- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Mametraka Amin'ny Alalan'ny Sary Ny Andavanandrom-Piainana

Sokajy: Fanadihadiana Tranga, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Fantatrao ve nanomboka tamin'ny taona 1967, hazon'oliva 800 000 no nokapaina tao Palestina? Mitovy amin'ny fandravana Central Parks (Ao New York) in-33.

Fantatrao ve fa tsy mahazo rano afa-tsy 70 litatra isan'andro ny Palestiniana iray ao Cisjordania, na dia rano 100 litatra farafahakeliny isan'andro aza no nolazain'ny ONU? Mahazo rano 150 litatra isan'andro ny olom-pirenena Britanika.

Fantatrao ve fa ankoatra ireo mpitsoa-ponenana – manana kara-panondro 5 karazana ny Palestiniana, avy amin'ny governemanta Israeliana ny 4 amin'izany? Rafitra mametra ny toerana azon'ny olona onenana, ny tolo-draharaha azony idirana, ary ny fomba fandraisan'izy ireo anjara amin'ny rafitra politika.

Mifaningotsingotra ny andavan'androm-piainan'ny Palestiniana – sarotra hoan'ny vahiny ny mahatakatra izany. Saingy mandray ny fanamby amin'ny alalan'ny fampielezana ny teny ny Visualizing Palestine (Mampibaribary an'i Palestina) [1], manangana famoronana hita maso mamariparitra ny zavamisy marina momba an'i Palesitina sy Israely [2]. Nitondray ho amin'ny fahazoana loka avy amin'ny mpitsara tamin'ny Fikatrohana Ara-tsosialy tamin'ny fifaninanana Bilaogy Tsara Indrindra nokarakarain'ny Deusche Welle [3]ny asan'izy ireo.

Navadika ho sary manintona, natao ho sary mora takarina amin'ny fampiasana azy amin'ny fanentanana rehetra na amin'ny aterineto na ivelan'ny aterineto ireo tahiry saro-devonina sy mifaningotsingotra. Anisan'ny tanjon'ny tetikasa ny fanamafisana ny hafatr'izy ireo mba hipaka any amin'ireo olona kendrena manokana, ary hampitombo ny fiantraikan'izany vaovao izany. Nadika tamin'ny teny maro ireo sary – izay azo hidirana amin'ny endriny isan-karazany sy ambanin'ny zon'ny mpamorona Creative Commons [4].

Nahasarika ny saina ny ekipa hatramin'ny namoahany ny fampahalalam-baovaony voalohany tamin'ny volana Febroary 2012 [8] . Voalaza tamin'ireo lahatsoratra maro iraisampirenena izy ireo, anisan'izany ny Huffington Post [9], Fast Company [10], Al-Jazeera [11] amin'ny teny Anglisy, ary ny Open Democracy [12], ankoatra ny hafa.

Azo fehezina ao anaty dingana [13] 8 ny fizotry ny fahazoana sary farany:

  1. Mijery lalana sy hevi-baovao
  2. Fikarohana: mahazo ireo tahiry madiodio sy mampiditra ireo loharanom-baovao
  3. Tantara: manao izany ho tantara maharesy lahatra
  4. Tsipalotra: mandika izany amin'ny lahatsoratra fohy
  5. Ravaka: mitondra famoronana mba hanehoana izany ho hita maso
  6. Fandinihana ny asa mba hiantohana ny kalitao
  7. Mamoaka ny sangan'asa ao amin'ny aterineto
  8. Fepetra: Manaraka akaiky ny fiantraikany sy ny lazany

Voarakitra tsara ao amin'ny habaka “Visualizing Palestine” ireo loharanom-baovao rehetra – sarotra toherina ny manohitra ny vaovao atolotra rehefa sady lehibe no azo antoka ny loharanom-baovao.

vp-olive-harvest-final-2013-10-10

Hazo Oliva 800 000 niongotra, Park Central x 33 [14], Polypod sy Philippe Ghabayen (CC BY-NC-ND) 

vp-bombs-diorama-2013-03-04

End $30 Billion of US Military Aid to Israel [15] – Weapons, Naji Elmir and Polypod (CC BY-NC-ND)

Mampibaribary an'i Palestina dia tetikasan'ny Visualizing Impact [16], miasa hamokatra tahiry fitaratarafana sy tahiry fanentanana hoan'ireo mpanentana sy mpikatroka.