Tantara tamin'ny 28 Jona 2014
Aoka Izay Ny Fampiasàna Ny Fitomboana Ho Fialan-tsiny Handotoana, Hoy Ireo Afrikana Mafana Fo
Ny vokatry ny Andro Maneran-tany 2014 ho an'ny Tontolo iainana ao Afrika: Tsy mamela ireo firenena hiaro ny tany ny filàna ny fitomboana eo amin'ny tanibe, hoy ireo Afrikana mpisolo vava.
Nanakoako Tao Bahrain Ny Fisososon'ny ISIS Ao Iraka
Niditra tao amin'ny Twitter ny manampahefana ambony ao amin'ny governemantan'i Bahrain mba haneho izay nosokajiana ho fanohanana ny fisosososon'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS), vondrona mpisintaka tao amin'ny fikambanana mpampihorohoro Al-Qaïda ao Iraka.
Mifanditra Amin'ny Zo Handefa Mondialy Ny Fantsona Fahitalavitra Eto Afrika
Noho ny ady ara-pitsarana sy ny fanapahan-kevitry ny tambajotram-pahitalavitra, dia mety hisy ny mpanaraka ny fiadiana ny amboara manerantany eto Afrika no hosahirana amin'ny fanarahana azy.
Mety ho Alfred Kinsey-n'i Rosia Ve i Snowden?
Edward Snowden no Alfred Kinsey amin'ny vanim-potoanan'ny aterineto. Izany no nambaran'ilay mpanao gazety Rosiana Dmitri Goubine tamin'ny lahatsoratra bilaoginy tamin'ny herinandro lasa, mandinika izay mety ho fiantrakan'ny fanarahamaso faobe ataon'ny governemanta eo amin'ny fenitra ara-tsosialy hoavy.