- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nilaza i Rosia Fa Nanery Ny Twitter Hamafa Kaonty Hosoka Ny Roscomnadzor

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Akon'ny RuNet
The Kremlin seems eager to show Twitter who's boss. Images mixed by author.

Tian'i Kremlin aseho amin'i Twitter hoe iza no deba. Sary namboarin'ny mpanoratra.

Handeha hoany [1]Moskoa ny lehiben'ny Twitter misahana ny politikam-bahoaka manerantany, Colin Crowel [2] amin'ny herinandro hoavy mba hifandinika amin'ny sampam-pifandraisana federaly ao Rosia, Roscomnadzor. Alohan'izany fitsidiana izany, nilaza ny Roscomnadzor fa nanery ny Twitter hamafa kaonty hosoka milaza fa mpanao politika Krimeana i Vladimir Konstantinov [3]. “Sokajiana ho fampiasana tsy ara-dalàna ny tahiry manokana sy fanitsakitsahana ny lalàna ao amin'ny Federasiona Rosiana ireo fikasana hisoloky olona malaza ao amin'ny tambajotra sosialy”, araka ny nolazain'i Roscomnadzor tamina fanambarana ampahibemaso [4] tamin'ny 20 Jiona.

Nofafan'ny Twitter tokoa ilay kaonty voalaza, @konstantinov_rc [5], izay nipoitra tamin'ny fiafaran'ny volana Aprily 2014, ary nandefa sioka 78 fotsiny sy nahasarika mpanaraka 1673 nandritra ny fotoana fohy nisiany. Tsy tahaka ireo kaonty maka-tahaka [6]malaza marobe an'ny RuNet, tsy niezaka naneso na nampiala-voly ilay olona nisovoka ho Konstantinov ao amin'ny Twitter. Tsy dia mahaliana avokoa ny ankamaroan'ireo sioka nalefan'ilay kaonty, tahaka ireo hafatra mizara vaovao momba ny fanovana momba ny tena manokana, ny antontanisan'ny governemanta, ary ny fanomanana vakansy any Krimea.

Vladimir Konstantinov's Twitter impersonator. Google cache screen capture. [7]

Mpaka tahaka an'i Vladimir Konstantinov ao amin'ny Twitter. Pikantsary tao amin'ny Google.

Na dia nilaza aza ny fanambarana an-gazety nataon'i Roscomnadzor fa noterena hankatò ny lalàna Rosiana ny Twitter, dia manitsakitsaka miharihary ny politika anatiny manokana an'ny Twitter mikasika ny “fakàn-tahaka, fanehoan-kevitra, sy ny mpanaraka ny kaonty [8]” ilay kaonty hosoka an'i Konstantinov izay mandrara ny fakàn-tahaka tsy misy fanambarana mazava mankatò ny sarin'ny mpiserasera (tompon'ny kaonty), anaran'ny kaonty, sy ny dikam-piainana vita. Nilaza fandresena tamin'ny fametrahana fitsipika tamin'ny Twitter ireo manampahefana Rosiana tamin'ny volana lasa, izay nanaiky hanakatona [9] ny kaontin'ny vondrona nasionalista hiringiriny Okraniana . (Voafetra loatra  anefa ny fampanajana lalàna azon'ny Twitter natao, na dia izany aza, satria afaka midify mora foana ny fetra ny mpiserasera amin'ny alalan'ny fanovana ny toerana misy ny kaontin'izy ireo.)

Manoloana ny fahatomoran'ny fihaonana eo amin'ny Twitter sy ny lehiben'ny sivana ao Rosia, toa miezaka mampita i Moskoa fa tokony hanaja ny fiandrianam-pirenen'i Rosia ireo Goavan'ny Aterineto tahaka ny tolotra bilaogy madinika malaza indrindra manerantany. Marina fa mora alefa tokoa ity hafatra ity, rehefa mamerina mamoaka indray ny Fomba Fampiasa manokana ny Twitter ny lalàna Rosiana.