Maherin'ny 20.000 ny mponin'i Makaô niaraka nanao fanoherana tamin'ny Alahady 25 May 2014, noho ny volavolan-dalàna iray izay hahazoan'ireo mpiasam-panjakana ambony tombontsoa rehefa tsy eo amin'ny toerany intsony izy ireo, ary manala tanteraka ny lehiben'ny governemanta amin'ny raharaha maizina nataony sy tsy ahafahana manenjika azy araky ny lalàna mandritra ny fotoam-piasàny.
Manana vahoaka miisa eo amin'ny 500.000 eo ho eo i Makaô, faritra manana rafim-pitantanana manokana ao Shina. Mahatratra 4 isan-jaton'ny fitambaran'ny vahoaka ny mpanao fihetsiketsehana, io no fihetsiketsehana lehibe indrindra, hatramin'ny namerenana hotantanan'i Shina ity zanatany Portioge taloha ity tamin'ny 1999. Nahagaga ny maro ny hatezeran'ny daholobe, tsy dia matanjaka loatra mantsy ny antoko mpanohitra ao amin'io tanànan'ny lalao sy loka io, ary mpanohana mahafatrapo sy bolokin'ny fitondrana ireo mediam-bahoaka no sady tohanan'ny governemanta ara-bola ihany koa.
Ny mpitantsoratry ny Fiadidiana Ara-panjakana sy ny Fitsarana ao Makaô no nandrafitra ilay volavolan-dalàna, efa iray volana lasa, izay noeritreretina holaniana ny Talata 27 May 2014, ary natolotra tsy nisy fakàna ny hevitry ny vahoaka akory. Hanome zo tsimatimanota tsy ho azo henjehina any amin'ny fitsaràna ny lehiben'ny mpanatanteraka, araka ny fiantso azy hoe lehiben'ny governemanta, io lalàna io raha mahavita heloka bevava mandritra ny fotoana maha eo amin'ny toerany azy. Miantoka ihany koa io ny hitohizan'ny karaman'ny lehiben'ny mpanatanteraka miala amin'ny toerany, sy ireo mpiasam-panjakana voatendriny, izay handray vola isam-bolana mitovy amin'ny 70 isan-jaton'ny karamany ankehitriny na dia tsy eo amin'ny toerany intsony aza izy ireo. Nanamafy ilay mpitantsoratra fa hevitra entina hisintonana ireo mpandraharaha mahay sy matanjaka hanatevin-daharana ny governemanta io volavolan-dalàna io.
Amin'ny faran'ny taona 2014 ny fifantenana izay ho lehibe vaovaon'ny mpanatanteraka, ary aorian'izay, miala amin'ny toerany ihany koa ireo mpiasam-panjakana ambony notendrena. Maro ireo mino fa natao manokana ho an'i Fernando Chui Sai-on, ilay Lehiben'ny mpanatanteraka, sy ireo mpiasam-panjakana ambony hiala eo amin'ny toerany io volavolan-dalàna io, satria ireo no tonga dia higoka sy hahazo avy hatrany ireo tombontsoa vaovao ireo.
Na dia mampisy resaka be aza io volavolan-dalàna io, mbola atosiky ny fitantànana handany azy io ihany ny filankevitra mpanao lalàna. Nofidiana tsy tamin'ny fomba mivantana fa nalaina tamin'ireo vondrona amperin'asa, na notendren'ny filohan'ny mpanatanteraka ny ankamaroan'ireo mpanao lalàna ireo.
Mba hanerena ny governemanta hanala io volavolan-dalàna io, nisy vondrona olom-pirenena antsoina hoe ” Makaô Tonga Saina” nikarakara diabe ho fanoherana ilay “Volavolan-dalàna Hanangonan-Karena Hatrany sy Tombontsoa.”
Nanontany iray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny haino aman-jery tsy miankina “All About Macau” tao amin'ny vondrona Facebook-ndry zareo, momba izay antony nandraisany anjara tamin'io diabe io:
市民林小姐認為特首在有可能臨離任的時候通過這個法案,是「打劫澳門市民」,根本是與民為敵;
Mieritreritra i Ramatoakely Lam fa ny lehiben'ny mpanatanteraka izay higoka io tombontsoa rehefa miala amin'ny toerany io dia “mandroba ny olom-pirenen'i Makaô” ary mametraka ny tenany ho fahavalom-bahoaka.
Maro ireo naneho ny hatezerany tamin'ny fitondrana takelaka sy lamba nandritra ny fihetsiketsehana.
Tao aoriana kelin'ilay diabe, maromaro ireo mpamolavola lalàna mpanohana ny fitondrana ary ireo mpanolo-tsaina mpanatanteraka, nanambara tamin'ny haino aman-jery fa hiteny ny filohan'ny Filankevitra Mpanao Lalàna izy ireo mba hanangana kaomity hiandraikitra ny fandinihana ilay volovolan-dalàna. Miaraka tamin'izany, ireo mpikarakara ny diabe “Makaô tonga Saina” nanambara fa handray fepetra izy ireo raha lanian'ireo mpanao lalàna io volavolan-dalàna io ny Talata 27 May 2014.