- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Akaro Ny Feonao – Fa Tsy Ny Haavon'ny Ranomasina” : Karaiba Sy Ny Andro Manerantany Hoan'ny Tontolo Iainana

Sokajy: Karaiba, Barbady, Goiana, Jamaika, Kiobà, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana
Scanned film photo of the coastal area surrounding the Toco lighthouse on Trinidad's east coast. Image by Taran Rampersad, used under a CC license.

Sary tao amin'ny faritra manodidina ny tilikambon-jiro ao Toco ao amorontsiraka atsinanan'i Trinite. Sary avy amin'i Taran Rampersad, nampiasana tamin'ny alalan'ny CC license.

Planet Earth is our shared island, let us join forces to protect it.

Nosy ifampizarantsika ny Planeta Tany, andeha hanambatra hery hiarovana azy.

Izany no nolazain'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, Ban Ki-Moon nandritra ny fanokafana ny Taona Iraisam-pirenena 2014 Hoan'ny Nosy Madinika sy ny Firenena an-dalam-pandrosoana. Toa zava-dehibe amin'i Karaiba tokoa ny hafatra nataony – tsy noho ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Tontolo Iainana [1]amin'ity taona (5 Jiona ) ity ihany izay mifantoka amin'ny fiantraikan'ny hafanan'ny toetr'andro ao amin'ireo firenena nosy madinika [2] – fa satria firenena hampiantrano izany koa i Barbada, sisintanim-paritra nahazoany fankatoavana tamin'ny mahalohalaharana azy amin'ny angovo azo avy amin'ny masoandro [3].

Amin'ny fitazonana ny teny filamatra ofisialy amin'ity taona ity manao hoe “Akaro ny Feonao, Fa Tsy Ny Haavon'ny Ranomasina”, dia nandanjalanja ny olan'ny fikorontanan'ny toetr'andro sy ny fiantraikan'izany ao amin'ireo nosy madinika ny mpiserasera Karaibeana. Manana fijery manokana momba ity olana ity ny bilaogera [4] iray ao Guyana [5] izay sady tsy azo sokajiana ho madinika no tsy nosy ihany koa, saingy azo antoka fa anatin'ny sisintanin'i Karaiba:

Slowly, slowly, people, we destroyin’ an amazing gift [6], a miracle, yet some can't see. I want to show you this beautiful thing today, World Environment Day, hoping to inspire people to clean up.

Manapotika fanomezana mampitolagaga [6], tsikelikely tena tsimoramora ny olona, efa misy ny sasany tsy mahita. Te hampiseho anareo ity zavatra mahafinaritra ity aho androany, Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Tontolo Iainana, ary manantena hanainga ireo olona hanadio ny tontolo iainana.

Nandefa [4] sombiny tamin'izay nosoratany izy, izay maneho fomba fijery vaovao mikasika ny fanomezan-danja ny tontolo iainana:

May 9, 2014: …the sun's risen, is casting golden light on the silver sea. The sea shimmers with such beauty, I can't take it in, I have to look away.

Nov. 20, 2013: Why does it matter to me, the health of earth, sky, sea? Because my health depends on it. Yours and your children's well-being too.

Oct. 13, 2013: In the past, they ran and played by the sea, in the open fields, in trees. What will children of the future talk about? ‘We clicked on websites'?

Mar. 5, 2013: They think I'm nuts, a crazy woman begging the sane. ‘Please don't use pesticide, weedicide, it will pollute the sea, the things we eat.’

9 Mey 2014: … tara-masoandro miposaka milokom-bolamena manazava ny ranomasina milokom-bolafotsy. Mamirapiratra amin'izany hakanto izany ny ranomasina, tsy afa-miditra ao amin'izany aho, tsy maintsy mijery any an-kafa aho.

20 Novambra 2013: Fa maninona no manahirana ahy izy ity, ny fahasalaman'ny tany, ny lanitra, ny ranomasina? Satria miankina amin'izy ireo ny fahasalamako. Tahaka izany ihany koa ny fahasalamanao sy ny zanakao.

13 Oktobra 2013: Taloha ry zareo nihazakazaka sy nilalao akaikin'ny ranomasina, eny an-tsaha malalaka, anaty ala. Inona ny holazain'ireo ankizy rahatrizay? Nitendritendry hiditra tany amin'ny tranonkala izahay?

5 Marsa 2013: Mihevitra izy ireo fa adala aho, vehivavy adala mangataka fahasalaman-tsaina. «Azafady, aza mampiasa odim-boalavo, famonoana ahi-dratsy, fa mandoto ranomasina izany, ao ny zavatra hohanintsika.

Nihevitra kosa [7]i Labrish, Jamaikana am-pielezana sady bilaogera momba ny tontolo iainana fa mety ho hita amin'ny alalan'ny hai-toetra (eko-psikôlôjia) sy ny haintontoloiainana (ekolojia) lalina ny vahaolana hoan'ny fikorontanan'ny toetr'andro :

In the face of the dire news on the latest climate change casualties that greet us each morning, how are we going to steady ourselves, build psychic, mental and emotional muscle to face it, and be supportive in our communities?

Manoloana ireo vaovao mampivarahontsana hitantsika isaky ny maraina mikasika ny voka-dratsin'ny fikorontanan'ny toetr'andro, ahoana no fomba hijoronatsika tsara, handrafetana saina amam-panahy, ny hozatry ny saina sy ny fihetseham-po hiatrehana izany, ary ho mpanohana ao anatin'ny fiarahamonintsika?

Nolazainy ny asan'i Joanna Macy [8], mpikatroky ny tontolo iainana sady mpanabe izay miezaka mampifandray indray ny olona amin'ny fiarahamonina misy azy, sy raha hitarina, amin'ny natiora.

Nanamarika izany andro izany ny bilaogy Barbadiana am-pielezana Bajan Reporter [9] amin'ny famoahana indray ny fanambaran'i Mikael Barfod [10], Lehiben'ny delegasionan'ny Vondrona Eoropeana ao Barbada sy Karaiba Atsinanana, izay nanambaràny ireo fanamby atrehin'ny nosy kely raha resaka fampandrosoana maharitra – ara-toekarena sy ara-tontolo ianana.

Nilaza momba ny fijery Kiobàna iray mikasika ny Andro Iraisampirenena hoan'ny Tontolo Iainana ny Havana Times [11]:

Its aim is to raise awareness about this delicate issue, which endangers the very existence of small countries (that could one day be left beneath sea-level). Many parts of the Cuban coastline could be endangered if this occurs.

Ny tanjony dia ny hanao fanentanana momba ity olana saropady ity, izay tena mampidi-doza amin'ny fisian'ireo firenena madinika (izay mety ho lasa ambanin'ny haavon'ny ranomasina indray andro any). Maro amin'ireo faritra ao amorontsiraka Kiobana no mety hiharan'izany loza izany.

Nihevitra ilay bilaogera fa zava-dehibe hoan'ny olona ny mahafantatra fa «zavatra mandrafitra ny tontolo rehetra manodidina antsika ny tontolo iainana: ny tontolo voajanahary, ny rivotra iainantsika, ny rano sotrointsika, ny akora voajanahary ampiasaintsika ary ny fiarahamonina raha bangoina ho iray»:

In its insatiable impulse to amass wealth, humanity has degraded nature to such an extent that, should this trend continue, there might not be enough natural resources on the planet to sustain human life in a some years’ time.

Ao anatin'ny ezaka fanangonan-karena tsy mahay mionona, nosimban'ny olombelona ny tontolo iainana hany ka, raha mitohy izao fahazarana izao, dia tsy ho ampy intsony ireo harena voajanahary eto amin'ny planeta hitazona ny fiainan'olombelona rehefa afaka taona maromaro.

Eto [12]no misy ireo sioka nampiasaina tao amin'ny Twitter mikasika ny ##World Environment Day

Avy amin'i Taran Rampersad ny sary nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity [13], nampiasaina tamin'ny alalan'ny Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic Creative Commons license [14]. [lazaina ny tompony, tsy ampiasaina hahazoana vola, zaraina amin'izao endriny izao]. Tsidiho ireo sary ao amin'ny Flickr an'i Taran Rampersad [15].