- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Nahoana i Edward Snowden No Maniry Hitady Fialokalofana Any Polonina”

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Polonina, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

Nilaza ny vodka Poloney Sobieski  [1] tao amin'ny habakany fa tao Polonina no toerana nipoiran’ [2]ny vodka fa tsy tao Rosia, araka ny heverin'ny maro. Na dia izany aza, ny tena mahasarika ny saina mikasika ity vokatra ity dia ny fampiasana an'ilay mpanao ampamoaka Edward Snowden [3] tamin'ny dokambarotrany vaovao. Tamin'ny taon-dasa, i Snowden no namoaka (voalohany) ny rafitra elektronika goavana fanarahamaso an'ny (NSA) Sampam-pitsikilovana Amerikana.

Naka ireto sary manaraka ireto tao amin'ny faritra mifanolo-bodirindrina ao SoHo, New York ny mpanoratra ity lahatsoratra (amin'ny teny anglisy) ity. Hoy ny fivakin'ny dokambarotra: «Nahoana i Edward Snowden no maniry hitady fialokalofana any Polonina “:
 

IMG_5835

IMG_5836

Naka sary ilay dokambarotra diso toerana ihany koa ny mpiara-miasa aminay ato amin'ny Global Voices, Jillian C. York: 

hahaha: Nahoana i Edward Snowden no maniry hitady fialokalofana any Polonina

Ny zavatra tena mahatsikaiky, araka ny voalaza ao amin'ny dokambarotra, dia nangataka fialokalofana poitika any Polonina i Edward Snowden, saingy nanoratra tao amin'ny kaonty Twitter-ny ny minisitry ny Raharaham-bahiny  Radoslaw Sikorski [7] fa “tsy hanome valiny mahafa-po izy”.

Nanjary malaza herintaona i Snowden noho ny ampamoaka nataony momba ny fanatanterahan'ny NSA ny fomba fanarahamaso manerantany ataony tamin'ny alalan'ny fandaharan'asa PRISM hanangonana tahirinkevitr'olona manokana amina miliara. Nanomboka teo, niteraka korontana diplaomatika manerantany i Snowden ary nopetahan'ireo mpanohana azy ho maherifo sy ny mpanohitra azy ho mpamadika..

Lasa vaovao indray i Snowden taorian'ny nanekeny hiantsafa manokana amin'i Brian William [8], mpanolotra ny vaovaon'ny NBC, ao Moskoa. Havoaka amin'ny Alarobia 28 Mey izany resadresaka izany.