Manana fahazarana maharitra amin'ny fitadiavana ny hambom-pom-pirenena ao anatin'ny faharesenay izahay Aostraliana. Ny zavatra niainana tamin'ny ANZAC tany Gallipoli tamin'ny Ady Lehibe Voalohany no ohatra malaza amin'izany. Ny faharesena 1 noho 3 nanoloana an'i Shilia tamin'ny #WorldCup2014 (fiadiana ny amboara erantany 2014) no ohatra farany.
Nolazain'i Lisa Singh, Loholona avy amin'ny antokon'ny mpiasan'i Tasmania ao amin'ny parlemanta federaly tamin'ny teny fohy izany :
Congrats @Socceroos you make Australia proud #GoSocceroos
— Lisa Singh (@Lisa_Singh) June 14, 2014
Arahabaina ry @Socceroos mampirehareha an'i Aostralia ianareo #GoSocceroos (alefa ry Socceroos)
Niaraka tamin'ny Tafika Maitso sy Ranom-bolamena (@GGArmy) i Francis Leach, ‘mpanao gazety ara-panatanjahantena’ manana ny fihaingony manokana toy ny fihaingon'ireo mpanohana ny ekipam-pirenen'i Aostralia
Tena nampifaly tena tanteraka izy :
Aussies everywhere! Our Brazilian waiter in Gramado (on the right) busts out his @gomvfc scarf! @GGArmy @Socceroos pic.twitter.com/loXGh15mjO
— Francis Leach (@SaintFrankly) June 15, 2014
Ahitana Aostraliana eny rehetra eny ! nanala ny lambany @gomvfc ! ilay Breziliana mpandroso sakafo anay tao Gramado ( ao amin'ny ankavanana) @GGArmy @Socceroos
Maneho fihetsika mihantsy i @geeksrulz, i Aostralia rahateo no hilalao amin'ny Espaina amin'ny fihodinana voalohany :
Bad luck Socceroos. Valiant effort. More fighting spirit than the World Champion Spain. #CHIAUS #SBSworldcup
— Winker Tiny Abbitt (@geeksrulz) June 13, 2014
Socceroos ratsy vintana. Ezaka mivaivay. Toe-tsaina miady bebe kokoa noho Espaina, tompon-daka erantany #CHIAUS #SBSworldcup
Hain'ny Socceroos ny fomba hankasitrahana ireo mpitia azy :
@Godders_20 Thanks for your support. Here's a signed @Socceroos team photo from Mile Jedinak #GoSocceroos pic.twitter.com/YxwV3yriw1
— Socceroos (@SocceroosReply) June 15, 2014
@Godders_20 Misaotra noho ny fanohananareo. Ity misy sarin'ny ekipa @Socceroos vita sonia avy amin'i Mile Jedinak #GoSocceroos
Tsy misy ny baolina kitra raha tsy farafaha-ratsiny misy ny tsy fetezan'ny fitsarana sy ny fangalarana. Niray feo tamin'ny rehetra ilay mpamono baolina tokanay, i Tim Cahill :
Cahill blasts ‘cheating Chileans’, referee: Socceroos star says Australia was robbed of a clear penalty in the… http://t.co/Vh7aXzrY18
— Wendy Ƹ̵̡Ӝ̵̨̄Ʒ Pope (@pinkalchemy) June 14, 2014
Nitabataba i Cahill ‘ Shiliana mpangalatra’, ny mpitsara : Lazain'ireo kintan'i Socceroos fa norobaina taminy ny ‘penalty’ mazava tao amin'ny….http://t.co/Vh7aXzrY18
Fa mbola mitohy ihany ny olana momba ny anarana ho an'ny Piraiminisitra Tony Abbott izay nandeha tany ivelany nandritra ny diany. Rehefa naka ohatra an'i Canadia izy dia nafangarony ny anaran'ny kapiteny Mile Jedinak, izay nahatonga ny tenifototra hoe #Mike ho latsaka ambany.
Draped in an Aussie scarf, the PM records a message of support for the #Socceroos and gets the captain's name wrong http://t.co/bonFF07JLJ
— Stephen Spencer (@sspencer_63) June 13, 2014
Nirakotra ny lamban'ny Aostraliana, mandefa ny hafatra fanohanana ho an'ny #Socceroos sy mahazo ny anarana dison'ny kapiteny ny PM http://t.co/bonFF07JLJ
Nibitsika i Van Badham, mpanao gazety politika sady mpanao tsikera ny PM :
Tony Abbott gets the name of the Socceroos captain wrong. Please JESUS: don't ask him to explain the offside rule. http://t.co/wcp22H0P8f
— Lady Van Badham (@vanbadham) June 14, 2014
Nahazo ny anarana dison'ny kapitenin'ny Socceroos i Tony Abbott. JESOA ô! raha sitrakao aza takiana aminy ny fanazavana ny lalàn'ny tsy ao anaty lalao ( hors-jeu) http://t.co/wcp22H0P8f
Fa aoka tsy ho faranana aminà lahatsoratra mahakivy. Nozarain'i Sam McMillan ity fotoana ity :
The World Cup is about more than just winning or losing. Bresciano = class act. @Socceroos pic via @Godders_20 pic.twitter.com/HpLGlQXGF6
— Sam Mac (McMillan) (@MrSamMac) June 15, 2014
Ambony kokoa noho ny mandresy na resy tsotra izao ny baolina kitra. Bresciano= fihetsiky ny olona ambony @Socceroos sary avy amin'i @Godders_20 pic.twitter.com/HpLGlQXGF6