Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

31 Mey 2014

Tantara tamin'ny 31 Mey 2014

Fianarana Mandritra Ny Fialantsasatry ny Fahavaratra: Hoavy Ny MOOCs

Rising Voices

Lisitr'ireo fampianarana MOOCs (efa nanomboka vao haingana) sy mbola hoavy - fampianarana misokatra hoan'ny rehetra ao amin'ny aterineto mikasika ny teknolojia vaovao, ny famoronana sy ny fampitam-baovao an'olo-tsotra mandritra ny fialan-tsasatry ny fahavaratra.

Ry Mpiserasera Rosiana, Manara-maso Ny Karatra Nomerika Solom-bolanao i Putin

Akon'ny RuNet

Nosavain'ny Komity mpanao famotorana ny biraon'ny Yandex.Money, fitaovana malaza solom-bola miara-miasa amina orinasan'ny mili-pikarohana goavana ao Rosia,

Zon'ny Mpamorona Creative Commons 101 : Mampiasa Izany Araka Ny Tokony Ho Izy Ve Ianao?

Rising Voices

Mampiasa ny sary Creative Commons avy aminao araka ny tokony izy ve ianao? Sary Creative Commons maherin'ny 90% no mbola tsy manan-tompo mihitsy! Indro ny fanazavana an-tsary mba mahatonga anao haharaka ny vanim-potoana.

Inona No Tadiavinao? Fiantsoana Hitokona Eo Amin'ny Sukiya, Tambajotra Japoney Mpamatsy Sakafo Vita Haingana

Tena nitokona marina ve ireo mpiasa ao amin'ny Sukiya, ilay tambajotra mpamatsy sakafo vita haingana, malaza amin'ny hena omby sy vary "gyūdon" amin'ny vidiny $3 ?

Mahatsiaro Ny Loza Nitranga Tamin'ny Lalao Baolina Kitra Tao Limà, 50 Taona Lasa Izay

Tamin'ny 24 May 1964, olona 300 no maty tao amin'ny Kianja Nasionaly tao Limà, maro ireo olona nitsoaka ny baomba mandatsa-dranomaso ary voahitsakitsaka satria nihidy ireo varavaran'ny kianja.

Fanamby : Nanala Ny Voaliny Ny Vehivavy Iraniana

Nanao fanamby nanala ny voaliny daholo ireo vehivavy Iraniana mpikatroka mafàna fo mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny vehivavy. Jereo hoe ahoana ny nandikàn'izy ireo ny lalàna sy ny niatrehany ary nandefasany ny sariny tao amin'ny aterineto.