
Pikantsarin'ny lahatsary Happy avy any Tehran.
Nandray ny valin'asany ny Iraniana Enina tamin'ny fiarahana tamin'ny fironana manerantany rehefa namokatra lahatsary ahitana fandihizana ny hira “Happy” nataon'i Pharrell Williams avy any Tehran ry zareo.
Amin'izao fotoana izao, efa navotsotra avokoa izy rehetra ankoatra ny iray rehefa nanambara ny manampahefana Iraniana fa nosamborina tamin'ny 20 Mey izy ireo.
Tao anatin'ny fanentanana Twitter #FreeHappyIranians ny mpiserasrea Iraniana no nameno siokam-pahatezerana sy fahadisoam-panantenana ny aterineto.
Mahery loatra ny buzz ka tsy misy afaka tsy miraharaha hany ka niditra an-tsehatra tao amin'ny Twitter hatramin'ny filoha Iraniana izay fantatra fa tony fihetsika (mampihomehy moa fa mbola voarara any Iran ny Twitter).
“#Happiness is our people's right. We shouldn't be too hard on behaviors caused by joy.” 29/6/2013
— Hassan Rouhani (@HassanRouhani) May 21, 2014
Zon'ny vahoakantsika ny Hafaliana. Tsy tokony hasiaka loatra amin'ny fihetsika nateraky ny hafaliana isika
Indro ny lahatsary nahatonga ny fisamborana ireo Iraniana “Happy” (Faly).
Tsy maintsy tohizana ny fampisehoana
Noterena hiseho tao amin'ny fahitalavi-panjakana Iraniana nandritra vaovao hariva ilay tarika, niara-nipetraka, nanatrika ny lehiben'ny polisy ao Tehran, Hossein Sajedinia. Niaiky izy ireo fa nanaiky hiseho tao anaty clip rehefa nantsoin'olo-tsy fantatra (lahy sy vavy) .
https://www.youtube.com/watch?v=N5jyIR3NdjE
Tao amin'ny lahatsary ireo Iraniana nosinambotra ireo no nilaza fa “voafitaka,” ary nanao ny lahatsary ho an'olona manokana fa tsy nihevitra velively fa hozaraina ho hitan'ny besinimaro izany.
Heloka ve ny Hafaliana?
Mehriran ni-tweet:
You cannot stop us being happy #FreeHappyIranians pic.twitter.com/gjzCIfuGPk
— مهریران (@mehri912) May 21, 2014
Tsy ho afa-manakana anay ho faly ianareo
Sheema Kalbasi ni-tweet:
#ShariaLaw: Culture of humility, sorrow, flogging, executions, oppression! Happiness is a crime! #freehappyiranians pic.twitter.com/73HYmsYcry
— Sheema Kalbasi (@IranianWoman) May 21, 2014
Lalàna Sharia: Kolontsaim-panetre-tena, fisaonana, fikapohana, famonoana, faneriterena! heloka ny Hafaliana!
Potkin Azarmehr ni-tweet:
35 yrs ago after an Islamic Revolution, happiness became a crime in a happy land with happy people 🙁 #iran #freehappyiranians
— potkin azarmehr (@potkazar) May 21, 2014
35 taona taorian'ny Revolisiona Islamika, lasa heloka ao amin'ny tany sambatra sy vahoaka sambatra ny fahasambarana (mitovy dika ny fahasambarana sy ny hafaliana amin'ny teny anglisy)