- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Loharanom-Baovao 10 Ilain'ireo Mpikatroka Miteny Arabo

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Namoaka vaovao sasantsany [1]mikasika ny Tasharuk [2]izahay raha iverenana ny tamin'ny volana Febroary, izay tahiry fakana loharanom-baovao avy amin'ny SMEX [3]. Nanomboka teo, nampitomboin'izy ireo ny loharanom-baovao amin'ny teny Anglisy sy amin'ny teny Arabo. Indreto loharanom-baovao 10 amin'ny teny Arabo izay mety hanampy ireo mpikatroka hanatrarana ny tanjon'izy ireo.  [4]

1. Taridalana amin'ny Tolona tsy Mahery setra Mahomby amin'ny teny Anglisy, [5] Arabo [6] ary Farsi [7] – navoakan'ny Canvasopedia [8].

2. Taridalana amin'ny Famokarana Media Am-pilaminana sy Voaaro amin'ny teny Anglisy [9] ay Arabo [10] – navoakan'ny Small World News [11]. Manana loharanom-baovao sasany ihany koa izy ireo ao amin'ny finday SAT. [12]

3. Rindrambaiko malalaka sy Fanovozam-Pilozofia Misokatra hoan'ny rehetra amin'ny teny Arabo [13] – navoakan'ny SourceForge

5. Taridalana amin'ny Fifandraisana Ara-Stratejika eo amin'ny Fikambanan'ny Firaisamonim-pirenena amin'ny teny Anglisy [14] sy Arabo [15] avy amin'ny Fandaharanasan'ny Firaisamonim-pirenena ao Jordania ao amin'ny  [16]USAID’ [16].

6. Ireo Fototry ny Fandraketana am-peo  amin'ny teny Arabo [17] avy amin'ny SMEX [18]The Basics of Audio Recording in Arabic [17] by SMEX [18]

7. Bokikely Fampiofanana hoan'ny Olo-tsotra Mpanoratra Gazety amin'ny teny Arabo [19] avy amin'ny Foiben'ny Firaisamonim-pirenena sy ny Demaokrasia ao Syria [20]

8. Inona no atao hoe Creative Commons License, ary Ahoana Ny fomba Ampiasanao izany? amin'ny teny Arabo [21], lahatsary novokarin'ny WeZank [22]

9. Ahoana no fampiasana Twitter Hisian'ny Fanovana Ara-tsosialy amin'ny teny Arabo [23], lahatsary avy amin'ny NewMediaKSU. [24]

10. Fitsipika Iraisam-pirenena momba ny Fampiharana ny Zon'olombelona Eo Amin'ny Sehatry ny Fanarahamaso ny Fifandraisana amin'ny teny Anglisy [25], Arabo [26], sy ny sisa maro hafa. Tahirin-kevitra manazava ny fomba fampiharana ny zo iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona eo amin'ny tontolon'ny nomerika amin'izao fotoana.

Tombony: Araho hatrany ny vaovao mikasika ny Bokikely fampiasa amin'ny Tahiry Misokatra (Open Data Handbook), torolalana amin'ny endrika araka  ny lalàna, ara-tsosialy sy ara-teknika momba ny tahiry misokatra. Amin'ny teny Anglisy [27] sy ny dikanteny an-dalampanaovana amin'ny teny Arabo amin'ny alalan'ny Transifex [28].

Sary: The Day We Fight Back Banner (r, [29] avy amin'i Alex Perkins (CC-BY 4.0)