Lehilahy Makedoniana Iray: 65 Taona Niadiana Mba Hamerenana Ny Fananany

Makedoniana iray mpitoraka bilaogy sady mpikatroka mafana fo no nanaitra ny olona tamin'ny nahazo  an'i Ramose Dushko Brankovikj [mk]. Efa in-droa no lasa fananam-panjakana ny fananan'i Brankovikj nandritra izay 65 taona farany izay, ary na dia nandresy foana aza izy tamin'ny raharaha fitsaràna rehetra  mikasika io resaka io hatramin'izao, tsy mbola nampiharin'ireo andrim-panjakana Makedoniana ihany ny didy ary tsy mbola naverina taminy ny fananany.

Mbola manao fihetsiketsehana eo anoloan'ny fitsarana ambaratonga voalohany any Skopje foana ilay lehilahy antitra ity, ary mikasa ny hitondra ny raharaha any amin'ny Fitsaràna Eoropeanina ho an'ny zon'olombelona ao Strasbourg izy.

I Nikola Pisarev, Makedoniana mpikatroka mafana fo, no nandefa ny sarin'ilay lehilahy mitazona takelaka misy sora-tanana mivaky hoe : “Ahoana moa ny fanapahan-kevitra monisipaly no mbola manan-kery lavitra noho ny an'ny fitsaràna an-tampony? Mety izany amin'io fitsaràna an-tampony io. Amin'ny karazana didim-pitsarana tahàka izao, hitontona any amin'ny planeta Mars isika raha tokony ho any amin'ny vondrona Eoropeanina ! Tokony ho mpitsara mpanitsy ny fitsaràna an-tampony, fa tsy sariitatra fotsiny”:

Dushko Brankovikj protesting in front of Supreme Court in Skopje, Macedonia. Photo by Aleksandar Pisarev, published with permission.

ilay lehilahy lehibe, Brankovikj, manao hetsi-panoherana eo anoloan'ny Fitsaràna an-tampony ao Skopje, any Makedonia. Sary avy amin'i Aleksandar Pisarev, nahazoana alalana ny famoahana azy.

Mbola nanampy fanazavana ny amin'ilay sary ihany koa i Pisarev ao amin'ny bilaoginy :

Индивидуалниот активизам често има за цел решавање на лични проблеми што е легитимно, особено кога повеќе луѓе се засегнати од еден ист проблем (како во случајов нефункционланоста и „неправедната“ правда на судството во Македонија). Затоа овој човек заслужува респект и поддршка од сите нас кои веруваме во моќта на активистичкото граѓанско делување.
Во отсаство на медиуми и во отсаство на институционална правда само протестот ни преостанува!
Човеков не го познавам, го запознав некни, индивидуално протестира пред суд скоро секој ден, ја бара правдата уште од 1973. Како што ми објаснуваше и тоа што ми покажа од материјали човеков е во право. За жал нефункционалната локална самоуправа му го загорчува животот и најгрубо му го крши правото на приватна сопственост.

Респект за чинот чичко.

Matetika dia ny mba hitadiavana vahaolana ho an'ny olan'ny tena no hiandohan'ny fikatrohana ho an'ny tsirairay, ary rariny ny azy, koa satria maro ny olona mety miatrika olana mitovy amin'io (mikasika ny tsy fandehanan-draharaha ao amin'ny fitsaràna Makedoniana izy eto amin'ity tranga ity, izay miafara amin'ny fitsaràna “tsy rariny”). Noho izany, mendrika ny fanajàna sy ny fanohanantsika rehetra izay mino ny lanjan'ny hetsiky ataon'ny olom-pirenena io lehilahy io.

Rehefa tsy eo ny haino aman-jery sady tsy misy ny lalàna natao hitsinjo ny tombotsoam-bahoaka, manao fihetsiketsehana sisa no azo atao!

Tsy nahalala io lehilahy io aho taloha. Andro vitsivisty lasa izay no nihaonako taminy, manao fihetsiketsehana irery isan'andro eo anoloan'ny fitsaràna foana izy, nikatsaka ny rariny efa hatramin'ny taona 1973. Araka ny fanazavàny sy ny porofo nasehony ahy, manana ny rariny izy. indrisy anefa, mampangidy ny fiainany sy manitsaka an-kerisetra tsotra izao ny zony amin'ny fananany manokana ny tsy fandehanan-draharaha ao amin'ny fitondràna eto an-toerana.

Fanajàna manokana ho an'izay ataonao, ry Dadatoa.

Milaza toy izao ny tatitra vao haingana indrindra avy amin'ny Departemantam-panjakana Amerikanina momba ny zon'olombelona momba an'i Makedonia, naely ny 28 Febroary 2014, mikasika ny olana mitranga sy tena mamatotra ny firenena:

“Ny fitsabahana ara-politika, tsy fahombiazana, ny fanànana hena-maso amin'ireo olona ambony, fitsaràna mitarazoka, ary ny kolikoly no manamarika ny rafitry ny fitsaràna.”

Noho ilay lahatsoratra nataon'i Pisarev tao amin'ny bilaoginy ary tamin'ny media sosialy, maro ireo filazam-baovao tsy miankina nanely ny tantara momba ny nahazo an'i Brankovikj, ary efa manome ny heviny izao ny olona ao amin'ny media sosialy sy any an-kafa koa, tsy mikasika fotsiny io tantara io ihany, fa mikasika ny fitsaràna Makedoniana sy ny rafitry ny governemanta amin'ny ankapobeny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.