Manana fahazarana maharitra amin'ny fitadiavana ny hambom-pom-pirenena ao anatin'ny faharesenay izahay Aostraliana. Ny zavatra niainana tamin'ny ANZAC tany Gallipoli [1] tamin'ny Ady Lehibe Voalohany no ohatra malaza amin'izany. Ny faharesena 1 noho 3 nanoloana an'i Shilia tamin'ny #WorldCup2014 [2] (fiadiana ny amboara erantany 2014) no ohatra farany.
Nolazain'i Lisa Singh, Loholona avy amin'ny antokon'ny mpiasan'i Tasmania ao amin'ny parlemanta federaly tamin'ny teny fohy izany :
Congrats @Socceroos [3] you make Australia proud #GoSocceroos [4]
— Lisa Singh (@Lisa_Singh) June 14, 2014 [5]
Arahabaina ry @Socceroos [3] mampirehareha an'i Aostralia ianareo #GoSocceroos [4] (alefa ry Socceroos)
Niaraka tamin'ny Tafika Maitso sy Ranom-bolamena (@GGArmy [6]) i Francis Leach, ‘mpanao gazety ara-panatanjahantena’ manana ny fihaingony manokana toy ny fihaingon'ireo mpanohana ny ekipam-pirenen'i Aostralia
Tena nampifaly tena tanteraka izy :
Aussies everywhere! Our Brazilian waiter in Gramado (on the right) busts out his @gomvfc [7] scarf! @GGArmy [6] @Socceroos [3] pic.twitter.com/loXGh15mjO [8]
— Francis Leach (@SaintFrankly) June 15, 2014 [9]
Ahitana Aostraliana eny rehetra eny ! nanala ny lambany @gomvfc [7] ! ilay Breziliana mpandroso sakafo anay tao Gramado ( ao amin'ny ankavanana) @GGArmy [6] @Socceroos [3]
Maneho fihetsika mihantsy i @geeksrulz, i Aostralia rahateo no hilalao amin'ny Espaina amin'ny fihodinana voalohany :
Bad luck Socceroos. Valiant effort. More fighting spirit than the World Champion Spain. #CHIAUS [10] #SBSworldcup [11]
— Winker Tiny Abbitt (@geeksrulz) June 13, 2014 [12]
Socceroos ratsy vintana. Ezaka mivaivay. Toe-tsaina miady bebe kokoa noho Espaina, tompon-daka erantany #CHIAUS [10] #SBSworldcup [11]
Hain'ny Socceroos ny fomba hankasitrahana ireo mpitia azy :
@Godders_20 [13] Thanks for your support. Here's a signed @Socceroos [3] team photo from Mile Jedinak #GoSocceroos [4] pic.twitter.com/YxwV3yriw1 [14]
— Socceroos (@SocceroosReply) June 15, 2014 [15]
@Godders_20 [13] Misaotra noho ny fanohananareo. Ity misy sarin'ny ekipa @Socceroos [3] vita sonia avy amin'i Mile Jedinak #GoSocceroos [4]
Tsy misy ny baolina kitra raha tsy farafaha-ratsiny misy ny tsy fetezan'ny fitsarana sy ny fangalarana. Niray feo tamin'ny rehetra ilay mpamono baolina tokanay, i Tim Cahill :
Cahill blasts ‘cheating Chileans’, referee: Socceroos star says Australia was robbed of a clear penalty in the… http://t.co/Vh7aXzrY18 [16]
— Wendy Ƹ̵̡Ӝ̵̨̄Ʒ Pope (@pinkalchemy) June 14, 2014 [17]
Nitabataba i Cahill ‘ Shiliana mpangalatra’, ny mpitsara : Lazain'ireo kintan'i Socceroos fa norobaina taminy ny ‘penalty’ mazava tao amin'ny….http://t.co/Vh7aXzrY18 [16]
Fa mbola mitohy ihany ny olana momba ny anarana ho an'ny Piraiminisitra Tony Abbott izay nandeha tany ivelany nandritra ny diany. Rehefa naka ohatra an'i Canadia izy dia nafangarony ny anaran'ny kapiteny Mile Jedinak, izay nahatonga ny tenifototra hoe #Mike [18] ho latsaka ambany.
Draped in an Aussie scarf, the PM records a message of support for the #Socceroos [19] and gets the captain's name wrong http://t.co/bonFF07JLJ [20]
— Stephen Spencer (@sspencer_63) June 13, 2014 [21]
Nirakotra ny lamban'ny Aostraliana, mandefa ny hafatra fanohanana ho an'ny #Socceroos [19] sy mahazo ny anarana dison'ny kapiteny ny PM http://t.co/bonFF07JLJ [20]
Nibitsika i Van Badham, mpanao gazety politika sady mpanao tsikera ny PM :
Tony Abbott gets the name of the Socceroos captain wrong. Please JESUS: don't ask him to explain the offside rule. http://t.co/wcp22H0P8f [22]
— Lady Van Badham (@vanbadham) June 14, 2014 [23]
Nahazo ny anarana dison'ny kapitenin'ny Socceroos i Tony Abbott. JESOA ô! raha sitrakao aza takiana aminy ny fanazavana ny lalàn'ny tsy ao anaty lalao ( hors-jeu) http://t.co/wcp22H0P8f [22]
Fa aoka tsy ho faranana aminà lahatsoratra mahakivy. Nozarain'i Sam McMillan ity fotoana ity :
The World Cup is about more than just winning or losing. Bresciano = class act. @Socceroos [3] pic via @Godders_20 [13] pic.twitter.com/HpLGlQXGF6 [24]
— Sam Mac (McMillan) (@MrSamMac) June 15, 2014 [25]
Ambony kokoa noho ny mandresy na resy tsotra izao ny baolina kitra. Bresciano= fihetsiky ny olona ambony @Socceroos [3] sary avy amin'i @Godders_20 [13] pic.twitter.com/HpLGlQXGF6 [24]