- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosokafana Indray Ny Media Sosialy Ao Iràka, Fa Mety Hisy Ve Ny Ratsiratsy Kokoa?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
The Iraqi Ministry of Communications blocked social media sites yesterday. This message states that Twitter has been blocked "due to the security situation in Iraq." Photo source: Collin Anderson, shared on Twitter [1]

Nakaton'ny Minisitera Irakiana misahana ny Serasera Omaly (14 jona) ny tambajotran-tserasera. Milaza io hafatra io fa nakatona ny Twitter “noho ny antony ara-piarovana ao Iràka.” Loharanontsary: Collin Anderson, nozaraina Twitter

Mandeha ny tatitra an-tserasera momba ny fisokafana amin'ny ampahany ny tambajotran-tserasera sy ny tranonkala manernaa an'i Iràka.

Nitatitra [2] [mg] ny Global Voices Advocacy omaly fa nanome baiko ireo orinasan-tservisin'aterineto omaly (14 jona) ny minisitera irakiana misahna ny serasera hanakatona ny Facebook, Twitter ary ny YouTube, ankoatra ireo habaka hafa, sy ny servisy tahaka ny Skype, sy ny servisim-pifandraisana an-tserasera amin'ny resaka  (feo) tahaka ny Viber sy ny WhatsApp.

Minitra maromaro lasa izay no nitatitra ny Irakiana blaogera Hamzoz [ar]:

Nanaisotra ny fanakatonana ny habaka sy ny fampiharana ny Jazeera Net, saingy tsy mbola nanao izany kosa fa manohy amin'ny fanakatonana ireo habaka ny Earthlink, orinasan-tservisy aterineto lehibe indrindra

Saingy nampitandrina ny Libaney mpikatroka Mohamad Najem :

Jerena ho nesorina amin'izao fotoana izao ao Iràka ny fanakanana ny tambajotran-tserasera, ny atahorana dia ny fahavononan'ny governemanta hanapaka ny aterineto!

Araka ny nambaran'ny mpanoratra gazety Martin Chulov, dia nosakanana ny Facebook hampitsaharana ny mpikamban'ny [9] Fitondrana Islamika ao Iràka sy Siria, izay miady ao Iràka amin'izao fotoana izao, “tsy handamina sy hanetsika” ny olona.

Fanazavana hafa avy amin'ny  Minisiteran'ny Serasera, izay namoaka hafatra [10] omaly, tao amin'ny pejy Facebook-ny fa fa ny anton'ny fanakatonana aterineto tsikelikely manerana an'i Iràka amin'ny 15 jona dia ho “fikojakojana ny hosina.” Tsy mazava moa raha mifandray amin'izany drafitra izany na tsia ny fanakatonana.