Tantara tamin'ny 30 Mey 2014
Manokana: Hazakaza-Dava Etsy Sy Eroa
Inona avy ireo olan'ny fifamoivoizana amin'ny fivezivezen'ny olona any amin'ny firenenao?
Governora Okrainiana Nohorakorahan'ny Vahoaka Nandritra Ny Kabary Fankalazana Ny Androm-Pandresena
Amin'ny andro iray fiatoana hanomezana voninahitra ireo an'aliny izay niady sy nanao sorona ny tenany mba hoe hitehirizana ny Firaisana Sovietika, dia izao izany, Odarchenko nanome fanafintohinana ny vahoaka tamin'ny alàlan'ny fanamarihany.
Kolonely Breziliana, Maty Iray Volana Taorian'ny Niekeny Fa Nampijaly Olona Izy
Nisy namono tao an-tranony tamin'ny volana Aprily i Paulo Malhães, miaramilam-panjakana misotro ronono, 76 taona. Niaiky izy tamin'ny volana Martsa, fa nampijaly ary namono olona nandritra ny fotoana mainty nisian'ny jadona teo amin'ny firenena.
Manindry Mafy ny WeChat Sy ny Fampihatra Hafa Fizarana Hafatra Eo Noho Eo i Shina
Manenjika ireo sehatra fandefasan-kafatra tonga eo noho eo i Shina mialoha ny tsingerintaona faha-25 ny fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia notontosaina teo amin'ny kianjan'i Tiananmen.
“Quand le village se réveille”: Bilaogin-Kolontsaina Maliana Vaovao
"Quand le village se réveille": Tetikasa vaovao hanangonana sy hizarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao nentim-paharazana ao ambanivohitry Mali, ary mba hampielezana ny fidirana aterineto eny amin'ny faritra ambanivohitra ihany koa.
Nandresy Tamin'ny Fifidianana Ho Filoha Ejipsiana i Sisi; Fahatelo Kosa no Misy An'i Sabahi Hany Mpifaninana Aminy
Nandresy be ny Jeneraly Abdel Fattah Al-Sisi, nanamontsana an'i Hamdeen Sabahi, hany mpifaninana aminy izay tafiditra ho laharana fahatelo. Nivoaka ny ampaham-bokatra taorian'ny telo andro nifidianana. Voatatitra fa nahazo ny 93,3 isan-jaton'ny vato i Sisi, naka ny laharana fahatelo koa i Hamdeen ary ny 3,7 isanjaton'ny vato manankery no azony.
SARY: Olona Niisa 20.000, Nanao Fihetsiketsehana Tao Makaô, Nanohitra Ny ‘Volavolan-Dalàna Hanangonan-karena Hatrany Sy Tombontsoa’
Volavolan-dalàna manome alalana ny filohan'ny governemanta ao Makaô, izay faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina, ho tsy azo enjehana araky ny lalàna sady manome hery azy sy ahazoany tombontsoa isam-bolana ihany na dia miala amin'ny toerany aza izy.