- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Ahoana no handoavantsika Malagasy ny fitaovam-pianarana, fitafiana ary fanafody ho an'ny ankizy ?”

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna
Tojo Fehizoro [1], Malagasy mpibilaogy iray, namoaka sombin-taratasy (netezana avy amin'ny gazety malagasy iray teto an-tanindrazana) mamehy ny fandaniana kely indrindra ho an'ny ankohonana malagasy iray misy olona efatra ka ankizy ny roa amin'izy ireo, 10 taona sy 7 taona avy. Avoakan'ilay sombin-taratasy lisitra ny fandaniana sy ny anton'izany tsirairay [2] [mg] ary ny fitambaran'ny karaman'ny ray aman-dreny:
 
The budget of a  family of 4 in Madagascar - with permission [2]

Tetibolan'ny fianakaviana misy olona efatra eto Madagasikara – nahazoana alalana

Fidiram-bola Isam-bolana 

  • Karama isam-bolan'ny ray : 78 USD/volana
  • Karama isam-bolan'ny reny : 72 USD/volana
  • Totaliny : 150 USD 

Fandaniana Isam-bolana

  • Sarandalana (bus ho an'ny efatra) : 34.3 USD
  • Sakafo maraina (ho an'ny efatra): 16 USD 
  • Sakafo atoandro (ho an'ny efatra): 51 USD 
  • Sakafo hariva (ho an'ny efatra): 21 USD 
  • Sakafo maivana ho an'ny ankizy : 4 USD 
  • Hofantrano : 30 USD
  • Jiro sy Rano : 13 USD 
  • saram-Pianarana : 21 USD 
  • Arina : 6 USD 
  • Savony :  1.5 USD 
  • Sira : 0.38 USD
  • Menaka : 2.2 USD
  • Siramamy : 1.03 USD 
  • Totaliny : 233.82 USD 
 
Raha jerena ny zavamisy etsy ambony, dia nanontany avy eo i Tojo hoe ahoana no handoavana ny fitaovam-pianarana, fitafiana sy fanafody ho an'ny ankizy.  
* ny famadihana ny vola Malagasy Ariary ho Dolara US dia 1.000 MGA = 0,42 USD  (ny sandam-pifanakalozana dia azonao jerena ato [3])