Thailand : Miezaka Maka Ny Fon'ny Olona Amin'ny Fandefasana Malalaka Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany Amin'ny TV Ny Mpanongam-Panjakana

The 'Happiness' Festival offered selfies with dancing women soldiers. Photo by Steve Storey, Copyright @Demotix (6/4/2014)

Nanolotra “selfie” iarahana amin'ireo vehivavy miaramila mandihy ny Fetiben'ny “Hasambarana”. Sary an'i Steve Storey, fizakàmanana @Demotix (6/4/2014)

Miomana ny handefa mivantana ireo lalao 64 amin'ny fiadiana ny amboara erantany amin'ny tobinà TV malalaka any Thailandy ny fitondrana mpanongam-panjakana noho ny fanekeny “hamerina  ny fahasambarana ho an'ny vahoaka”.

Nisy fikarakarana fetiben'ny ‘hasambarana’  izay ahazoana fanapaham-bolo maimaimpoana, sakafo maimaim-poana, fanorana maimaim-poana ary fizaham-pahasalamana maimaim-poana nanerana ny firenena hatramin'ny herinandro lasa. Nampifalifalian'ny tafika teo amin'ny toerana mahazatra fanaovany hetsi-panoherana ny vahoaka.

Nanao ireny dingana ireny ny mpanongam-panjakana mba hampitomboana ny fanohanan'ny vahoaka ilay fanonganana. Tena nankasitrahan'ny Thais maro ny fandefasana malalaka ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany izay tsy afaka nanaraka ny lalao tamin'ny 2012 ny ankamaroan'izy ireo noho ny tsy fahazoan'ny TV alàlana.

Ny fifehezana ny TV sy ny  fanomezana vahana ny fanambarana ara-miaramila ary ny hira fitiava-tanindrazana tamin'ny fotoanan'ny Ady Mangatsika no natao  haingana tamin'ny fotoana nanaovana ny fanonganam-panjakana tamin'ny 22 May 2014. Hatreo dia nohalefahany ny fameperana ny fandaharana sasany ao amin'ny TV izany saingy mbola araha-maso fatratra kosa ireo haino aman-jery fihainom-bahoaka. 

Nambaran'ireo mpanongam-panjakana ihany koa ny fandefasana maimaim-poana ny “The Legend of King Naresuan”, sarimihetsika momba ilay mpitarika hajaina izay niaro sy nanitatra ny fanjakana Thai. Nahemotra ny fampakarana ny saram-pitateran'ny fiarandalamby mba hahasambatra ny olona. 

With the aim of restoring "Happiness" to the Thai people, the Army held its first afternoon entertainment festival at Victory Point. Photo by Steve Storey, Copyright @Demotix (6/4/2014)

Ho famerenana ny “Hasambaran'ny” vahoaka Thai, nanao ny fetibe voalohany famalifaliana teo amin'ny Victory Point ny tafika. Sary avy amin'i Steve Storey, Fizakàmanana @Demotix (6/4/2014)

Teny am-piandohana, nikabary ho fiarovana ny fanonganam-panjakana sy nianiana ny ‘ hiverenan'ny hasambaran'ny vahoaka’ ny Lehiben'ny tafika, Prayuth Chan-ocha : 

Fantatsika fa miaina ao amin'ny tontolo demokratika isika, fa efa vonona ve i Thailana raha resaka olona, ny endrika ary ny fomba hanatanterahana ? Olana maro no ilaina vahantsika ; miainga avy amin'ny fitantànan-draharaha ka hatramin'ny rafitry ny fitantanam-bola, ny kolikoly, eny fa na dia  hatramin'ny teboka fanombohan'ny atao hoe demokrasia mihitsy aza – ny fifidianana. Tsy maintsy ialàna ny jadona parlemantera. Niteraka savorovoro sy tsy fahasambarana teo amin'ny vahoaka Thai izany rehetra izany.

Andrana sy famerenana ny zava-drehtra amin'ny tokony ho izy ny ataonay amin'izao fotoana izao. Ao an-tsainay ny hamerina ny hasambaran'ny tsirairay miaina eto Thailand, na vahiny izany na Thai.

Mba hahatontosana ny fampihavanana dia misy ny hetsika tsy maintsy atao, isan'izany ny fialamboly sy ny fampilalaovana mba hahafahan'ny vahoaka miala sasatra sy ho vonona hiresaka. Tianay hatsahatra ny fifandirana rehetra. 

Nanangana foibe maro ho fampihavanana  ny governemanta hanafoanana ny disadisa misy eo amin'ireo hery politika mpifanandrina. 

Mialohan'ny fandefasana maimaim-poana ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany, nomen'ny mpanongam-panjakana baiko ny TV mba handefa ny hira “Return happiness to the people” ( avereno amin'ny vahoaka ny hasambarana), nosoratanà jeneraly ao amin'ny tafika. Adin'ny iray monja no voalaza ho nanoratana ny tonon'ilay hira ary ahitana taratra ny hafatry ny tafika ho an'ny vahoaka. Ity ambany ity ny dika tsy ofisialin'ny  ampahany amin'ilay hira : 

Avelao izahay ho isan'ireo manao dingana, fa sao dia diso aoriana loatra
Hamerina ny fitiavana, hafiriana no hanaovana izany ?
Azafady, mbola hiandry ianao ? Handeha hihoatra ny disadisa izahay
Ho tanterahanay izay nampanantenainay. Mangataka fotoana fohy fanampiny izahay.

Ny angatahanay aminareo dia ny hatoky sy hino anay
Fotoana fohy dia ho tsara ny tany
Avelao haverinay aminareo ny hasambarana, ry vahoaka

Military doctor hand medicine to a man who attend the reconciliation event at Victory Monument. Photo by Yostorn Triyos, Copyright @Demotix (6/4/2014)

Tafika mpitsabo iray manome fanafody ho anà lehilahy iray izay  manatrika ny fotoam-mpampihavanana ao Victory Monument. Sary avy amin'i Yostorn Triyos, Fizakàmanana @Demotix (6/4/2014)

Angatahan'ny Jeneraly Prayuth ihany koa ny mpanohitra ny fanonganam-panjakana hanangana ny rantsany dimy fa tsy ny fiarahabana  rantsana telon'ny ‘Hunger Games :

Misy ny hetsika fananganana ny rantsana 3 ho fandavana – tsara izany. Tsy manana disadisa aminareo aho. Fa angamba tsaratsara kokoa raha any an-tranonareo ianareo no manao izany fa tsy imasom-bahoaka. Fa nahoana moa raha rantsana 5 no atsangantsika – ny 2 ho an'ny tanindrazana ary ny 3 hafa ho an'ny fivavahana, ny fanjakana ary ny vahoaka. Hala tahaka avy taminà sarimihetsika vahiny ny fananganana rantsana 3, fa tokony  hirehareha amin'ny maha isika antsika manokana isika.

Noraràn'ny tafika ny hetsi-panoherana sy ny fivorian'ny olona dimy no mihoatra imasom-bahoaka hatramin'ny andro voalohan'ny fanonganam-panjakana. Fa na dia eo aza izany fandraràna izany dia mbola maro ireo Thai nanohy nikarakara endrika hetsi-panoherana tsy fahita firy.

Karazana fiarahabana fanoherana rantsana telo :

Nikiaka ny hoe ” Tiako Thailand” sady nanandrana nanao ny fiarahabana vaovao amin'ny rantsana telo ity vehivavy mpanohitra ity.

Fa manana ny fandikàny ny fiarahabana rantsana telo ny Jeneraly Prayuth :

Manao ny mariky ny ‘ Tiako ianao’ ny Jeneraly sefon'ny NCPO, Prayuth, talohan'ny handaozany ny Klioban'ny tafika Thai, avy amin'i @duangtip_TPBS pic.twitter.com/eYnAnzjDxY

Ho Fanakanana ny  hetsi-panoherana  dia nametrahan'ny mpanongam-panjakana mpitandro filaminana ny toerana feno vahoaka, eny fa na hatrany anaty fiarandalamby aza.

Miaramila anaty BTS manara-maso mitily akaiky ireo mpanao fihetsiketsehana mavitrika #thaicoup pic.twitter.com/68hiq29e5t

Rehefa nolavina ny fiarahabana “Hunger Games” dia nanandrana nanao hetsika hafa indray ny mpanohitra :

Thai anti-coup protesters cover their mouths during a demonstration at a shopping mall in Bangkok. Notice that they didn't make the 'Hunger Games' salute and they were less than  five people in a public place. Photo by John Vincent, Copyright @Demotix (6/8/2014)

Ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana manampina ny vavany nandritra ny hetsika tao aminà toeram-pivarotana lehibe tany Bangkok. Jereo fa tsy nanao ny fiarahabana ‘Hunger Games’ ry zareo ary olona latsaky ny dimy amin'ny toerana vory vahoaka. Sary avy amin'i John Vincent, Fizakàmanana @Demotix (6/8/2014)

Mandritra izany fotoana izany, nanohy nampiantso ireo Thai  an-jatony ahiahiana ho mitsikera ny tafika ireo mpanongam-panjakana. Nefa nanitrikitrika ny Col. Weracho fa ireo nomena baiko hanao tatitra amin'ny tafika dia tsy olona notànana satria nomena fitaovana toy ny fandrindràna rivotra iainana sy ” sakafo tsara” izy ireo. Nazavainy ihany koa ny antony fanagiazana ny fitaovam-pifaneraseran'ireo “voasambotra”. 

Miresaka amin-dry zareo izahay, miezaka ny mandresy lahatra azy ireo hoe ny tombon-tsoam-pirenena aloha vao ny azy. Tsy tianay hahazo vaovao avy any ivelany izy ireo. Tianay fotsiny hijanonana amin'izay azy izy ireo.

 Fa nitafatafa tamin'ny sasany tamin'ireo voasambotry ny tafika i Prachatai ary nizara ny zavatra mafy niainany :

Ireo mpikatroka mafàna fo tsy fantatra ny anarany, izay nampanantsoina hoy i Prachatai, dia nalaina am-bavany teo anoloanà manamboninahitra folo tsy fantatra ny momba azy. Anontanian'ireo manamboninahitra ny heviny momba ny fanjakana, ny fanonganam-panjakana ary ny ilàna ny tafika amin'ny fanatanterahana izany.

Noterena hanokatra ny kaonty Facebook-ny ny mpikatroka iray ary namela ireo manampahefana hamaky izay hetsika ataony sy handinika izay vondrona ifandraisany. Anankiray indray, mahaleotena mpandefa vaovao amin'ny aterineto izay nihevitra ny haka sary ny zava-miseho no noterena ihany koa hanome ny kaonty facebook-ny tamin'ny tafika. Jeren'ireo tafika ireo ny Fanpage-ny ( pejy ho an'ireo mpankasitraka) izay ametrahany ireo lahatsary an-jatony momba ny hetsika politika sy ireo karazam-pivoriana .

Ny lalàna momba ny haino aman-jery 

Averimberin'ny governemanta ny fampitandremana ireo mpikirakira ny aterineto mba tsy hitsikera ny tafika sy ny fitondran'ny mpanongam-panjakana. Nefa hatramin'izao dia mbola tsy vitan'ny tafika ihany ny manakana ny Thais tsy hizara ireo vaovao mitsikera, ary hatramin'ireo fanambarana fanoherana aza. Vao haingana teo izao dia norahonan'ny manamboninahitry ny mpitandro filaminana ho enjehana, samborina, ary helohina ho manitsakitsaka ny lalàna ireo mpanohitra miserasera amin'ny aterineto . 

Ankoatra izay nohamarininà  orinasa iray any Norvezy fa notapahany nandritra ny adiny iray ny Facebook tany Thailandy ny 28 May taorian'ny fangatahana nataon'ny manampahefana Thai. Nanohitra ny fanazavana nomen'ny governemanta io, hoe vokatry ny olana kely ara-teknika iny fahatapahana iny. Navoakan'ny vondrona Telenor any Norvezy sy naparitany tamin'ny The Next Web ity fanambarana ity : 

Io baiko io, izay natao tamin'ny 15:35, dia tena nisy fiantraikany tamin'ireo “dtac” 10 tapitrisa mpampiasa Fecebook. Mino ny fisokafan'ny serasera ny vondrona Telenor ary malahelo ny amin'izay mety ho naterak'izany tamin'ny vahoakan'i Thailandy. 

Ny 13 Jona, angamba mba hanomezana toky ny vondrona iraisam-pirenena , dia nanambara ny tafika fa hatsangana  ny governemanta mpisolo toerana amin'ny Aogositra na Septambra. Nofoanany ihany koa ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina any amin'ny faritany maherin'ny 20. Tsy miankina amin'ny fahatsapan'ny olona ny momba ny fanonganam-panjakana, vitany ny famerenana amin'ny tokony ho izy ny faritra maro ao amin'ny firenena , indrindra ho an'ny mpizaha tany :

Zava-misy ny hoe hatramin'ny fanonganam-panjakana tany #Thailand, voaaro kokoa ny mpizaha tany noho ny tany aloha. Tsy misy intsony ny poa-basy isan'andro, ny fanapoahana baomba, ny hetsi-bahoaka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.