- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mety Hisamborana Anao Ny Fanatontosana Lahatsary Youtube Hanohanana Ny Ekipam-pirenena Ao Iran

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanatanjahantena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka
Screenshot of a video supporting Iran's national team in the World Cup. Those involved in the video were reportedly arrested. [1]

Pikantsarin'ny lahatsary manohana ny ekipam-pirenena Iraniana nandritra ny Mondialy. Nosamborina ny olona telo nandray anjara tamin'ny fanatontosana ny lahatsary.

Iray volana monja taorian'ny nampidirana am-ponja [2] ireo Iraniana enina noho ny fanatontosana lahatsary malaza “Happy”, olona telo indray no nosamborina tao Iran noho ny fandraisan'izy ireo anjara tamina lahatsary mozika misy feon-kira manohana ny ekipam-pirenena Iraniana tamin'ny Mondialy.

Ahitana horonantsary Iraniana avy amin'ireo firenena maherin'ny roa ambin'ny folo mihira sy mandihy ilay lahatsary [3]novokarin'i [3]Ajam Band [4] monina ao amin'ny Fanjakana Britanika. Mpilalao horonantsary roa sy mpanatontosa sarimihetsika no nosamborina, araka ny filazan'ny sampam-pahalalam-baovaom-panjakana Iraniana [5]. Tsy ampy ny fanazavana mahatonga ny nisamborana azy ireo, saingy nolazain'ireo polisy Iraniana ho “foza [6]” ilay lahatsary .

Navoaka roa andro monja mialoha ny fisokafaran'ny Mondialy tamin'ny 10 Jiona 2014 ny “Goal Iran” (Iran mahatafiditra baolina – tanjona Iran), ary nahazo mpijery sahabo ho 30 000 tao amin'ny YouTube. Nitatitra ny Sampam-baovao France-Press fa nalefa tamin'ny fahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana ao Iran ilay lahatsary, izay  azo avy amin'ny alalan'ny (antenina) viliabe tsy ara-dalàna nefa miely be ny fampiasana azy.

Ny voambolana persiana hoe voninkazo dia midika ihany koa hoe “mahafaty baolina – mahatafiditra baolina – tanjona”, ka samy hita ao amin'ny hira ny fampiasana ireo dika roa ireo : 

What is the goal, which is the fruit of love and hope
What is the goal, which is red and green and white [the colours of the Iranian flag]
What is the goal that came from Iran’s heart
Our hearts want an Iranian goal
Come on, come on we want a goal
…long live Iran’s name

Inona ny voninkazo, izay vokatry ny fitiavana sy ny fanantenana 
Inona ny voninkazo, izay mena sy maintso ary fotsy [lokon'ny sainam-pirenena Iraniana]
Inona ny tanjona izay avy amin'ny fon'i Iran 
Mila baolina Iraniana tafiditra ny fontsika 
Alefa, alefa, mila baolina tafiditra izahay 
… Ho ela velona ny anaran'i Iran

Nihintsana [7] tamin'ny Mondialy i Iran rehefa resin'i Bosnia-Herzegovina 3-1 tamin'ny 25 Jiona.

Nitarika avy hatrany ireo Iraniana hidina an-dalambe hankalaza ny faharesena teo anoloan'i Arzantina tamin'ny fifaninanana. Tsy navelan'i Iran nampiditra baolina [8] i Arzantina tao anatin'ny 90 minitra nandritra ny lalao tamin'ny 21 Jiona mandrapampidiran'ilay “superstar” Lionel Messi baolina tamin'ny minitra farany. Hoan'ireo Iraniana marobe, zava-bita mahatalanjona hoan'ny ekipam-pireneny izany.

Amir Jahnashai, mpanorina ny fahilavitra Iraniana mpanohitra  “Raha TV” ao London, nisioka [9] hoe:

Manohana ny ekipam-pirenentsika daholo ny firenena Iraniana manotonto. Tokony hiseho eo amin'ny sehatra rehetra izany firasainkina izany.

Bilaogera Namajafari nampiditra [15] zava-misy tsy mahafaly kely tamin'ny fankalazana:

Faharesena mahafinaritra, antenaina fa indray andro any, afaka hipetraka eo anilan'ireo lehilahy Iraniana ny vehivavy Iraniana rehefa mijery lalao fifaninanana.