozana ara-barotra amin'ny any ivelany. Vehivavy avokoa ny valopolo isan-jaton'ireo mpiasa. Sary avy amin'i Shafiqul Alam. Copyright Demotix (22/6/2014)

Laharana gisigisitra i Bangladesh eo amin'ny ekipa baolina kitra manerantany ary tsy tafiditra hilalao amin'ny Mondialy FIFA amin'ity taona ity ihany koa, saingy mbola manana anjara toerana lehibe ao Brezila ity firenena be mponina ity — mitondra ny marika “Vita Bangladesh (Made in Bangladesh [2])” ny maro amin'ireo fitafiana eny amin'ireo mpankafy sy ny sasany amin'ny fanamian'ireo mpilalao. 

Orinasa mpanamboatra akanjo [3], izay efa nampidi-bola betsaka indrindra ao amin'ny firenena tamin'ny fanondranana entana  no nahazo 500 tapitrisa dolara Amerikana farafahakeliny [4] amin'ny fanondranana entana amin'ny fanjairana ny fanamian'ireo mpankafy ny ankamaroan'ireo mpilalao izay ahitana ekipa mpandray anjara 16 [5] amin'ny Mondialy, anisan'izany i Arzantina, Brezila, Italia, Iran, Frantsa, Angletera, Soisa, Belzika, Shily ary Alemaina. Antenaina hampiroborobo ny indostria izany varotra izany.

Nanamboatra ny fanamian'ireo ekipam-pirenena Breziliana ihany koa i Bangladesh. Nanapa-kevitra ny Kaonfederasion'ny Baolina Kitra Breziliana (CBF) fa ny “Made in Bangladesh” no tokony misoratra eo amin'ny farany ambanin'ny fanamiana [6] mba hanomezam-boninahitra ireo niharam-boina tamin'ny firodanan'ny Rana Plaza tamin'ny taona 2013 [7] izay namoizan'ain'olona maherin'ny 1100 sy ny fahamaizan'ny orinasa Tazreen Garments [8]izay nahafaty mpiasa maherin'ny 100, araka ny tatitra [9] avy amin'ny fampahalalam-baovao.

Niarahaba an'i Bangladesh amin'ny asany  tao amin'ny tranokalam-baovaon'ny baolina kitra Side Tackle i Karima Haque [10] :

We […] commend and salute the thousands of pairs of hands that has made this praiseworthy feat possible. They have, and they will, make Bangladesh proud in the foreseeable future.

Midera sy miarahaba ireo tanan-droa an'arivony izay nahatanteraka ity asa mahavariana mendri-piderana ity. Mahatonga, hahatonga an'i Bangladesh hirehareha amin'ny hoavy hita miaoha izy ireo.

Tanvir Ahmed [11], mpanohana ny Klioba Baolina Kitra Liverpool ao an-drenivohitr'i Bangladesh, Dhaka, nisioka hoe: 

Mahatsiaro afa-mirehareha aho raha mahita fa vita Bangladesh avokoa ny fitafian'i Brezila tamin'ity taona ity. Tena afa-mirehareha!!

Tsy ao amin'ireo firenena mpandray anjara amin'ny lalao ihany no malaza ireo fanamiana Mondialy, fa ao Bangladesh ihany koa, firenena ahitana mponina eo amin'ny 160 tapitrisa eo. Ny Baolina Kitra no fanatanjahan-tena ankafizina indrindra ao. Hita ao ireo fanamiana ofisialin'ny ekipa tahaka ny Nike, Adidas ary Puma saingy lafo, koa maro amin'ireo mpankafy no misafidy mividy fanamiana tsy ofisialy eny amoron-dalana na eny amin'ny magazay.

A group of football fans in Dhaka seen wearing their favorite team jerseys ahead of the upcoming 2014 FIFA World Cup in Brazil. [14]

Vondrona mpankafy baolina kitra ao Dhaka hita mitafy ny fanamian'ny ekipa ankafiziny (tohanany). Sary avy amin'i Reaz Sumon. Zon'ny mpamorona Demotix (05/06/2014)

Football fans take out a procession on Dhaka University campus ahead of the opening ceremony eve of 20th FIFA World Cup 2014 that will take place in Brazil. [15]

Mpankafy baolina kitra ao amin'ny Oniversiten'i Dhaka. Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (12/06/2014)]

Bangladeshi Football fans are already busy buying flags and jerseys of the countries they support. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix ( [16]

Bangladeshita mpankafy baolina kitra mividy sainam-pirenena sy fanamian'ny firenena tohanan'izy ireo. Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Zon'ny mpamorona Demotix (10/06/2014).

Football fans buy Jerseys of their favourite teams from Bangladesh's Dhaka ahead of the FIFA World Cup. Image by Md. Asaduzzaman Pramanik. Copyright Demotix (19/5/2014) [17]

Mpankafy baolina kitra mividy fanamian'ny ekipa ankafiziny ao Dhaka, Bangladesh alohan'ny Mondialy FIFA. Sary avy amin'i Md. Asaduzzaman Pramanik. Zon'ny mpamorona Demotix (19/5/2014)

Voaporofo ho tombontsoa hoan'ny fandraharahana ny fitafiana. Bangladeshita mpanamboatra akanjo sady mpilalao horonantsary malaza M. A. Jalil Ananta [18] nanazava nandritra ny antsafa tamina gazety ao an-toerana momba ny toekaren'ny fanondranana entana:

পোলো ব্র্যান্ডের জার্সিগুলোর দাম আমরা প্রতি পিসের জন্য সর্বনিম্ন নয় ডলার করি নিচ্ছি। অন্য সময় আমরা সাধারণত একই ব্র্যান্ডের এই পোলো শার্টের দাম প্রতি পিস সাড়ে ছয় ডলার থেকে সাত ডলার রাখি। এতে করে এখানে যেসব গার্মেন্টস এই কাজ করছে, তারা প্রতি পিসে বাড়তি দুই ডলার করে পাচ্ছে। ফলে আমরা রেমিট্যান্সও বেশি করে আনতে পারলাম। আমরা দুদিক থেকেই লাভবান। এক. বিশ্বকাপে একধরনের অংশগ্রহণ, দুই. ব্যবসায়িকভাবে লাভবান। এ ছাড়া বাংলাদেশের পরিচিতিও বাড়বে।

Manondrana akanjo baolina kitra marika Polo izahay, izay 9 dolara Amerikana ny vidiny iray. Matetika ny vidin'ity entana ity dia manodidiina ny 6,30-7 dolara Amerikana. Saingy noho ny fahabetsahan'ny fanafarana ny fanamiana, nahazo 2 dolara  fanampiny  ireo mpanamboatra mpamatsy ireo fanamiana. Ka nitombo ny vola miditra avy amin'ny vola vahiny. Tombony roa no azontsika amin'izany: 1) Afa-mandray anjara amin'ny (fanatontosana) Mondialy isika 2) mahazo tombony (vola) betsaka. Mampiroborobo ny lazan'i Bangladesh ihany koa izany.