- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahita Ampahan-dalana Inca Vaovao Akaikin'i Machu Picchu Ny Mpikaroka Ao Però

Sokajy: Amerika Latina, Però, Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika
MachuPicchu

Machu Picchu. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'ny szeke [1]. CC BY-NC-SA 2.0.

Mety ho tanàna fahagola i Machu Picchu, saingy mbola misy ireo zava-baovao tsara ho hita. Nisy ampahan-dalana Inca vaovao, sakeli-dalana namboarin'ny ampira Inca hita indray, ary ny sasany tamin'izany (efa) malaza eo amin'ireo mpananika amin'izao fotoana izao mizotra mankany Machu Picchu [2] ao Cusco, Però amin'izao fotoana. Miala avy ao Wayraqtambo (Hotely Rivotra), ambadik'i Machu Picchu izany ary mankany amin'ny toerana fitazanana izay manome toera-pijerena tokana mahita an'i llaqta Inca (tanàna kely) izany.

Namoaka fanambarana tao amin'ny habakany [3] ny Sampan-draharahan'ny Kolontsaina itsinjaram-pahefana ao Cusco, izay navoakan'ny [4] habaka Cusco 2.0 indray koa:

El impresionante camino descubierto consta de aproximadamente un kilómetro y medio de largo y entre 1.20 y 1.40 metros de ancho, variando según la topografía del terreno. Aún no puede ser apreciado en su totalidad por estar cubierto por vegetación, pero gracias al equipo de investigadores del Parque de Machu Picchu, algunos tramos pudieron ser liberados de la maleza y árboles que los cubrían, evidenciando muros de contención de factura inca de hasta tres metros de altura.

Manana halavana iray kilaometatra sy sasany eo ho eo ilay lalana mahavariana ary manana sakany eo ho eo amin'ny 1,20 sy 1,40 metatra eo, miovaova arakaraky ny topografian'ny tany izany. Mbola tsy hita tanteraka izany satria voasaron'ny zavamaniry, saingy noho ny asan'ireo ekipa mpikaroka avy amin'ny Valan'i Machu Picchu, dia efa voaisotra ny kirihitra sy ireo hazo izay mandrakotra azy, dia izayno nahitana rindrina mihiboka vita Inca izay mahatratra 3 metatra ny haavony.

Nandritra izany fotoana izany, nanamarika ny habaka Mystery Planet [5]  hoe:

Hoy en día solo el 25 por ciento de la red vial inca es visible. El resto fue destruida antaño por los conquistadores o contemporáneamente por construcciones modernas. Aún así, investigadores en Machu Picchu anunciaron el reciente hallazgo de una nueva sección de camino […] ubicada en la parte posterior de la montaña Machu Picchu, entre los sitios arqueológicos de Wiñay Huayna e Intipata.

 25 isan-jaton'ny zotran-dalana Inca ihany sisa no hita ankehitriny. Ny ambiny kosa noravain'ireo mpanani-bohitra efa ela be na noravan'ireo tranobe maoderina vao haingana. Na dia izany aza, nambaran'ireo mpikaroka tao Machu Picchu ny fahitana vao haingana ny ampahan-dalana vaovao […] miorina ao ambadiky Machu Picchu, eo anelanelan'ny toerana arkeolojikan'i Wiñay Huayna sy Intipata.

Niditra lalindalina ny gazety La Nación: 

El Camino Inca (Qhapaq Ñan, en idioma indígena) es una red vial de 40.000 kilómetros que unía Perú, Chile, Colombia, Ecuador, Argentina y Bolivia que se acabó de construir durante el imperio inca y cuya mayor parte se encuentra en Perú.
Varios gobiernos de la región han solicitado, de manera conjunta a la ONU, que declare al Camino del Inca como Patrimonio Cultural de la Humanidad.

Ny Sakeli-dalana Inca (Qhapaq Ñan, amin'ny tenin'ny teratany) dia fitambaran-dalana manakaiky ny 40000 km izay mampitohy an'i Però, Chile, Kolombia, Ekoatera, Arzantina ary Bolivia ary nifarana nandritra ny ampira Inca ny fanamboarana tamin'izany, ka ny ampahany lehibe indrindra dia ao Però.
Niara-nangataka tamin'ny ONU ireo governemanta marobe mba hanambara ny Sakeli-dalana Inca ho Toerana Lovan'Izao tontolo izao.

Nizara ny vaovao tao amin'ny Twitter ny mpiserasera, ary maro tamin'izy ireo no nandefa sary misy ny toerana masina ao Cusco:

Lalana vaovao ao Inca mankany Machu Picchu no hita. 1,5 km ny halavany ary afaka mahita tonelina Inca ianao amin'izany.

[LAHATSARY] Sakeli-dalana Inca mankany Machu Picchu no toeran-kaleha ankafizin'ireo “mpanao dia lavitra”.

Na dia ireo mpisera Katalana sasany aza mba nizara ny vaovao ihany koa:

Sampan-dalamby Inca 500 taona mankany  Machu Picchu hita vao haingana. Takona tao anaty alan'ny andro mafana izany.