- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiderana Manerana an'i Chile Taorian'ny Fandresena Manatantara Manoloana an'i Espaina

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara
Celebraciones

Fankalazana any Antarctica. Sary navoakan'ny mpisera Twitter @prensaantartica [1].

Nahavita nahatratra ny dingan'ny ampaha-16n'ny famaranana amin'ny Mondialy FIFA Brezila 2014 ny ekipam-pirenena Shiliana taorian'ny nandreseny an'i Espaina, izay tompondaka manerantany tamin'ny Mondialy 2010, fandresena izay azony tao amin'ny kianja fanta-dazan'i Maracanã [2].

Nivoaka nihorakora-pifaliana ny Shiliana nanerana ny firenena na dia mbola tsy tokony ho ora firavan'ny mpiasa sy ny mpianatra aza. Hatrany Arica ka hatrany Antarctica, ny sary avy amin'ny Twitter nampiasa ny diezy tahaka ny  #EliminamosAlCampeónMundial [3]  (Nanintsana ny Tompondaka Erantany izahay) sy ny #LaRojaEsChilena [4] (Shiliana ny La Roja), satria ny ‘La Roja’ dia tsy Espaniola ihany fa Shiliana ihany koa noho ny lokon'ny ekipam-pirenen-dry zareo izay mena ihany koa.

Mankalaza ihany koa ry zareo any Antarctica.

Fivorivorian'ny mpankasitraka maro ao amin'ny Parque Italia, zaridaina ao amin'ny tanànan'i Valparaíso.

CHILE 2—ESPAINA 0! Androany tao amin'ny faritra Cordillera de Santiago. Saripikan'i Roberto Antezana.

Nopihana tao amin'ny havoanan'i Morro de Arica hill ao Arica.

Galería: Avy amin'ireo sary nopihana tsara indrindra tao amin'ny Plaza Italia tao an-drenivohitra Santiago.

Saripika maro avy amin'ny fankalazana tao Chile nandritra ny Mondialy 2014.

Na ny Filoha Bachelet aza dia mba niditra tamin'ny fankalazana ihany koa:

Fankalazana ny fandresen'ny ‘La Roja’ manatantara miaraka amin'ny Filoha Bachelet sy ny Sekretera. 

Tsy niala tao anatin'ny fisainana football sy amin'ny mahampanao fanatanjahantena mahafinaritra azy ireo ny mpiandry haraton'ny ekipa roa tonta no nifanakalo t-shirts tamim-pirahalahiana taorian'ny lalao.

NIFANAKALO T-SHIRTS I IKER CASILLAS SY I CLAUDIO BRAVO TAORIAN'NY LALAO ESPAINA-CHILE.

Ankehitriny i Chile dia miandry ny lalao farany ao amin'ny vondrona B hifandonany amin'i Holandy amin'ny Alatsinainy 23 Jona ao amin'ny kianja Arena Corinthians ao São Paulo.