Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

13 Jona 2014

Tantara tamin'ny 13 Jona 2014

Azia Afovoany : Tsy Avy Mihitsy Ny Orana Fa Rehefa Avy Izy Dia Oram-Batravatra

Niharan'ny tondradrano sy rivo-mahery ny faritra Azia Afovoany tamin'ny 30-31 May teo, naharava ireo fotodrafitrasa fony tamin'ny vanim-potoana Sovietika ary nahafatesana olona iray tao Kyrgyzstan.

Terra Incognita Hoan'ireo Mpisera Google Chrome

Diso fanantenana amin'ireo fantim-baovao mikasika ny toerana sy ny olona izay anisan'ny vaovao mafana ve ianao? Raha izany, mila mametraka ity fanitarana (extension) chrome ity ianao?

Trinite & Tobago: I Kolkata Ve No Nosafidian'i Narine Fa Tsy i Antilles Andrefana?

Tsy nifantina an'i Sunil Narine izay mpanipy baolina mahay ny kaomity mpitantana ny lalao Cricket any Antilles Andrefana amin'ny lalao andrana rehetra mbola ho avy ka hifaninànana amin'i Nouvelle Zélande satria mieritreritra izy ireo fa efa nisafidy hiditra amin'ny ekipan'ny firenena hafa izy.

Voafehin'ny Mpikomy Islamista Ny Tanànan'i Mosul, Tanàna Faharoa Lehibe Indrindra Ao Iràka

Eo am-pelatanan'ireo mpikomy Islamista ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Iràka antsoina hoe Mosul nanomboka tamin'ny 10 Jiona. Nilaza ny vaovao fa avy amin'ny Fanjakana Islamika ao Irak sy Syria (ISIS) ireo mpikomy.

Mpiady Anaty Akata Taloha No Mitondra Ao El Salvador Ankehitriny, Afa-Mampitsahatra Ny Famonoan'Olona Ve Izy?

Mandray ny toerana maha-Filohan'i El Salvador azy i Salvador Sánchez Cerén, lehiben'ny mpiady anaty akata teo aloha, tamin'ny andron'ny alahady voalohany volana jona 2014. Mamintina ny dikan'izany ho an'i El Salvador sy Amerika Latina ho antsika i Jamie Stark.