- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanakoako Tao Bahrain Ny Fisososon'ny ISIS Ao Iraka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Iràka, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

Niditra tao amin'ny Twitter ny manampahefana ambony ao amin'ny governemantan'i Bahrain mba haneho izay nosokajiana ho fanohanana ny fivelaran'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS), vondrona mpisintaka tao amin'ny fikambanana mpampihorohoro Al-Qaïda ao Iraka.

Tamin'ny 11 Jiona, mpitondra tenin'ny governemantan'i Bahrain sady Minisitry ny Fampahalalam-baovao, Sameera Rajab nisioka hoe [ar]:

Mino aho fa mety ho diso saingy misy ny fanamarinam-baovao fa ny ISIS dia anarana natsipy tamin'ny fampahalalam-baovao ho fandrakofana ny fampanginana ny fanirian'ny vahoaka Irakiana hanana fahalalahana sy fahamendrehana

Ny sasany kosa nandray izany fanambarana izany ho mankasitraka ny Sonita mahery fihetsika ISIS amin'ny “revolisionany” manohitra ny governemanta Irakiana anjakan'ny Shiita. Taorian'ny fifehezany haingana [2] an'i Mosul, tanàndehibe faharoa lehibe indrindra ao Iraka, tamin'ny 10 Jiona, naka tanàna kely sy tanàndehibe maromaro ny ISIS nanomboka teo ary mizotra ho any Bagdad renivohitra ireo tafikany amin'izao fotoana izao.

Tamina sioka hafa tamin'izany andro izany ihany, nilaza i Ramatoa Rajab hoe [ar]:

Mety ho revolisiona manohitra ny  tsy rariny sy ny fampijaliana izay nanjaka tao Iraka nandritra ny telo taona mahery ny zava-mitranga ao Anbar, tsy zatra tevatevaina ny Irakiana ary tsy milefitra amin'ny tsy rariny

Nandritra izany, nisalasala ny filohan'ny Komitin'ny Raharaham-bahiny, ny Fiarovana ary ny Filaminam-Pirenena  ao amin'ny Filankevitra Shura, izay notendren'ny mpanjaka Dr Cheikh Khalid Al Khalifa fa tsy hanomboka izany ao Iraka ny ISIS. Nisioka izy hoe [ar]:

Tsy nihazona gadra mihitsy ny ISIS ao Syria tao anatin'ny telo taona, koa ahoana no hanaovany izany amin'ireo gadra ao Iràka? Tena ny ISIS marina ve no ao Iràka? 

Tamina sioka hafa, nanome tsiny ireo mpisehatra ao amin'ny faritra sy ny iraisam-pirenena noho ireo drafitrasa fandravana sy fampisaraham-bazana ny tontolo Arabo izy tamin'ny filazana hoe [ar]:

Tombontsoa mifanipaka: Manana fikasana lehibe ao amin'ny firenena Arabo sy Israely i Iran ary mikendry ny hanimba ny faritra sy hampizarazara azy i Etazonia. Fampihorohoroana no fialantsinin'ny fiarahamiasa Iraniana sy Amerikana hanafihana ny Arabo

Ary tamina sioka hafa, nanamarika Dr Al Khalifa hoe:

Tokony hiditra amin'ny ady ao Iràka i Iran ary tsy tokony avela irery i Iràka fa raha tsy izany dia ho tonga any amin'ny firenen'ny helodrano ny ady. Ny fomba tsara indrindra hiarovana [ny tenanao] dia ny manafika. Hiaro an'i Iràka anie ny Tompo

Na dia izany aza, ny fanesorana ireo diplaomaty ao aminy “noho ny fikorontanan'ny lafiny fiarovana” no setriny ofisialy [7] nataon'ilay firenena (Bahrain) amin'i Iràka.