Hametraka Famotopotorana Ny Lafiny Filaminana Eo Amin'ny Vokatra Teknolojika i Shina

Apple store in Beijing. Photo by Chinnian via Flickr (CC BY-SA 2.0)

Apple Store ao Beijing. Sary avy amin'i Chinnian tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Hametraka andiana lasitra ara-piarovana teknika nasionaly amin'ireo vokatra sy tolo-draharaha (servisy) ara-teknolojika tsy hoela ny governemanta Shinoa. Hamotopototra akaiky ireo vokatra sy tolo-draharaha ho ampiasaina amin'ny fifandraisana, fitantanam-bola, angovo, filaminam-pirenena sy ireo raharaha hafa, ireo manam-pahaizana manokana avy ao amin'ny Birao Nasionalin'ny Fampahafantarana amin'ny aterineto (NIIO), sampan'ny Departemantam-panjakana Shinoa.

Natao hiarovana ny “filaminana nasionalin'ny aterineto” izany rafitra izany, araka ny nambaran'ny mpitondra tenin'ny Birao tamin'ny mpanoratra gazety. Andro iray mialoha ilay fanambarana, noraràn'i Beijing ny fampiasana ny Windows 8-n'ny Microsoft amin'ny solosain'ny governemanta

Na dia nilaza aza i Jiang Jun fa natao hoan'ny tolotra sy vokatra ao an-toerana sy any ivelany ilay rafitra fanarahamaso, dia nanipika ihany koa izy fa “nandritra ny fotoana lava, dia nahangona vaovao mora mahatafintohina tsy hita isa ireo governemanta sy orinasa avy amin'ny firenena vitsivitsy, manararaotra ny ampihimamba ananany eo amin'ny tsena sy ny tontolon'ny teknolojia … Tsy vitan'ny manelingelina ny tombotsoan'ireo mpanjifany ihany izy ireo fa mampitahotra ihany koa ny filaminan'ny aterineto any amin'ny firenen-kafa “.

Navoitran'i Jiang Jun ihany koa fa manana lalàna mitovy amin'izany amin'ny famotopotorana akaiky ny vokatra sy ny tolo-draharaha vahiny ny governemanta Amerikana. Tamin'ny taona 2012, namotopototra ny Huawei sy ny ZTE ny Kongresy Amerikana ary nampitandrina fa mampatahotra eo amin'ny lafiny filaminam-pirenena ireo orinasa Shinoa misahana ny Teknolojian'ny fifandraisana sy ny fampahafantarana ireo.

Maro noho izany ireo nahita fa setriny mivantana tamin'ny disadisa vao haingana teo amin'i Beijing sy Washington izany rafitra izany. Tamina tranga vao haingana, miaramila manamboninahitra Shinoa dimy no voampanga ho nipiraty (niditra an-tsokosoko tao anatin’) ny solosain'ireo orinasa Amerikana enina sy nangalatra ny tsiambaratelon'ny orinasa.

Tao amin'ny Weibo, namariparitra ny rafitra ho daroka mahery vaika amin'ireo hery mankahala an'i Shina ireo bilaogera nasionalista ary nilaza fa mety hiharan'izany ireo orinasa goavan'ny aterineto ao Etazonia, anisan'izany ny Cisco, IBM ary ny Microsoft.

Mety hampisy fiantrakany ratsy hoan'ireo fampiharana maro isan-karazany ampiasain'ny olom-pirenena izany lalàna mivoaka izany, ka anisany ny fitaovana fidifiana amin'ny sivana. Tamin'ny taon-dasa, fitaovana fidifiana amin'ny sivana antsoina hoe Open Door no noesorina tao amin'ny Apple Store ao Shina. Ankehitriny, manana fototra araky ny lalàna mba hanerena ireo mpamatsy tolo-draharaha hanaisotra izay fampiharana “tsy ara-dalàna” mitovy amin'izany ny manampahefana Shinoa.

Amin'ny alalan'ny rafitra vaovao, hiharan'ny fanarahamason'ny NIIO avokoa ny vokatra teknolojika. Ny fanambarana ampahibemaso avy amin'ny sampan-draharaha dia nilaza hoe: «ny tanjon'ny famotopotorana akaiky dia ny hanakanana ny mpamatsy hahazo tombondahiny avy amin'ny vokatra atolony mba hifehy, hanakorontana na hanakatona amin'ny fomba tsy ara-dalàna ny firafitry ny solosainany mbamin'ny fanangonana, fitehirizana, fitrandrahana ary fampiasana ny mombamomba ny mpanjifany. “

Nilaza tamin'ny gazety tao an-toerana i Fang Bingxing, rain'ilay lazain'ny Shinoa hoe Manda Aroafo (Great Firewall) fa hiteraka “lisitra mainty” sy “lisitra fotsy” ilay rafitra fanarahamaso. Ka ireo vokatra voasokajy ao amin'ny lisitra fotsy ihany no mahazo miditra ao Shina. Hanomboka amin'ny fanarahamaso ireo tolo-draharaha sy vokatra informatika stratejika i Beijing.

Nanazava ny fampahalalam-baovao ao an-toerana fa alohan'ny hidiran'ny vokatra teknolojika ao amin'ny tsena Shinoa, anisan'izany ny fitaovana tahaka ny finday raitra, solosaina sy ny fitaovana finday hafa, ny rindrambaiko tahaka ny rafitra fikirakirana (système d'exploitation) amin'ny solosaina, fandaharana sy fampiharana, dia hotakiana amin'izy ireo ny famotopotorana ara-teknika hanamarinana fa tsy mampidi-doza amin'ny filaminam-pirenena ireo vokatra. Ankoatra ny resaka filaminana, iharan'ny fandraràna ihany koa ireo vokatra izay mety mankany amin'ny ampihimamba satria mety hitondra fiantraikany ratsy eo amin'ny filaminana ara-tsosialy sy ara-toekarena.

Maneho sary an-tsaina ny fifandroritana misy eo amin'ny fanaraha-maso ara-pilaminana sy ara-tsosialy sy ny fitomboan'ny harin-karena atrehin'i Shina ity politikan'ny lalàna vaovao ity. Mety ahitana taratra ny fahalianan'ny tompon'andraikitra ambony eo amin'ny lafiny famoaham-baovao sy ny fitantanam-bola ireo volana vitsivitsy hoavy manaraka eo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.