Iray volana monja taorian'ny nampidirana am-ponja ireo Iraniana enina noho ny fanatontosana lahatsary malaza “Happy”, olona telo indray no nosamborina tao Iran noho ny fandraisan'izy ireo anjara tamina lahatsary mozika misy feon-kira manohana ny ekipam-pirenena Iraniana tamin'ny Mondialy.
Ahitana horonantsary Iraniana avy amin'ireo firenena maherin'ny roa ambin'ny folo mihira sy mandihy ilay lahatsarynovokarin'iAjam Band monina ao amin'ny Fanjakana Britanika. Mpilalao horonantsary roa sy mpanatontosa sarimihetsika no nosamborina, araka ny filazan'ny sampam-pahalalam-baovaom-panjakana Iraniana. Tsy ampy ny fanazavana mahatonga ny nisamborana azy ireo, saingy nolazain'ireo polisy Iraniana ho “foza” ilay lahatsary .
Navoaka roa andro monja mialoha ny fisokafaran'ny Mondialy tamin'ny 10 Jiona 2014 ny “Goal Iran” (Iran mahatafiditra baolina – tanjona Iran), ary nahazo mpijery sahabo ho 30 000 tao amin'ny YouTube. Nitatitra ny Sampam-baovao France-Press fa nalefa tamin'ny fahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana ao Iran ilay lahatsary, izay azo avy amin'ny alalan'ny (antenina) viliabe tsy ara-dalàna nefa miely be ny fampiasana azy.
Ny voambolana persiana hoe voninkazo dia midika ihany koa hoe “mahafaty baolina – mahatafiditra baolina – tanjona”, ka samy hita ao amin'ny hira ny fampiasana ireo dika roa ireo :
What is the goal, which is the fruit of love and hope
What is the goal, which is red and green and white [the colours of the Iranian flag]
What is the goal that came from Iran’s heart
Our hearts want an Iranian goal
Come on, come on we want a goal
…long live Iran’s name
Inona ny voninkazo, izay vokatry ny fitiavana sy ny fanantenana
Inona ny voninkazo, izay mena sy maintso ary fotsy [lokon'ny sainam-pirenena Iraniana]
Inona ny tanjona izay avy amin'ny fon'i Iran
Mila baolina Iraniana tafiditra ny fontsika
Alefa, alefa, mila baolina tafiditra izahay
… Ho ela velona ny anaran'i Iran
Nihintsana tamin'ny Mondialy i Iran rehefa resin'i Bosnia-Herzegovina 3-1 tamin'ny 25 Jiona.
Nitarika avy hatrany ireo Iraniana hidina an-dalambe hankalaza ny faharesena teo anoloan'i Arzantina tamin'ny fifaninanana. Tsy navelan'i Iran nampiditra baolina i Arzantina tao anatin'ny 90 minitra nandritra ny lalao tamin'ny 21 Jiona mandrapampidiran'ilay “superstar” Lionel Messi baolina tamin'ny minitra farany. Hoan'ireo Iraniana marobe, zava-bita mahatalanjona hoan'ny ekipam-pireneny izany.
Amir Jahnashai, mpanorina ny fahilavitra Iraniana mpanohitra “Raha TV” ao London, nisioka hoe:
امروز همه ملت #ایران پشتیبان تیم ملی #فوتبال است. این روحیه همبستگی ملی در #ورزش را باید در همه زمینهها فراگیر کنیم. pic.twitter.com/z57ZVSVvSw
— Amir Jahanshahi (@Jahanchahi), June 21, 2014
Manohana ny ekipam-pirenentsika daholo ny firenena Iraniana manotonto. Tokony hiseho eo amin'ny sehatra rehetra izany firasainkina izany.
Bilaogera Namajafari nampiditra zava-misy tsy mahafaly kely tamin'ny fankalazana:
یک باخت شیرین! به امید اینکه در ورزشگاه آزادی ایران نیز زنان و مردان در کنار هم به تماشای #والیبال و #فوتبال بنشینند pic.twitter.com/3UpomFZl74
— namajafari (@namajafari) June 21, 2014
Faharesena mahafinaritra, antenaina fa indray andro any, afaka hipetraka eo anilan'ireo lehilahy Iraniana ny vehivavy Iraniana rehefa mijery lalao fifaninanana.